Teny nampidirina farany

Sinetroka
[admin]
: (setroka) mt. ih, misy tsofoka in: Setrohana, donafana amin'ny setroka: Nosinetroky ny ankizy ilay vahiny. Ahitsio
Sinetry
[admin]
: (setry) mt, ih, misy tsofoka in: Voasetry, setrena; valiana: Tsy natahotra velively izy fa nosinetrany daholo ny teny nataon'ny mpitory azy. Ahitsio
Sinatra
[admin]
: (setra) mt. ih, misy tsofoka in: Voasetra, setraina, toherina: Nosinetran'ny miaramila tamin-kerimpo ny famelezan'ny fahavalo. Ahitsio
Sinesika
[admin]
: (sesika) mt. ih misy tsofoka in: Voasesika, sesehana, sesefana: Nosinesiny mofo ny zanany. Ahitsio
Sinerana
[admin]
: (serana) mt.ih. misy tsofoka in: Voaserana, seranina, lalovana haingana: Nosineran'ny rivo-doza ny tanĂ nanay ka nahasimbana bebe ihany. Ahitsio
Sinendrasendra
[admin]
: (sendrasendra) mt. ih. misy tsofoka in: Sendrasendraina, sam basam bai-na. Ahitsio
Sinendaka
[admin]
: (sendaka) mt. ih. misy tsofoka in:Endahana. Ahitsio
Sinempotra
[admin]
: (sempotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasempotra, semporina: Sinempotry ny setroka ity zaza ity. Ahitsio
Sinema
[admin]
: (fr. cinéma) a.: Fakana sary zavatra na olona mihetsika asnin'ny bandy atao hoe filma izay ampidirina amin'ny fitaovana manokana ka mamoaka indray ilay sary sy feo nalaina; sarimihetsika. Ahitsio
Sinelontselona
[admin]
: (selontselona) mt. ih. misy tsofoka in: Seranina, lalovana haingana: Mahamenatra ny nataonao, anaka, fa nosinelontselonao ny vahiny. Ahitsio
Sinelisely
[admin]
: (selisely) rat. th. misy tsofoka in: Voaselisely, seliselena, voahelingelina, helingelenina: Nosineliseliny rainy raha niasa. Ahitsio
Sinelaka
[admin]
: (selaka) mt, ih. misy tsofoka in: Voaselaka, selahina, endahana isan'elakelany. Ahitsio
Sindaka
[admin]
: ft.: Fihatahana, fisarahana amin'ny maso der. Sendaka). - t.i.f.: Sindahana, asindaka, tafasindaka / misindaka, fisindaka, mpisindaka / isindahana, fisindahana. Ahitsio
Sindahana
[admin]
: Asindaka (sindaka) mt. ih. (sindaho, asindaho): Sarahina, ahataka amin'ny maso. Ahitsio
Sinda
[admin]
: ft.: Fialana manalavitra, fihatahana. i t.if.: Asinda, voasinda / maninda, faninda, mpaninda / anindana, fanindana / misinda, fisinda, mpisinda / isindana, fisindana / mahasinda / sindasinda. Ahitsio
Sinazoka
[admin]
: (sazoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasazoka, a-laina tsy an-drariny: Nosinazok'ilay olona ny tranony. Ahitsio
Sinazy
[admin]
: (sazy) mt. ih. misy tsofoka in: Voasazy, sazina, faizina: Nosinazy ariary zato ilay mpangalatra. Ahitsio
Sinava
[admin]
: (sava) mt ih, misy tsofoka in: 1) Voasava, savaina, zahana ao anaty zavatra: Nosinava tao anaty ahitra ny peratro no hita. 2) Hadina, diovina: Nosinava ny lalana sao latsaka teny ilay vola. Ahitsio
Sinatroka
[admin]
: (satroka) mt. ih, misy tsofoka in: Satrohina, os mena satroka: Nahery ny masoandro ka nosinatrony haingana ilay zaza. Ahitsio
Sinaso
[admin]
: (saso) mt. ih, misy tsofoka in: Voasaso, tambatambazana, kolikolena, saroroina, fitahina amin-kafetsena: Nosinasony teo ilay olona dia nanaiky. Ahitsio