Teny nampidirina farany

Saosisy
[admin]
: (fr, saucisse) a.: Hena voatoto asesika ao anaty fonon-tsinain-kena. Ahitsio
Saosety
[admin]
: na Sosoty (fr. chou-choute) a.: Karazan-javamaniry misy voany lehibe fihinana atao fangaron-daoka tsara. Ahitsio
Saosao
[admin]
: a.: 1) Toetran'ny zavatra tsy malamalama fa misy marokoroko na maraorao. 2) Feo heno amin'ny fikasokasoky ny lamba henjankenjana. 3) Fihinanana hanina haingana, an-kisesy. - t.i.f.= Misaosao, fisaosao, mpisaosao / masaosao. Ahitsio
Saonjondrano
[admin]
: na Saonjorano a.: Karazan-tsaonjo tsy fihinana ny vodiny fa ny ravinY kosa — izay tena atao hoe horirika — dia fanao fangaron-daoka. Ahitsio
Saonjo
[admin]
: a.: Zavamaniry fihinambody izay mafotrafotra tsara tsiro ("tafondro miandry tsena" no anaram-bosotra omen'ny olona ny saonjo raha eny an-tsena amin'izato bikany boribory lavalava miendrika tafondro tokoa rehefa mitandahatra). Misy karazany roa lehibe ny saonjo, dia: a) ny saonjo mamy, izay kelikely malamalama sy mamimamy, ary b) ny saonjo ramandady, izay mafotrafotra nefa tsara tsiro. * F.-p.:Manao saonjo mihoatra akondro: enti-milaza ireo ambany na zandry mitady hihoatra ny ambony na zok?ny. / Manao fatra-tsaonjo: misesika be amin'ny toerana iray. * Ohab.: Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara: enti-milaza fa amin'ny olona maro iray fifehezana, tsy maintsy misy maningana tsizarizary na tsy vanombanona. ¶ M. h.: Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra. Tanàna tsy ilaozan'adala. Ahitsio
Saona
[admin]
: a.: Fanehoana mariky ny alahelo amin'ny famoizana havana nodimandry: Tsy mbola afa-tsaona andrainy izy. - t.i.f.: Misaona, fisaona, mpisaona / isaonana, fisaonana / mahasaona. * F.-p.: Afa-tsaona: tsy misaona intsony. / Miala saona: mamela ny akanjo mari-pisaonana. Ahitsio
Saomaka
[admin]
: a.: Fihasimban'ny Somaka. Ahitsio
fandrao
[admin]
: ppt. feh.: Sao dia, andrao, fandrao. Ahitsio
Saoka
[admin]
: a.: Ny eo ambanin'ny molotra ambany; saomaka. * F,-p,: Ambany saokan'ny hendry: enti-milaza olona manaraka fianarana na miara-miaina amin'ny hendry, ka tonga hendry koa. Ahitsio
Saoka
[admin]
: a.: Lamba anampy ny akanjo amin'ny faritra sasantsasany hanalehibe azy; safiny. è t. f, f.: Saohana, asaoka, voasaoka / manasaoka, fanasaoka, mpanasaoka / anasaohana, fanasaohana / misaoka, fisaoka, mpisaoka / mahasaoka. * F.-p,: Kibo saoky ny nahiny: voky araka ny sitrapony, voa araka ny sitrapony ihany. Ahitsio
Saohana
[admin]
: (saoka) mt. ih. (saohy): Enti-milaza ny akanjo ampiana saoka: Saohy iny akanjonao iny fa somary teritery eo amin'ny ualahany. Ahitsio
Saofa
[admin]
: (fr. sofa) a.: Seza misy fipetrahan-tsandry an-daniny roa. Ahitsio
Saodiera
[admin]
: (fr. chaudière) a.: Fitaovana vy fitanehana rano ho an'ny masinina na fahandroan-tsakafo. Ahitsio
Saobakaka
[admin]
: a.: Biby mitovitovy amin'ny sahona saingy izy lehibe, ary ny hodiny mivotrovotro; fatra-pisambotra bibikely hohaniny ny saobakaka ka noho izany heverina ho biby mahasoa. Ahitsio
Sao
[admin]
: ppt. feh.: Atao mba hampitohy fehezan-kevitra roa ka ny faharoa: a) milaza zavatra atahorana na ahina: Matahotra aho sao maninomaninona i zoky any lauitra any. / Manahy izy sao nisy mpangalatra tafiditra tao antranony; b) na milaza zavatra kendrena tsy ho tanteraka, mitovy hevitra amin'ny "mba tsy": Nioua akanjo izy sao fantatry ny ao an-tanana. ¶ M. h.: Ndrao, fandrao, fandroa, sangoa, ngoa dia. ? Azo ampiasaina tsy hampitohy fehezan-kevitra roa miharihary koa anefa ny "sao", fa manomboka fehezanteny ka mety ho ilay (b) etsy ambony ihany izy amin' izay fa mifamadi-toerana fotsiny: Sao tratran'ny fahaualo eto isika, fa andeha handositra, na koa enti-milaza fampitandremana: Sao heuerinao ho tsy mahalala ny toetranao aho, na faminavinana; Sao mbola mba mahita ihany ny masonao fa tsaboy tsara. Ahitsio
Santionany
[admin]
: (fr. échantillon) a.: Sombiny kely, tapiny: Vao santionany uitsiuitsy mialoha lalana fotsiny amin'ny ualala izao hitantsika izao. / Santionany amin'ny haratsiany izao asehoko anao izao. Ahitsio
Santima
[admin]
: (fr. centime) a.: Ampahazaton'ny iraimbilanja: Dirny santima no varifitoventy. Ahitsio
Santatra
[admin]
: a.: Voaloham-bokatra: Santa-bary. ? Voalohany amin'ny zavatra atao, fiandohana: Atolotro anao ny santatry ny asako. ? Fanaovana na fihinanana zavatra amin' ny voalohany. * t.i.f. : Santarana, asantatra, voasantatra / manantatra, fanantatra, mpanantatra / anantarana, fanantarana / misantatra, fisantatra, mpisantatra / isantarana, fisantarana/ mahasantatra / santatsantatra. * Ohab.: Santatra am-bava rano fa ny manetsa be mbola ho avy: enti-milaza fa mbola kely sy tsotsotra ny vita amin'izao fotoana izao (asa na lanonana na zavatra ha-fa), fa mampanantena fa ny any aoriana mbola ho be sy tsara lavitra. Ahitsio
Santarana
[admin]
: (santatra) mt. ih. (santaro): Atao na hanina vao voalohany: Santaro kely itony uarialohanay, ry Dadatoa a! Ahitsio
Sanka
[admin]
: (Ski) a.: Aretina vokatry ny tety mamely amin'ny loha sy mandoaka orona. Ahitsio