Teny nampidirina farany

Tete
[admin]
: a.: Rano pitiny kely mianjera mitsitaitaika ka boribory kely ny endriny (tsy fampiasa amin'izao io teny io, fa ny mt. mitete no entina misolo azy): Andraraho fanafody indimy mitete (fa tsy indimy tete) ity rano ity. i t.i.f.: Tetevana, atete, voatete, tafatete / manatete, fanatete, mpanatete / anatetevana, fanatetevana / mitete, fitete / itetevana, fitetevana / mahatete. Ahitsio
Tetamaso
[admin]
: a.: Ilay tataka kely eo an-joron'ny hodi-maso. Ahitsio
Teta
[admin]
: a.: Faritra amin'ny tenan' ny olombelona eo anelanelan'ny tendron'ny fe ambony sy ny vaniana, na ny kibo malemy. (Eo amin'ny tata mazàna no mpisy ny atodintariana). Ahitsio
Testamenta
[admin]
: (fr. testament) a.: Teny enti-milaza ny fizaran' ny Baiboly: ny testamenta taloha dia ny fizarana mitan-tara ny talohan'i Kristy ary ny testamenta vaovao, ny taty aorianany. Ahitsio
Tesontesona
[admin]
: p.t.: Tsy mahalala menatra, tsy valahara, be hambo, be ebo, basivava. - t.i.f.: Tafatesontesona / mitesontesona, fitesontesona, mpitesontesona / itesontesonana, fitesontesonana. Ahitsio
Tesaka
[admin]
: p.t.: Fisaka sady marivo aty. Ahitsio
Tesa
[admin]
: (ante aho alohanao) a.: Fitenin'ny Ntaolo antitrantitra amin'ny zafikeliny, toy ny fitsofan-drano azy ho ela velona. Ahitsio
Teronterona
[admin]
: a.: Fipetrahana amin'ny toerana avo, milingilingy; fipetrahana amin' ny toerana mihaja mora tazana; fipetrahana mininginingina amin'ny zavatra avo. - t.i.f.: Miteronterona, fiteronterona, mpiteronterona / iteronteronana, fiteronteronana / mahateronterona. Ahitsio
Terilatsy
[admin]
: a.: Rindrin-trano na-tao tamin'ny volo na zozoro izay nasiana sakany manapaka eny an-tenatenany mba hamatorana sy hampiraisana ny volo na ny zozoro milahatra mitsangana. ~ h.i: Ny trano misy rindrina tahaka izany. Ahitsio
Tery
[admin]
: p.t.: Tsy malalaka ka toyny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy. 1 Voageja azon'ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny uaiahako amin'ity akanjo ity. ~ Poritra: Terin'ny uahoho ny tanany. 1 h.o.: Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin'ny raharahany ny olona. / Terin'ny uolan'olona izy ka mamono tena miasa. ? a.: Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany. ~ Fanapotserana na famihinana ny tohatr'omby hivoahan'ny ronono: Ataouy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny (Oha b. ), - t.i.f.: Terena, atery, voatery, tinery / manery, fanery, mpanery / anerena, fanera-na / mitery, fitery, mpitery / iterena, fiterena / mahatery / teritery / miteritery. - F.-p.: An-katerena: ilazana toerana na lalana ety, na koa fifanizinana tsy ahafahana mihetsika tsara. / Tery hatoka: famoretana ny hatoka (jar. tery setra). / Tery helika: fomba fitafin'ny vehivavy ny lambany rehefa misaona: tsy asampina eny an-tsoroka ny tendron-damba fa asisika ao ambany helika. / Tery setra: fanaovana an-keriny sy angovy. / Tery tenda: kely ny lalan-kanina ao amin'ny tenda. / Tery tsoka: fanaovana izay hlvoahan'ny tsoka ao anaty taolana. / Tery vay manta: fiteny entimilaza fanerena tsy azo ihodivirana na angatahana andro; fampiasana fomba an-tery setra hahazoana izay lazaina. / Tery votsotra: entitnilaza ny olona adaladala izay mandritra ny ronon'omby tanteraka eo am-piterena. / Tery vozona: fanerena tsy araka ny sitrapo fa an-tery setra. / Tery azon-tery: ilazana fahasahiranana indroa misesy, fahavoazana miampy fahavoazana. / Tery mitovy tery: enti-milaza fanerena mitovy ny ilany sy andaniny, / Vady an-tery: fanambadiana tsy araka ny sitrapo. * Ohab.: Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany: enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. Ahitsio
