Teny nampidirina farany

Sampy
[admin]
: a.: Tany am-boalohany, fanafody nofonosina tapa-damba dia nasiana tady randrana lavalava mba hahazoana "misampina" azy, ka ny nikendren'ny ntaolo azy tamin'izany dia ny hiaro amin'ny valan'aretina toy ny sery, kohaka, aretin'andoha. - Taty aoriana, zavatra (tapakazo) natao fitokiana sy hianteherana ka nivavahana: Ikelimalaza no nalaza indrindra tamin'ireo sampin'andriana. ? Fisaviliana amin-javatra hafa. - t.i.f•: Sampazana, asampy, voasampy, tafasamPY / manasampy, fanasampy, mpanasampy 1 anasampazana, fanasampazana / misampy, fisampy, mpisampy 1 isampiana, fisampiana, na isampazana, fisampazana / mahasampy I sampisampy / an-tsampY• Ahitsio
Sampazana
[admin]
: (sampy) mt, pdr-(sampazo): Enti-milaza ny zavatra ametrahan-javatra misampy na misavily:Nosampazana tady randrana lavalaua ny uozony. Ahitsio
Sampanteny
[admin]
: a.: Ireo teny rehetra avy amin'ny fototeny iray, azo tamin'ny alalan' ny tovona, tovana ary tsofoka. Oh.: Sitranina, sampanteny avy amin'ny ft. sitrana, manenona (ft. tenona), vinidy (ft. vidy), tomaratra (ft. taratra). Ahitsio
Sampanana
[admin]
: Sampanina (sampana) mt. ih. (sampano): Rantsanana: Andeha sampano itsy hazo itsy hirobona rehefa fahavaratra. ? h.o.: Sahanina: Aiza moa no hahombiazany? asa telo amana efatra no sampaniny. Ahitsio
Sampaina
[admin]
: (fr. champagne) a.: Karazan-divay ambony mamorivory ataon'ny olona fisotro amin'ny andro iray. Ahitsio
Sampaho
[admin]
: a.: Ny taho kelin' ny hazo misy ny voa; ny voankazo miraikitra amin'io ta-ho kely io: Tarafo ny rano fa ho hitanao ao /Ny nakako voahirana indray maka izay, / Ka tsarovy ny teny nataoko aminao / Raha nanolotra anao ny sampahony iray. (Ratsimiseta) Ahitsio
Samotaka
[admin]
: Fihasimban'ny somotaka ara-panononana. Ahitsio
Samotady
[admin]
: Mitovy amin'ny Antsamotady (jer. ?o teny io). Ahitsio
Samosina
[admin]
: (samosy) mt. ih. (samosio): Atao miadana, lalorina. Ahitsio
Samosy
[admin]
: a.: Miadana fanao raharaha, mitaredretra: Samosy lava io mpianatra io. ? Mitarozaka: Samosy ny raharahantsika izany. * t.i.f.: Samosina, voasamosy, tafasamosy / misamosy, fisamosy, / mahasamosy / sa-m osim osy. Ahitsio
Samontitra
[admin]
: na Samontotra a.: Fahatezerana feno fisafoahana, haromotana. * tif,: Tafasamontitra / misamontitra, fisamontitra, mpisamontitra / isamonterana, fisamonterana / mahasamontitra / samontimontitra. Ahitsio
Samonta
[admin]
: a.: Fisondrotan'ny ranon'ny ranomasina arapotoana isan'andro amin'ny toerana iray. Ahitsio
Samonina
[admin]
: a.: Monomonona na ngonongonona noho ny hasosorana na hatezerana. ? Ny firimorimon'ny fihodinan' ny milina. ? Ny feo heno amin'ny fanidinan'ny tantely. * t.i.f. : Misamonina, fisamonina, mpisamon?na / mahasamonina / samonimonina. Ahitsio
Samokimoky
[admin]
: Mitovy amin' ny Mokimoky. Ahitsio
Samoina
[admin]
: a.: Bibikely miofo ho lolo avy amin'ny bibintsaonjo na bibimbomanga na olimpanjehy;manana fantsona la-va mety mihorongorona eo ambony vavany ny samoina, izay fitsentsefany ny rano mamy ao anatin'ny voninkazo (tsahivina fa ny samoin' ny bibindandy dia atao hoe soherina no anarany). - t.i.f.: Misamoina, sy misamoimoina, fisamoina, mpisamoina / isamoinana, fisamoinana / mahasamoina. Ahitsio
Samisamy
[admin]
: a.: Anaram-bakana. Ahitsio
Samily
[admin]
: (angl. assembly) a.: Fiantsoana ny miaramila mba hiangona amin'ny toerana iray, amin'ny alalan'ny bingona na ny amponga. Ahitsio
Samihafa
[admin]
: p. t. : Isan-karazany: Voaravaka voninkazo samihafa ny Lapan'ny tanàna fa fety ny andro (tsy tokony hafangaro amin'ny "samy hafa" izay "tsy mitovy" no heviny, jar. Samy). Ahitsio
Samy
[admin]
: p.ml. (samia): Mpisolo anarana malala-kevitra fametraka eo alohan'ny matoanteny na mpamaritra milaza toetra ka ny heviny dia hoe: rehetra ary tsirairay: Samy naka boky telo avy izy mirahauauy. / Samy tsara ny raozy sy ny lisy. - Samy hafa: tsy mitovy: Samy hafa ny raozy sy ny lisy (tsara homarihina fa mitovy firafitra amin'ny ohatra er? ambony samy tsara ny raozy sy ny lisy, ny hoe "samy hafa" eto, fa raha "isan-karazany" kosa no heviny, mpamaritra anarana milaza toetra izy amin'izay, ka soratana atao teny iray: "samihafa"; jar. io), Ahitsio
Sambotra
[admin]
: a.: Fanenjehana sy fakana olona na biby mande-ha mafy. ? Fandraisana, fitazonana ny olon-dratsy nahavita heloka. • Babo azo amin'ny ady: Nisy hatramin' ny dimampolo ny sambotra azo. ? Findramana vola na zavatra mbola haverina na honerana. - t.i.f.: Samborina, asambotra, voasambotra/ manambotra, fanambotra, mpanambotra 1 anamborana, fanamborana / misambotra, fisambotra, mpisambotra / isamborana, fisamborana / mahasambotra / sambotsambotra. - F.-p.: Sambo-belona: ilazana ireo olona voababo an'ady. / Sambo-miondrika: entimilaza ny olona mpisambobola ka mamerina latsaka noho izay nosamboriny. / Sambo-taho: fisamborana olona vonjy maika hanao raharaha na fanompoana. / Sambo-tanana: famaboana amin'ny herin-tsandry fotsiny.. * Ohab.: Sambo-balala mai-na andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso: enti-milaza fa azo atao amin' ny andro hafa izay manahirana anio, fa manova zavatra ny fotoana. Ahitsio