Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misingana: (singana) mt. s. (misingàna): Mandeha irery. Ahitsio
Misingotra: (singotra) mt. s.: Voafatotra: Voafingan'ny fandrotrarana aho ka lavo, toy ny nisingotra iny ny tongotro. ? Voarain'ny tadivavarana, voan'ny amparapaingo: Nisingotra ilay uorona ka tsy afaka nikopoka. ? Sahirana mafy azon'ny: Misingotry ny volan'olona Rakoto. Ahitsio
Misintaka: (sintaka) mt. s. (misintaha): Miasaraka amin'ny vadiny, miala amin'ny tokantrano: Nisintaka Rasoa fa tsy tohany ny ataon'ny lahy. / Tsy afa-manambady hafa ny vehivavy nisintaka taloha raha tsy efa nisaoran-dralehilahy. Ahitsio
Misintona: (sintona) mt s. (misintona): Mihemotra (toy ny lamba sasany rehefa avy nosasana): Misintona ny lamba volonondry rehefa sasana. Mihena (toy ny rano tondra-ka rehefa lasa ny orana): Tsy ela dia nisintona ny rano. ~ Mikainkona: Nisintona ny hozany. Ahitsio
Misionera: (fr. missionnaire) a,: Mpitondra fivavahana alefa any an-tany hafa hampianatra sy hitory ny finoany. Ahitsio
Misiontsiona: (siontsiona) mt. s.: Mivezivezy ats? sy arg, ? Mandeha somary menamenatra fa tsy tanteraka ny nokasaina: Lasa ny anao nisiontsiona irery nody. Ahitsio
Misisika: (sisika) mt. s. (misisiha): Miditra, mitsofoka, milatsaka: Misisika amin'izao raharaha rehetra izaa Rangahy io. ~ Mitsofoka amim-pahakingana: Nisisika tao ampovoan'ny vahoaka ny anao lahy ka tsy hita. - Manao ditra hitsofoka, manao izay hidirana: Nosakanana izy nefa nisisika tao antrano ihany. 1 Mitsofoka tsy hita akory, tsy nampoizina: Nisy vola roanjato nisisika tao anaty boky. Ahitsio
Misisy: (sisy) mt. s. na p.t.: Mikiky: Nisy voalavo nisisy an'ity mofo ity. ? Manitsy hazo fisaka amin'ny famaky, (tany) amin'ny angady: Dia tsy hahay hisisy hazo ve ianao? ? Mahitsy, tsy mivaona: Hazo fisaka efa misisy io. Ahitsio
Misitisity: (sitisity) mt. s. na p. t. (misitisitia): Mandeha miridiridy, mitikintikina, kevokevoka. Ahitsio
Misitra: (isitra) mt. s. (misira): Mandà tsy hanao na mampiseho tsy fahafaliana, ka milaza hoe "isitra": Aza misitra eo, ry Ikoto, fa mandehana haingana rehefa irahina. Ahitsio
Misitraka: (sitraka) mt. s.: Mihaika, mihatsy namana hiady ka manddna azy kèly amin'ny tongotra ary manao hoe: "sitraka". Ahitsio
Misitrika: (sitrika) mt. s. (misitriha): Milentika: Vonjeo fa nisitrika irY lakana. 1 Miditra, mitsofoka lalina: Nisitrika tany anaty ala tany izy. ? Miery, miafina ao anaty zavatra: Nisitrika tao an-trano izy ka tsy hitan'ny polisy. ¶ M.h.: Mifonoka. Ahitsio
Misivana: (sivana) mt. s.: Mandalo amin'ny sivana: Efa nisivana ve ity lafarinina ity? Ahitsio
Misivy: (sivy) mt. s. (misivia): Mizara sivy. Ahitsio
Miso: (t. tr.) a.: Didy, lalàna: "Raha misy mandika ny miso napetraka, lavinay ambanilanitra ka matinay" (Tokim-panompoana fanao tamin'ny andron-dRanavalona reniny). Ahitsio
Miso: a.: Jer. Meso. Ahitsio
Misoaka: (soaka) mt. s. (misoaha): Misolo, mandimby toerana olona. Ahitsio
Misobilaitra: (sobilaitra) mt. s.: Misolifaka, diso kely. Ahitsio
Misobilaka: (sobilaka) p.t.: Mivaona, mivilana. Ahitsio
Misobilatra: (sobilatra) p.t.: Misompirana, misolila: Misobilatra ity hazofisaka ity. Ahitsio