Teny nampidirina farany

Tazana
[admin]
: t. ih.: Hita na tsinjo lavitra: Tazanao ue irait fiaramanidina eny am-paravodilanitra irv? - t.i.f.: Tazanina, voatazana / mitazana, fitazana, mpitazana / itazanana, fitazanana / mahatazana 1 tazantazana. Ahitsio
Tavozavoza
[admin]
: p.t.: Jer. Vozavoza. Ahitsio
Tavony
[admin]
: a.: Fonon'ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban'ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin'ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan'ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana). Ahitsio
Tavonana
[admin]
: (tavona) mt. ih. (tavony): Hosorana, hosenana (menaka), fotetahana: Tavony menaka ny miuonto. Ahitsio
Tavona
[admin]
: a.: Fanosorana na fanosenana menaka na ranondranon-javatra marihidrihitra be dia be. - t.i.f.: Tavonana, atavona, voatavona f manavona na manatavona, fanatavona, mpanatavona / anatavonana, fanatavonana f mitavona, fitavona, mpitavona f itavonana, fitavonana f mahatavona. Ahitsio
Tavolohazo
[admin]
: a.: Hazo anaovana menaka ny voany ary ny tahony fandrehitra hitsilovana ny dia raha mandeha akna any anaty ala. Ahitsio
Tavolobembasy
[admin]
: a: Ny fantsona anatin'ny basy. Ahitsio
Tavolo
[admin]
: a.: Teny ilazana karazan-javamaniry anaovana koba, na io koba io mihitsy koa. Maro no ampiasana ny tavolo: na hanina izy (ka fanampenana mahomby tsara raha mivalana), na anditiana taratasy, na anenjanana lamba. Ahitsio
Tavoka
[admin]
: a.: Vy boribory lava-lava miakatra sy midina ao anatin'ny vatan'ny paompy ka misintona mampakatra ny rano na manosika azy kosa. - Lamba atao manodidina ilay vy boribory lavalava voalaza eo ambony. Ahitsio
Tavoka
[admin]
: a.: Fikapokapohana zavatra mba hanalana ny vovoka aminy. 1 Fitsapana mba hahalalana zavatra iray izay odiana ohatra ny efa fantatra; don-tandroka. - t.i.f.: Tavohana, atavoka, voatavoka f manavoka, fanavoka, mpanavoka, na manatavoka, fanatavoka, mpanatavoka / anavohana, fanavohana na anatavohana, fanatavohana f mitavoka, fitavoka, mpitavoka/ itavohana, fitavohana f mahatavoka f tavotavoka. Ahitsio
Tavohana
[admin]
: (tauoka) mt. ih. (tavohy): Kapohina mba hialan'ny vovoka. / Tsapaina, asiana don-tandroka. Ahitsio
Tavoara
[admin]
: a.: Siny kely lavalava tenda vita amin'ny vatovary izay atao fametrahandrano mangatsiaka eo ambony latabatra. Ahitsio
Tavoahangy
[admin]
: a.: Fitoeran-drano vita amin'ny tamaboho, izay lavalava boribory ny bikany ary misy tendany na vozony teritery: Tauoahangim-panafody. Ahitsio
Tavoa
[admin]
: a. (t. tr.): Anarana nilazan'ny Ntaolo ny zavatra voamboatra ho boribory lavalava (niavian'ny hoe: tavoahangy, tavoara). - F.-p.: Tauoa jerijery: nY tandron-trano noboriborina ho tahaka ny tandrok'omby ka ho tsara tarehy am-pijerena. Ahitsio
Tavo
[admin]
: a.: Fofon-jabora manta: Maimbo tavo ny volon'io vehivavy io. Ahitsio
Tavy
[admin]
: a.: Menaka mivaingana fotsy izay miraikitra amin' ny nofo; sabora: Tavin-kena. 1 t.i.f.: Hatavezina, tavezina f mankatavy, fankatavy f ankatavezana, fankatavezana / mahatavy / hatavy, hatavezana f matavy. - F.-p.: Tauy rano: enti-milaza hatavezana mihodrahodra, mivindimbindina be ihany. / Sady tauiny no uolony: enti-milaza olona mana-na ny toetra soa rehetra, ohatra — raha olona halaina iro vady no resahina — sady mpanankarena no tsara tarehy. ¶ M.h.: Lamy, jabora, sabora, matomperina, menaka. Ahitsio
Tavy
[admin]
: a.: Fomba fanaon'ny mponina akaikikaikin'ny morontsiraka amin'ny fambolem-bary: kapainy ny ala, dia dorany ary ny tany voazeziky ny lavenon'ala no fafazany vary. ? Ny tanimbary an-tanety izay volena rehefa avy nodorana ny ahitra teo aminy. Ahitsio
Tavy
[admin]
: a.: Fanatazan-drano maloto avy nisasana na ny fivalanana: Tavin-drano, tavimandry. • Lakan-kely fampihinanana vorona na kisoa vita amin'ny hazo matetika; kilàny: Tavinkisoa. ? Vakivakim-bilany na villa: Tavim-bilia. * Ohab.: Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany: enti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. Ahitsio
Tavezina
[admin]
: (tavy) mt. ih. (tauezo): Mitovy amin'ny hatavezina: Atao izay hampahatavy. Ahitsio
Tavaratra
[admin]
: (avatra) a.: Enti-milaza ny olona avy any avaratra. Ahitsio