Terena
[admin]
: (tery) mt. ih. (tereo): Potserina, fihinina: Notereko ny tanany ka nijafajafa izy. ? Atosika sady poretina: Mihisakisaha fa terenareo aho. ? Asaina manao tsy aralia ny sitrapo; vozonana; anaovana an-terisetra: Noterena mihitsy izy uao niaiky ny hadisoany. ? (tohatr'omby) Potserina, fihinina mba hivoahan'ny ronono: Noteren' Isambilo ilay ombivauin-dry zareo atsy avaratra. Tarit p. mt.: Teo no ho eo, indray mipy maso. Tarit p. mt.: Endriky ny p. mt. "er?" fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin'ny tanana: Ter? ambody hazo ter? no nahitan'ny fokonolona ny fatin y. Tarif p. mt.: Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty ter? ny anao bah y. Ahitsio
Teraka
[admin]
: mt.: Vao nivoaka ny kibon-dreniny ka manomboka miaina eto an-tany: Vao teraka, hono, io zaza io dia nitsiky. ¶ M.h.: Latsaka antany, foy (raha atodim-borona no lazaina). ~ Nandatsaka zaza avy ao an-kibo: Teraka halina Ramatoa Rasoa. 1 h. : Miseho, mitranga: Van teraka io lamaody io, dia nanao akanjo manas pe daholo ny sakam-bavy rehetra. / Teraka ny volana. I t.f.f.: Ateraka / miteraka, fiteraka, mpiteraka / iterahana, fiterahana / mahateraka. ? F.-p.: Tera-bao: ilazana ny vehivavy avy niteraka vao haingana. I Tera-bao filaza: filazan-javatra mampitombo na manitatra izaitsizy. / Tera-bitro: ilazana ny vehivavy miteraka matetika sady kely aizana. / Tera-ketsa: tera-bary kely sy mifanizina. / Tera-kovitra: mipararetra na noho ny hatsiaka na no-ho ny tahotra. / Tera-mena: mivoara mena ny tarehy no-ho ny hatezerana. / Tera-tay: ilazana ireo kanosa sy kabaosy. / Teraka ny volana: ilazana ny fiposahan'ny volana. * Ohab.: Terak'omby fahauaratra: sady lalao no harena: enti-milaza fifanontonanjavatra izay sady mahasoa no mahafinaritra. ~ M.h.: Ary, foy, mahita masoandro, vaky maso, foy elatra, latsaka an-tany. — Vao avy teraka, velombao, tera-bao, mifana. Misy heuitra ifandraisany: nitondra folo volana, mivadi-jaza, mihetsi-jaza, tonga andro, teraka alohan'ny fotoana, tsy ampy andro, tsy tonga volana, afa-jaza, tsy manao takalo kely, vaky manta, manao oty kely. Ahitsio
Tepo
[admin]
: sy Tepotepo a: Paipaika, dondbna matetika moramora, emponempona. - t.i.f.: Tafatepotepo /mitepotepo, fitepotepo, mpitepotepo / itepotepoana, fitepotepoana J mahatepotepo. Ahitsio
Tepany
[admin]
: a.: Sisiny ambony amin'ny pataloa manaraka ny fehikibony. Ahitsio
Teolojia
[admin]
: (fr. théologie) a.: Sampam-pahalalana ianarana momba ny fivavahana sy izay mikasika an'Andriamanitra, ny foto-pamplanaran'ny antokom-pinoana samihafa. Ahitsio
Teo
[admin]
: p. mt.: Endriky ny p. mt. "eo" ilazana ny lasa: Nipetraka teo anilan-drainy izy. Ahitsio
Tentona
[admin]
: Mitovy amin'ny Taintona. Ahitsio
Tentina
[admin]
: a.: Fanasiana loko zavatra iray hanapentimpentina azy; fihosorana menaka na ranon-javatra amin'ny tarehy; fanatsentsenana hirika na lavaka; fanampiana sy fanalehibeazana ny kely andilana. I t.if,: Tentenana, atentina, voatentina, tinentina J manentina, fanentina, mpanentina / anentenana, fanentenana/mitentina, fitentina, mpitentina / itentenana, fitentenana / mahatentina. Ahitsio
Tentimora
[admin]
: a.: Taniravo atentina ny handrin'ny marary ho fanafody. Ahitsio
Tentenana
[admin]
: (tentina) mt. ih. (tenteno): Asiana loko mitsitentitentina: Notentenany lako maitso ny efitrano fandriany. ? Tsentsenana: Tenteno savoka ity tauy ity fa mitete. 1 Ampiana, fenoina: Tsy misy madiiana hotentenana ny teninao. 1 Alana baraka: Notentenany vava ratsy aoka izany aho. Ahitsio