Teny nampidirina farany

Tobatobaina
[admin]
: (tobatoba) mt. ih. (tobatobao): Hetsiketsehina, kobanina, kotabaina: Nahoana no tobatobain'ialahy ny rano sotroiko? 1 Lanilanina foana: Aza tobatobaina ny vary, rankizy, fa sarotra ny taon. Ahitsio
Tobatoba
[admin]
: a.: Fanakotabana ny rano. ? Fandaniana be, fandanilaniana foana. i t.if.: Tobatobaina, atobatoba, voatobatoba, tafatobatoba / manobatoba, fanobatoba, mpanobatoba / anobatobana, fanobatobana / mitobatoba, fitobatoba, mpitobatoba / itobatobàna, fitobatobàna. Ahitsio
Tobaka
[admin]
: a.: Enti-milaza fiantopazan-drano mibosasaka, mihoa-pefy. - t.i.f.: Tobahina, tobahana, atobaka, voatobaka, tafatobaka 1 manatobaka, fanatobaka, mpanatobaka 1 anatobahana, fanatobahana 1 mitobaka, fitobaka, mpitobaka 1 itobahana, fitobahana / mahatobaka / tobatobaka. Ahitsio
Tobaina
[admin]
: (toba) mt ih. (tobao): Anovozan'ny olon-drehetra: Hotobain-tsy ho lany anie jreto vary miakatra ireto! Ahitsio
Tobahina
[admin]
: (tobaka) mt. ih, (tobahy): Atao mitobaka, izany hoe mitipy ka tafahoatra: A-za tobahina ny rano. Ahitsio
Tobahana
[admin]
: (tobaka) mt. pdr. (tobahy): Anipazana rano: Notobahany rano aho ka kotsa hatrany amin'ny atin' akanjoko, Ahitsio
Toatoa
[admin]
: ft.: Fikasakasana hanao zavatra na handeha. 1 Manoatoa, fanoatoa, mpanoatoa 1 anoatoavana, fanoatoavana. Ahitsio
Toantoana
[admin]
: a.: Tsy fahazoanteny, fifandisoan-kevitra; fanaovana kitoatoa. - t.i.f.: Mitoantoana na manoantoana, fitoantoana na fanoantoana. Ahitsio
Toaka
[admin]
: a.: Zavapisotro misy aikaola mahamamo: Mpisotro toaka. - F.-p.: Mamon-toaka ambavan'olona: ara-bakiteny: Olon-kafa no nisotro toaka ka ny tena no toa mamo. 1 h.o.: Ny hafa no nanao ny nataony ka ny tena no iharan'ny asany. Ahitsio
Toabody
[admin]
: a.: (ohatra ny tsy misy afa-tsy ny vodiny) Harona izay tsy mizaitra ny vodiny fa tena iray amin'ny vatany. Ahitsio
Toa
[admin]
: p. mt.: Ohatra ny: Toa manauy aho izany! ? Angamba: Toa lasa omaly Rakoto. Ahitsio
Toa
[admin]
: ft.: Voalohany, Inhibe, niavian'ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa. Ahitsio
Toa
[admin]
: ppk.: Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toaan-drainy — (Be maso toy ny rainy ity zaza ity). (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany -b) eo alohan'ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy -d) eo alohan'ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan'ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan'ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany, / Toy izao ny fandehan'i Fano kely. Ahitsio
To
[admin]
: na Toa a.: Teny enti-miantso ny alika. Ahitsio
To
[admin]
: Teny hita amin'ilay fitenenana hoe to fo, izay azo heveritra, araka ny filazandRamino, fa avy amin'ny hoe "tono fo", ka ny heviny dia: mafy fo ka tsy azo ahodina amin'izay nahatezitra azy, mikiribiby amin'ny heviny ary tsy mety hihavana na h{fampiraharaha. * Ohab.: Izay tsy miady oiom-bodo, fa izay to fo mpamosauy: enti-milaza fa tsy misy tsy miady afa-tsy ny zaza tsy manan-tsaina, fa rehefa vita ny fifanazavana, olondratsy (mpamosavy) izay mbola mitahiry hatezerana na manao an-dolompo. Ahitsio
To
[admin]
: p.t.: Marina,,mifanaraka amin'ny rariny sy ny hitsiny: Teny to. 1 Tanteraka: To ny faniriany fa afa-panadinana ny zanany ary nisondro-boninahitra izy. - t.i.f.: Tovina 1 mankato / ankatoavina 1 ankatoavana / fankatoavana / mahato. - Manao marina tsy to: mandainga. / Mahazo to: itokiana, mahatoky. / Mianiana tsy tes: manao fianianana tsy marina. Ahitsio
To-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa mampitombo ny hevitry ny fototeny voalohany: Tohika (hika), toletsy (letsy). Ahitsio
Tititre
[admin]
: a.: Ny fidridroky ny gorodona voahitsaka: Mampatahotra ahy izany tititran' ny gorodonao izany. i t, Cf.: Mitititra, fitititra. Ahitsio
Titina
[admin]
: (tity) mt. ih. (titio): Atao "ity, ity": Notitiny a-ho ka tezitra. Ahitsio
Titý
[admin]
: a.: Fanaovana olona hoe "ity, ity"; filazalazana matetika ny teny tsy manaja hoe "ity, ity". i tif: Titina / mitity, fitity, mpitity / ititiana, fititiana. Ahitsio