Teny nampidirina farany

Taolamizana
[admin]
: a.: Lempona lalina toa lavaka boribory eo afovoan'ny taolan'ny maoja. Ahitsio
Taolambalo
[admin]
: a.: Ireo taolana vain noheverin'ny Ntaolo fa tsy maintsy hampidirina ao am-pasan-drazana rehefa mamindra faty ao, dia ny taolan'ny sandry sy ny lantontanana amin'ny tanana roa avy, ary ny taolam-pe sy ny taolan-dranjo amin'ny tongotra roa avy. Ahitsio
Tao
[admin]
: a.: Asa karakaraina sy vitaina: Tao voici. • Fanamboarana, fananganana: Tao trano; taozavatra. - t.i.f.: Atao / manao, fanao, mpanao / anaovana, fanaovana. * Ohab.: Tao trano tsy efan' ny irery: enti-milaza fa ny zavatra lehibe tsy vita raha tsy ifanakonana, iaraha-manao maro. Ahitsio
Tao
[admin]
: a.: Fiomanana, fikarakarana izay hoentina miady na m anafika. * t.i.f.: Mitan, fitao, mpitao / itaovana, fitaovana / mahatao. Ahitsio
Tao
[admin]
: p. mt.: Milaza toerana "ao" fa enti-milaza ny lasa: Tao anaty fantsakana no hi-ta ilay rojo volamena. Ahitsio
Tantsarasampy
[admin]
: a.: Enti-milaza ny fanarahan-drindrina ataon'ny ankizy vao mianamandeha. Ahitsio
Tantibazary
[admin]
: a.: Harona fitondra miantsena. Ahitsio
Tanty
[admin]
: t.ih.: Azo iaretana, sy ihafiana, zaka: Tsy tanty ny hatsiaka androany izany. • Azo leferina, lefitra: Tantinao ue izany teny feno eso izany? • t. if.: Mahatanty. Ahitsio
Tanty
[admin]
: a.: Haron-kely fasiana ny vary hanina amin'ny indray andro; harona fisapisaka anantazan-javatra; ravin' akondro asiana ny vary mi-haro ronono sy tantely hanina amin'ny fandroana. - t.i.f : Tantazana, atanty, voatanty / mananty, fananty, mpananty / anantazana, fanantazana / mitanty, fitanty, rnpitanty / itantazana, titantazana / mahatanty. - F.-p.:Tanty reraka: fangatahan-dava amin' olona izay zavatra ilaina fa tsy mba miasa na mitady ho an-tena. / Manao tanty reraka: tsy mba miasa na mitady ho an-tena fa mangata-dava amin'olona izay rehetra ilaina. Ahitsio
Tanterakala
[admin]
: a.: Karazam-bahy izay atao fanamaintisa-nify ny raviny. Ahitsio
Tanteraka
[admin]
: p. t.: Loaka tafaboroaka any ambadika: Ataovy tanteraka any ambadika ny fantsika. • Vita tsara an-tsakany sy an-davany, tontosa: Tanteraka izao ny nokasainao ka ahoana? • Lavorary, tomombana: Tamim-panajana tanteraka no nandraisany ana y. - t.i.f.: Tanterahina, atanteraka, voatanteraka / manatanteraka, fanatanteraka, mpanatanteraka / anatanterahana, fanatanterahana / mahatanteraka / fahatanterahana / maninteraka, faninteraka, mpaninteraka / aninterahana, faninterahana. ¶ M. h.: Ma, vita, tontosa, tomombana, to, maty paika, nitady toko ka sendra vato, nikororoka vary ka sendra rivotra, naniry zaza ka tera-dahy. Ahitsio
Tanterahina
[admin]
: (tanteraka) mt. ih. (tanteraho): Loahana hatrany ambadika: Tanteraho ity hazo ity. • Vitaina tsara tomombana, tontosaina: Tokony hotanterahina ny fikasana tsara natao. Ahitsio
Tantelisiaka
[admin]
: a.: Karazan-tantely volovoloina sy misoratsoratra mamiratra. Ahitsio
Tantely
[admin]
: a.: Zavatra mamy, manimanitra ary vonivony, ataon'ny karazam-bibikely izay atao hoe renitantely avy amin'ny vovo-bonin'ny voninkazo tsentsefiny: Mamy ohatra ny tantely. • Anarana ilazana ilay bibikely mihitsy koa: Ny andrian-tantely no arahin'ny tantely rehetra. - t.i.f•: Manantely. - F.-p.: Tanteiy afa-drakotra: enti-milaza ny zava-tsoa izay tsy tsara tandrina, ka itsabahan'ny olona rehetra, na adala na hendry. l Tantely amam-bahona: enti-milaza ny soa sy ny ratsy izay indraindray hita mifanila toerana eto amin'ny fiainana. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely: enti-milaza zavatra tonga lafatra ihaonan'ny soa sy ny tsara. * Fiten.: Mamy ny tantely fa misy faikany, mamy ny fary fa misy fiakany...: entimilaza fa na inona na inona zava-tsoa eto an-tany dia misy tsininy avokoa, ary izany dia avy amin'ny toetrany tsy lavorary. Ahitsio
Tantazana
[admin]
: (tanty) mt. ih. (tantazo): Andrasana hianjera ka raisina eo ambonin'ny tanana velarina na ao anaty zavatra: Tan tazo iny baolina iny. / Tantazo amin'ny satrokao ireto vola madinika ireto, • Raisina: Tokony hotantazantsika tsara izay anjara omen' Andriamanitra antsika. Ahitsio
Tantavanina
[admin]
: (tantavana) mt. ih. (tantauano): Ampandalovina amin'ny tantavana; ampandalovina maninteraka ny lamba, taratasy manify: Tantauanina aloha ny rano vao sotroina raha tsy azo antoka ny fahadiouany. / Tantauano amin'ny taratasy manify io ro be menaka io. Ahitsio
Tantavana
[admin]
: a.: Fitaovana misy loadoaka ampandalovana rano miharo ventin-javatra na loto, ka mandeha ny ranony fa mijanona kosa ny ventiny na ny loto; sivana. * t.i.f.: Tantavanina, atantavana, voatantavana / manatantavana, fanatantavana, mpanatantavana / anatantavanana, fanatantavanana / mitantavana, fitantavana, mpitantavana / itantavanana, fitantavanana / mahatantavana. Ahitsio
Tantava
[admin]
: (Ski) a: Zavatra maivana mitsinkafona afatopatotra amin'ny ilan'ny harato mba hampitsinkafona azy. Ahitsio
Tantaranina
[admin]
: (tantarana) mt. ih, (tantarano): Alahatra mahitsy. Ahitsio
Tantarana
[admin]
: a.: Filaharan-javatra mahitsy ohatra ny miaramila na ny boky mitandahatra amin'ny fitoeram-boky. * t.i.f : Tantaranina, voatantarana, tafatantarana / manatantarana, fanatantarana / mitantarana, fitantarana / mahatantarana. Ahitsio