Teny nampidirina farany

Tongoa
[admin]
: a.: Zavatra mitaingina eo ambonin'ny tena izy. ? Teny nilazana ny trafon'omby fahiny. 1 Tatao na fanampy. 1 Teny fanafohezana ny hoe: "Tongoamihonkona" (jer. io teny io). - t.i.f.: Tongoavana, tongoavina, atongoa, voatongoa, tafatongoa / manongoa, fanongoa, mpanongoa J anongoavana, fanongoavana / mifanongoa / mitongoa, fitongoa, mpitongoa J itongoavana, fitongoavana / mahatongoa. Ahitsio
Tongilanina
[admin]
: (tongilana) mt, ih.: Atao mitongilana. Ahitsio
Tongilana
[admin]
: p.t: Tsy mipetraka marina tsara ka mirona amin' ny ilany iray. • h.o,: Voatarika amin'ny ratsy, miangatra. - t.i.f.: Tongilanina, atongilana, voatongilana, tafatongilana / manongilana, fanongilana, mpanongilana / anongilanana, fanongilanana J manatongilana / mitongilana, fitongilana, mpitongilana / mahatongilana. Ahitsio
Tongika
[admin]
: a.: Teny ilazana tohizan-doham-balala, na rehefa mety ho tohizan-javatra boribory ka mifanety. ? : amoretana, fampik".anana. 1 Fandrisihana hanao ratsy. - t.i.f.: Atongika, voatongika / manongika, manatongika, fanongika, mpanongika / mitongika, fitongika / mahatongika. Ahitsio
Tongerina
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsingerina. Ahitsio
Tongavina
[admin]
: (tonga) mt. ih. (tongauy na tongavo): Entimilaza, rehefa miady varotra zavatra, ny vidiny izay tian' ny mpivarotra hotratrarina: Ariary valo no sahiko — Tongauy ariary folo re! Ahitsio
Tongarivo
[admin]
: a.: Anaram-boahangy misoratsoratra. Ahitsio
Tongalika
[admin]
: ft. faharoa (ton-lohalika). - t.i.f.: Atongalika, tafatongalika / manatongalika, fanatongalika, mpanatongalika / anongalihana, fanongalihana / mitongalika, fitongalika, mpitongalika / itongalihana, fitongalihana f mahatongalika. Ahitsio
Tongàlika
[admin]
: a: Rojo misy masombolafotsy toa mifampiamboho hatrany, ny iray mitodika miankavia, ny iray mitodika miankavanana. Ahitsio
Tonga
[admin]
: mt. s.: Mby eo amin' ny to:rana iray naleha: Tonga tany Antsirabe tamin'ny sivy i dadatoa • Manjary: Tonga mpanankarena lahy ilay zazalahy kely faniraka fahiny! ? Mody: Tongaua no fo, tompoko, ny sakafo kely narosonay ho anao! ? mt. ih.: Nentina avy amin' ny toerana iray ho eo amin'ny toerana iray: Tongako daholo ny zavatra nohafaranareo. / Indro tongako eto anatrehanareo ireo olona nasainareo nalaiko. 6 tif: Tongavina / mahatonga / fahatongavana, ahatongavana. - F.-p.: Tonga, dia...: avy hatrany dia...: Tonga dia nambanany basY itay sakaiza. / Tonga elatra: àry eiatra. J Tonga fatra: nahafeno ny famarana tsars. / Tonga feo: ilazana ny akoholahy na ombalahy mby amin'ny taona anenoany na itrenany. / Tonga fetra: tratran' ny fetr'andro: Tonga fetra ny trosako any aminao. / Tonga fomba: àry fomba, tsy misy tsy ao ny zavatra rehetra ilaina maha-izy azy. / Tonga fofona: sakafo andrahoina manomboka handrara-pofona. 