Teny nampidirina farany

Ramatra
[admin]
: a.: Kaikitra mafy amin'ny nify, ady ifanaovana misaritaka. - t.i.f.: Ramatana, voaramatra / mandramatra, fandramatra, mpandramatra 1 andramatana, fandramatana 1 maharamatra / ramadramatra, mifandramatra. Ahitsio
Ramatra
[admin]
: ft.: Fihaingoana, firavahana. - t.i.f.: Tafaramatra 1 miramatra, firamatra, mpiramatra I iramatana, firamatana j maharamatra 1 ramadramatra. Ahitsio
Ramatoa
[admin]
: a.: Teny ilazana ny zanakavavy voalohany: Raha nisakana Ramatoa, My ary ianao Raivo. ? Ampiasaina hilazana ny vehivavy vady andefimandry: Rangahy no tao an-trano fa ramatoa lasa niantsena ? Ilazana amimpanajana rahefa mety ho vehivavy, ka ampiasaina mandeha irery izy na miaraka amin'ny anaran'Bay olona: Tsy naharitra ilay Ramatoa ka lasa. Tonga ao Ramatoa Rasoa. ? Iantsoana ny vehivavy Iresahana: Aoka re, Ramatoa, fa azoko ny tianao holazaina. Ahitsio
Ramatana
[admin]
: (ramatra) mt. ih. (ramato): Kaikerina mafy amin'ny nify; iadiana. Ahitsio
Ramaramaina
[admin]
: (ramarama) mt. ih. (ramaramao): Haingoina mihoa-pampana. Ahitsio
Ramarama
[admin]
: a.: Fisasasasana, famindra avy dia misosososo. ? Fitondrana haingo maro be lafo vidy. - t.i.f.: Ramaramaina, tafaramarama, voaramarama / miramarama, firamarama, mpiramarama / iramaramana, firamaramana 1 maharamarama. Ahitsio
Ramanjerika
[admin]
: a.: Anaram-borona (Terpsiphone mutata). Ahitsio
Ramanjeona
[admin]
: a.: Anaram-borona (Nectarinia angladiana). Ahitsio
Ramanjavona
[admin]
: a.: Zavamaniry mandadina. Ahitsio
Ramangorona
[admin]
: a.: Biby be misambotra ary mandentika any anaty rano araka ny voalazan'ny angano. ? Zavamaniry madinika izay raha vao voatohina dia mihorona. ¶ M.h.: Mihoronkorona, modimodia, kelimanjakalanitra, ambatofotsikely. Ahitsio
Ramanga
[admin]
: a.: Tanimena atao fanafody maso. Ahitsio
Ramanenjana
[admin]
: a.: Anaran'aretina hafahafa mampienjika sy mampanao fihetsehana isankarazany, mitovy amin'ireo fantatra any anindran-tany amin'ny anarana hoe: aretinan drianan ahary, tromba, menabe, bilo. Ahitsio
Ramandraotra
[admin]
: a.: Anaram-panafody tranainy. Ahitsio
Ramanamango
[admin]
: a,: Anarana no-mena ny tangena ampiasaina amin'ny fampinomana. Ahitsio
Ramanakofa
[admin]
: a.: Hazo fanao ody farasisa. Ahitsio
Ramamonjy
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Ramaka
[admin]
: a.: Anaran'olo-nalaza fahiny ho mpandoro trano. * Fiten.: Nandalo Ramaka ka may ny tanàna. Ahitsio
Ramahavalia
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry fanao ody mosavy na vorika. Ahitsio
Ramadany
[admin]
: (ar. ramadana) a: Volana fahasivy amin'ny kalandrie miziolimanina ifadian'ny Silamo hanina, ka isan' andro hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, dia tsy mihinana na inona na inona izy ireo mandritra an'io iray volana io. Ahitsio
Raloba
[admin]
: a.: Karazana korintsana vita amin'ny sampan-drofia (baobao na bao fombo) norarina ho vata kely fisaka misy tahony efatra ihazonana azy; asiana voa madinika ao anatiny (ny any amin' ny faritany avaratra sy atsinanana ary Sainte-Marie no mampiasa azY). Ahitsio