Teny nampidirina farany

Sanda
[admin]
: a.: Jola na zavatra omena ho fanampiny amin'ny takalo ifanaovana raha ohatra ka tsy mitovy vidy ireo zavatra roa ifanakalozana; tamby; amboniny: Inona no sanda homenao ahy raha hatakaloko an'iny satrokao efa tontatonta iny ity uao novidiko tsy tiako volo ity? * t.i.f.: Sandana, asanda, voasanda, sinanda 1 mananda, fananda, mpananda / anandana, fanandana / misanda, fisanda, mpisanda / isandana, fisandana / mahasanda / sandasanda. * F.-p.: Sandam-bola: vidy na lanjan'ny vola: Nitombo hatrany ny sandan'ny dollar tato ho ato. Ahitsio
Sanatrina
[admin]
: (sanatry) mt. ih. (sanatrio): (fanahy ratsy) Roahina amin'ny sanatry. Ahitsio
Sanatriavina
[admin]
: (sanatria) mt. ih. (sanatriavo): Lavina mafy amin'ny filazana hoe "Sana-tria". ? Enti-milaza zavatra ratsy sambasambaina ho avy: Sanatriauina hoe ho faty ianao rahariva, inona no mba ataonao izao? Ahitsio
Sanatria
[admin]
: t.p.: Teny enti-milaza fandavana mafy dia mafy; na oviana na oviana, "tsia dia tsia": Izaho ve no hanao tsikombakomba? sanatria! ? Fady: Sanatria ahy ny hivarotra ny marina. ? Ohatrohatra, kanefa tsy irina velively ny hahatanterahan'izany: Sanatria, hono, na sanatria sanatria ka maty i dadabe. - t.i.f.: Sanatriavina. - F,-p.: Sanatrian'ny uaua: teny enti-mandà mafy zavatra atao ohatrohatra fotsiny: Tsy misy maniry izay hisarahan'ireto zaza ireto akory isika mianakauy, sanatrian'ny uaua. Inona no hatao raha sanatria ka maty alohan'ny uauy ny lahy? Ahitsio
Sanatry
[admin]
: a.: Ody fandroahana ny fanahy ratsy, izay heverina ho manabataba ny marary na manao ankasomparana (matetika no vakin-javatra na tavilotra misoratsoratra no ampiasain'ny mpanao fanafody ataony sanatry). • tif,: Sanatrina, voasanatry 1 mananatry. Ahitsio
Sanatry
[admin]
: a.: Hazo madinidinika fanaon'ny olona ody kohaka sy tambavin-jaza (Cassia lauigata). Ahitsio
Sanasanaina
[admin]
: (sanasana) mt. ih. (sanasanao): Sokafana be. Ahitsio
Sanasana
[admin]
: a.: Toetran'ny vava misokatra be. - t.i.f. : Sanasanaina, asana-sana, voasanasana, tafasanasana 1 manasanasana, fanasanasana, mpanasanasana / anasanasanana, fanasanasanana / misanasana, fisanasana, mpisanasana / isanasanana, fisanasanana / mahasanasana. Ahitsio
Sanàna
[admin]
: p. t.: Ketrina, mitandrantandrana, fondrana. Ahitsio
Sanàka
[admin]
: p. t. : Enti-milaza vava misokatra na mitanatana, toy ny an'olona iray mitolagaga na midonàka. - t.i.f.: Asanàka / misanàka, fisanàka, mpisanàka. Ahitsio
Sana
[admin]
: a.: Karazan-kazo fanao trano (Eloeocarpus). Ahitsio
San-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa manamafy ny hevitry ny fototeny tsotra voalohany: Sangodina (hodina), sangazona (hazona). Ahitsio
Sampotina
[admin]
: a.: Fisaritahan-javatra, fandehanan-javatra (toy ny rivotra na rano...) tsy milamina, sady tsy mandroso hatrany fa miverina indray. - t.i.f.: Asampotina, voasampotina, tafasampotina / manasampotina, fanasamPotina, mpanasampotina 1 anasampotenana, fanasampotenana / misampotina, fisampotina, mpisampotina I isampotenana, fisampotenana 1 mahasampotina / sampotimpotina. Ahitsio
Samponana
[admin]
: (sampona) mt. ih.: Sakanana, tohanana: Nikasa handeha ho any Toamasina aho omaly saingy nosamponan'ny aretin'i neny. Ahitsio
Sampona
[admin]
: a.: Zavatra na olona manana toetra tsy araka ny hita andavanandro fa hafahafa: Trondro sampona. ? Zavatra sendra miseho na tonga ka misakana tsy hanatanteraka izay efa nokasaina hatao; sakana: Ho tonga aho raha tsy misy sampona. ? p.t.: Voasakana, voatana: Sampona ny diany. / Sampon'ny fahafatesan-dreniny izy ka tsy tonga. - t.i.f.: Samponana, asampona, voasampona / mahasampona / manampontsamPona, fanampontsampona, mpanampontsampona / anampontsamPonana, fanampontsamponana. - F.-p.: Sampon-jauatra: zavatra hafahafa tsy araka izay fahita andavanandro. / Sampon'olona: olona mahatahotra sy ratsy bika ary mahadikidiky. / Mamoa-tsampona: (zavatra na olona) miteraka loza sy fahasahiranana tsy ampoizina noho ny fisehoany. / Manangan-tsampona: miteraka fahasahiranana tampoka, toy ny resaka na tsaho mampihorohoro sy mampitebiteby. Ahitsio
Sampivony
[admin]
: a.: Ilazana ny olona miteraka lahy sy vavy mifandimbindimby hatrany: Manao sampivony. Ahitsio
Sampivato
[admin]
: a.: Vahy mandadina misy matsilotsilo ny raviny. Ahitsio
Sampina
[admin]
: a.: Ilazana ny fomba fanipy ny lanin'ny lamba tafina ho eo ambony soroka: Sampin-kau?a. - t.i.f.: Asampina, voasampina, tafasampina / manasampina, fanasampina, mpanasampina / anasampinana, fanasampinana / misampina, fisampina, mpisampina / isampinana, fisampinana / mahasampina / sampintsampina. Ahitsio
Sampilahy
[admin]
: a.: Firavaka voahangy izay asampy ohatra ny samboady ny fitondra azy. Ahitsio
Sampibe
[admin]
: a.: Ilazana ny olona miteraka lahy betsaka ary vavy vitsy, na vavy betsaka ary lahy vitsy. Ahitsio