1 h. o. :Manomboka ho tezitra. / Tonga ha-ka: voky, letra. / Tonga hery: enti-milaza ny ranon-javatra, toy ny ranom-boaloboka hatao divay, izay navela hamorivory ka mby amin' ny fara hery mety hananany. / Tonga lafatra: lavorary tsara. / Tonga marika: vita ara-ka ny drafitra nanaovana azy. J Tonga nany: enti-milaza ny vovo feno hazandrano hatrany amin'ny vavany. ? h. o.: Olona mpanankarena, tremalahy. / Tonga taona: enti-milaza zazalahy na zazavavy efa ampy taona hanambady. / Tonga volana: zaza feno sivy volana tsara tam-bohoka no teraka. / Tsy tonga uolana: zaza teraka alohan'ny fotoana tokony hahaterahany. ¶ M.h.: Avy, tamy. —Tonga, mingadona, miantefa, tafahatra, tafapaka, tody, tafita, tohatra, mby. Ahitsio
Tonery
[admin]
: a.: Zavatra lanjaina amin'ny hazo sahala amin'ny tehina ka ny ilan'ny hazo ao an-damosina ihany no misy entama fa ny eo anoloana tsindrian'ny tanana fotsiny. ? F.-p.: An-tonery: fomba itondrana zavatra amin'ny hazo tahaka ny voalaza etsy ambony: Ny filanja an-tonery ihany no atao hoe filanja an-kila bao. Ahitsio
Tonera
[admin]
: a.: Feon-kira avo ataona feon-dehilahy. Ahitsio
Tonendrina
[admin]
: p, t.: Adaladala, miraikiraiky. - t.i.f.: Mitonendrina, fitonendrina, mpitonendrina j tonendrinendrina. ¶ M.h.: Donendrina. Ahitsio
Tonena
[admin]
: (tony) mt. ih. (toneo): Ampandrina, tsy avala hitebiteby: Toneo ny saina. Ahitsio
Tondrontondrona
[admin]
: a.: Jer. Tondrantondrana. Ahitsio
Tondromanga
[admin]
: a.: Hazo amin' ny loharindrina mananty ny sokina. Ahitsio
Tondroina
[admin]
: (tondro) mt. ih. (tondroy): Amhara amin'ny fanondro, na ilay olona na zavatra, na ny misy azy: Notondroina fotsiny Rakoto dia nangouitra nihararetra. / Tondroy azy ny auaratra. • Atoro, lazaina: Notondroin' ny fokonolona ho mpangalatra izy ka natolotra ny fanjakana. Ahitsio
Tondro
[admin]
: a.: Fanondro: Ny rantsantanana manarakaraka ny ankibe no atao hoe Tondro. 1 Fanondroana: Mahasosotra ahy loatra izay tondro molotra nanaouany ahy izay. 1 t.i.f.: Tondroina, atondro, voatondro, tafatondro j manondro, fanondro, mpanondro / anondroana, fanondroana I mahatondro. • F.-p.: Resy tondro-maso: tsy manana olona mpanohana intsony fa ny ray sy ny reny efa maty na tsy tia. / Tondro miandra reny: zaza na 'zandry miantehitra lava amin-dray aman-dreniny na ny zokiny ka tsy manao ny anjara adidiny. / Tondro mi-la zara: zazavavy miseho ho mazoto mba hahazoany vady. / Tondro molotra: fanondroana olona amin'ny molotra, izay mazàna fihetsika enti-maneso na miam-Panga. / Mahalaia tondro: ilazana ny rano hafanaina rehefa manomboka hafana; matimaty; afa-dranom-p ana-la. Ahitsio
Tondritra
[admin]
: na Tondrotra a.: Fivonkonan'ny lamosina rehefa mipetraka ka toa tafahoatra mivoaka any ivelany ny fipetrahana; fandrosoan'ny zavatra na fitataovany mankany ivelany. - t.i.f•: Tondritina na tondrotana, atondritra na atondrotra, voatondritra, tafatondritra j manondritra na manondrotra, fanondritra, mpanondritra j anondritana, fanondritana / mifanondritra / mitondritra, fitondritra I mahatondritra. Ahitsio
Tondritana
[admin]
: (tondritra) mt. ih. (tondrito): Enti-milaza izay anatodihana zavatra iray, anolahana hadisoana. Ahitsio