Teny nampidirina farany

Telina
[admin]
: a.: Fanakodiavana, fanagorodanana zavatra any an-tenda tsy tsakoina: Atao teli-moka. ? mt. ih.: Tiana, ankasitrahana: Tsy teliko ilay teny nataon'ny zokin' ise ahy iny. * t.i.f.: Atelina, voatelina, tafatelina f mitelina, fitelina, mpitelina / itelemana, fitelemana / mankatelina / fankatelemana 1 mahatelina. ? F.-p.: Teli-moka: fitelemana zavatra tsy tsakoina fa tonga dia avarina. / Manao teli-moka: mitelina avy hatrany tsy mitsako akory. / Sitraka sy telina: enti-milaza zavatra mahafaly sy tena tiana tanteraka ka isaorana be ny olona manome. Ahitsio
Televiziona
[admin]
: (fr. télévision) a.: Fampitana ny sary sy ny feo any lavitra amin'ny alalan' ny onja elektrika. Ahitsio
Telegrama
[admin]
: (fr. télégramme) a.: Teny ifampitondrana amin' ny aialan'ny telegrafy. Ahitsio
Telegrafy
[admin]
: (fr. télégraphe) a.: Fitaovana ahafahana mampita teny na vaovao haingana any lavitra. Ahitsio
Telefaonina
[admin]
: (fr. téléphone) a.: Fitaovana ahafahan'olona roa mifanalavitra miresaka. Ahitsio
Teko
[admin]
: na Rondrona (Btl) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby somary miondrika ny tendrony. Ahitsio
Tehina
[admin]
: a.: Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin'ny dia: na hanohantohanana ny famindra, na hitsapatsapana ny lavadavaka eny amin'ny lalana, na hikapohana biby sendra ny tena... iti t.i.f•: Tehenana, tehenina, atehina, voatehina, tafatehina 1 mitehina, fitehina, mpitehina 1 itehenana, fitehenana 1 mahatehina. - F.-p.: Tehin-kiho: fanaovana ny tanana toa manery na mitehina ny valahana. * Ohab.: Tehin-kiho am-piakarana: tsy haingo fa tohan' aina: enti-milaza fa misy fisehoan-javatra ivelany izay toa haitraitra fotsiny, nefa hay tena zavatra ilaina mihitsy. ¶ M.h.: Tabaka, kibango, langilangy, kanonta, longy, firitsoka, kipikipy, valavala. Ahitsio
Tehika
[admin]
: o.: Kasika, fikasihana kely foana; ffhinanana tskelike)y amin'ny sotro. - t.i.f.: Tehefana, atehika, voatehika, tinehika, tafatehika 1 mitehika, fitehika, mpitehika / itehefana, fitehef a-na / mahatehika. Ahitsio
Tehezana
[admin]
: a.: Ny taolana tsirairay amin'ny tratran'ny olona sy ny biby. * F.-p.: Tehezan-tany: ny fitongilanan'ny havoana. / Tehezam-bohitra: tanàna tataovana tendrombohitra. / Taolan-tehezana: teny iantsoana ny vehivavy andefiman-'drY Ahitsio
Tehenina
[admin]
: (tehina) mt. ih. (teheno): Enti-milaza ny lakana izay atosika amin'ny tehin-dakana: Hitanao ir? lakana tehenin-dRangahy lava be frit? Ahitsio
Teheny
[admin]
: a.: Fitombotombohana, fitorohana amim-pahasahiana toa dia marina er?, ne-fa don-tandroka fotsiny ihany. * F.-p.: Manao teheny: manao don-tandroka. Ahitsio
Tehenana
[admin]
: (tehina) mt. ih. (teheno): Iankinana, ohatra ny atao amin'ny tehina: Teheno ny soroky ny zokinao. Ahitsio
Tehefana
[admin]
: (tehika) mt. ih. (tehefo): Takarina (na ambony toerana loatra izany na ambany toerana loatra): Iva loatra ny karetsak'ilay uaravarana mankany amin'ny laua-bary ka tsy azoko tehefana. ? Tendrena, kasihina na hanina kely: Maika be izy ka notehefany fotainy ny vara,. Ahitsio
Tehaka
[admin]
: a.: Fampikatrokatrohana ny felatanana roa entina manamarika ny fingadon' ny hira na ny hafaliana: Nirefodrefotra ny tehaka nony avy niteny izy. ? Fikasihana amin'ny tanana. 1 Famelezana amin'ny felatanana (jar. Tehamaina). - t.i.f.: Tehafina, atehaka, voatehaka, tinehaka / manehaka 1 mitehaka, fitehaka, mpitehaka / itehafana, fitehafana / mahatehaka / tehatehaka, tehatehafina 1 mahatehatehaka. * An-tehaka: enti-milaza fahasitranana haingana amin'ny fitsaboana indray maka monja. / Teha-dolo: ilazana aretina mampivonto ny hodi-maso tampoka, ary noheverin'ny Ntaolo fa voakasiky ny lolo na matoatoa na angatra no nahatonga izany. / Tehak'afo: fanosora-menaka ny felatanana izay atanina afo hafana tsara ka apetaka amin'izay maharary. Ahitsio
Tehafina
[admin]
: (tehaka) mt. ih. (tehafo): Omena tehaka fa nahafinaritra: Notehafin'ny olona izaitsizy ilay mpihira. ? Asiana tehamaina: Saika hotehafiko ilay zazalahy fa nanafintohina ahy. Ahitsio
Tefotra
[admin]
: Jer. Tefitra. Ahitsio
Tefontefona
[admin]
: Mitovy amin'ny Tefintefina. Ahitsio
Tefoka
[admin]
: a.: Fipoahana tsy dia mafy loatra, toy ny an'ny basy; firefotra toy ny an'ny rantsan-kazo tapaka na ny vilany vaky. - t.i.f.: Tefohana, atefoka, voatefoka / manatefoka, fanatefoka, mpanatefoka/ anatefohana, fanatefohana I mitefoka, fitefoka, mpitefoka I itefohana, fitefohana 1 mahatefoka. Ahitsio
Tefohana
[admin]
: (tefoka) mt. pdr. (tefohy): Tifirina: Notefohany basy ilay biby. ? Asiana tehamaina: Tefohy tehamaina io raha mamaly. Ahitsio
Tefoedra
[admin]
: (fr. typhoïde) a.: A-retina avy amin'ny mikraoby iray manokana izay atao hoe basilin'i Eberth, avy amin'ny sakafo, ary miditra any amin'ny tsinay, ka ny famantarana azy dia tazo tsy mety miafana sy fivalanana matetitetika; raha tsy voatsabo dia miafara amin'ny fahaloahan'ny tsinay ny tefoedra. Ahitsio