Teny nampidirina farany

Sany
[admin]
: (t.tr.) ppt. Teh.: Mandritra ny, dieny: Mianara sany mbola manam-potoana ianao. Ahitsio
Sangotra
[admin]
: a.: Fiotazana ny vary tsy miaraka fa arakaraka ny fahamasahany ka tsongoina amin'ny tanana na tapahina amin'ny antsy ny salohiny izay masaka. * t.i.f.: Sangorina, voasangotra / misangotra, fisangotra, mpisangotra / isangorana, fisangorana. Ahitsio
Sangorina
[admin]
: (sangotra) mt. ih. (sangorio) : (vary) Otazana ka ny salohy masaka no tapahina. Ahitsio
Sangongo
[admin]
: a.: Fitangoronana maro be (toy ny zanak'akoho na ny ankizy manodidina an-dreniny, na ny andiantantely), vangongo. ? Antontan-javatra. ? Ireo kitro fahita amin'ny soroky ny mpilanja filanjana. - t.i.f. : Asangongo, voasangongo, tafasangongo / misangongo, fisangongo, mpisangongo / isangongoana, fisangongoana. Ahitsio
Sangoeja
[admin]
: a.: Parapaingo tsy ahafahana mihetsi-mahery. ? Sampona tsy azo ialana. ? Vatom-panorona izay tsy maintsy lanin'ny ankilany rehefa avy nihinana. - t.i.f.: Misangoeja, fisangoeja, mpisangoeja / isangoejana, fisangoejana. Ahitsio
Sangodinina
[admin]
: (sangodina) mt. ih. (sangodino): Hodidinina: Nosangod in in ' n y fahauaio ny tond na. Ahitsio
Sangodina
[admin]
: a.: Tandrimo. ? Fihodinana. Fihodinkodinana eo an-toerana ihany. - t.i.f• : Sangodinina, asangodina, voasangodina, tafasangodina / manasangodina, fanasangodina, mpanasangodina / anasangodinana, fanasangodinana / misangodina, fisangodina, mpisangodina / isangodinana, fisangodinana / mahasangodina / sangodingodina. Ahitsio
Sangoa
[admin]
: ppt feh.: Fandrao, sao. Ahitsio
Sangina
[admin]
: (sangy) mt. ih. (sangio): Anaovana kivazivazy, lalaovina: Nosangin'Ikoto ny zandriny dia nitomany. ? Hetraketrahina, sorisorenina: Sangin'Isambilo foana ny zanako ka tsy nety nianatra intsony. ? Kasikasihina ho mari-pisakaizana tafahoatra: Henoko fa sangin'ialahy i Soa zanako; atsaharo izany! Ahitsio
Sangy
[admin]
: p. mt.: Saingy, fangy. Ahitsio
Sangy
[admin]
: na Sangisangy a.: Tsilalao na kivazivazy atao amin' ny teny na amin'ny fihetsika ho mariky ny fisarihana amin'ny olona mifankazatra amin'ny tena. * t.i.f•: Sangina, asangy, voasangy, sinangy / misangy, fisangy, mpisangy 1 isangiana fisanglana / mahasangy / sangisangy. - F.-p.: Sangisangy zary tenâny: tsilalao na kivazivazY mila hivadika ho tena zavatra. / Sangy mahery: fifamelezana toa kilalao, nefa toa mila hivadika ho ady noho ny fahamafisany mahery vaika. / Sangy ratsy: voso-dratsy, izany hoe zavatra atao toa kivazivazy nefa tsy tsara. ¶ M.h.: Kihaihay, kiniania. / Sangy mihoatra ny Io-ha: kivazivazy mihoa-pampana ka manjary mahavoafady. Ahitsio
Sangerina
[admin]
: ft.: Fahalasanana sy fiverenana indray; fihodinkodinana eo amin'izay tany nialana; tamberina. * t.i.f. : Asangerina, tafasangerina / manasangerina, fanasangerina, mpanasangerina / anasangerenana, fanasangerenana / misangerina, fisangerina, mpisangerina / isangerenana, fisangerenana / mahasangerina / sangeringerina. Ahitsio
Sangeloka
[admin]
: a.: Hafahafa, zavatra tsy fahita, fomba miangentsana. * t.i.f.: Misangeloka, fisangeloka, mpisangeloka / isangelohana, fisangelohana / mahasangeloka / sangelongeloka. Ahitsio
Sangazotra
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Sangazona. Ahitsio
Sangazonina
[admin]
: (sangazona) mt. ih. (sangazony): Sarangotina, raisina hamikirana: Io hazo io sangazonina mba tsy hianjera ianao. Ahitsio
Sangazona
[admin]
: a.: Famikirana amin'izay voaray, fandrangotana amin'izay azo ifikirana. - t.i.f. : Sangazonina, asangazona, voasangazona, tafasangazona / manasangazona, fanasangazona, mpanasangazona / anasangazonana, fanasangazonana / misangazona, fisangazona, mpisangazona / isangazonana, fisangazonana / mahasangazona. Ahitsio
Sangasanganankoholahy
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Sangasanganandevolahy
[admin]
: a.: Karazana kiranjay, mitapelaka be ny raviny ary fanao ody kohaka sy tambavy ny ranony. Ahitsio
Sangasanga
[admin]
: a.: Enti-milaza zavatra izay ny lohany na tandrony no tazana er? lavitra. i t.i.f : Asangasanga/ manangasanga, fanangasanga/ anangasangana, fanangasangana 1 misangasanga. Ahitsio
Sangarotra
[admin]
: a.: Fitadiavana izay hamikirana, mitovy amin'ny Sarangotra. Ahitsio