Teny nampidirina farany

Sarihana
[admin]
: (sarika) mt. ih. (sari-ho) : Alaina sintonina. - F.-p.: Vata sarihana na Vatasarihana: karazana vatakely narafitra hifampiditra amin'ny latabatra na lalimoara, ka azo sarihana na sintonina araka izay itiavana azy. Ahitsio
Sarifilanelina
[admin]
: a.: Enti-milaza lamba izay kofehy volonondry ny tenany ary kofehy landihazo kosa ny fahany. Ahitsio
Saridiseza
[admin]
: (fr. lambrissage) a.: Ny haao arafitra manaraka ny sisin-gorodona sy ny rindrina. Ahitsio
Saridinina
[admin]
: (fr. sardine) a.: Karazan-trondro madinika fahita amin'ny ranomasin'i Mediteranea, izay mivelona manao andiany miara-dia maro be. (Tehirizina amin'ny diloilo anaty boaty vifotsy ny sardinina ka tonga laoka matsiro fatratra). Ahitsio
Saribo
[admin]
: a.: Fantara. Ahitsio
Saribakoly
[admin]
: a.: Sariolona izay matetika vita amin'ny bakoly, ka ataon'ny ankizivavy kely kilalao kizanajanaka. Ahitsio
Sariaka
[admin]
: na Sariadriaka p.t.: Falifaly lava, tia resaka sy mitsikitsiky: 0lona sariaka iny namanao iny ka mahafinaritra ny miaraka aminy. - t.i.f•: Tafasariaka / misariaka, fisariaka, mpisariaka I mahasariaka. Ahitsio
Sary
[admin]
: ft.: Asa ataon'izay misa-fo na mitsapa zavatra na toetran'olona amin'ny fanaovana an-tsafelika. - t.i.f.: Sarina, voasary / misary, fisary, mpisary / isariana, fisariana I mahasarY 1 sarisary. Ahitsio
Sary
[admin]
: a.: Fakan-tahaka zavatra anankiray amin'ny soritsoritra misy loko na tsia, izay sahala mifandraika amin'ilay zavatra: Misy sarin'ny trano fianaranay ato amin'ity boky ity. - t.i.f.: Misary. • F.-p.: Maka sary: fanaovana sary na soratsoratra mifandraika amin'ny zavatra iray; na mampiasa ny fakantsary. / Sarim-bauy: lehilahy manao ny fombafomban'ny vehivavy, na eo amin'nY fitafiana amam-pihetsika na eo amin'ny fiteny amam-Panao. j Sarin-dahy: vehivavy manao ny fombafomban'ny lehilahy, na eo amin'ny fitafiana amam-pihetsika na eo amin'nY fiteny amam-Panao. $ar / Sari-monina: ilazana ireo vahiny efa mitoetra maharitra eo amin'ny vohitra iray. / Sarin-dokotra: ilazana ny zanaky ny dokotra sy ny ganagana; anambarana koa ny zanaky ny olona roa samy hafa firenena (safiotra). / Sarin-domano: fanaovana fihetsika toy ny milomano; ilazana koa ny hafetsena sy olakolaka entina mitana amin' ny famotorana. / Sari-ngita: volo namboarina sy naolana ho toy ny ngita. / Sarintany: ny sarin'ny tany natao amin' ny tsipika manaradrefy. Ahitsio
Sarety
[admin]
: (fr. charrette) a.: Kalesy tarihin'ny olona (saretintanana) na tarihin'ny omby miditra anaty jioga: Ariary zato ny zezika iray sarety. - F.-p.: Mpandroaka sarety: enti-milaza ny olona mibaiko ny omby mitarika sarety. * Ohab.: Kodiaran-tsarety ny fiainana ka mifandimby ambony sy ambany: enti-milaza fa ny fiainana eto an-tany dia tsy misy toerana raikitra fa miovaova mifandimbindimby ka ny ambony mbola mety ho ambany ary ny ambany mbola mety ho am bony. Ahitsio
Saresaka
[admin]
: p.t.: Mpiresaka be, mahay mifandray amin'ny olona, tsy mba mpanafinafina fa mamboraka ny ao ampony. Ahitsio
Sareraka
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra mibarera ary mitaritarika, toy ny elatry ny vorona anan'ny hafanana, na ny lamba tafina miroraka fa tsy misampina tsara. - t.i.f.: Sarerahina, asareraka I manasareraka, fanasareraka, mpanasareraka / misareraka, fisareraka, mpisareraka / isarerahana, fisarerahana 1 mahasareraka / sareradreraka. Ahitsio
Sarerahina
[admin]
: (sareraka) mt. ih. (sareraho): Avala hibarera, hitaritarika amin'ny tany. Ahitsio
Sarendry
[admin]
: a.: Zavamaniry mitovitovy amin'ny sakamalao nampidirin'ny Antalaotra teto, manana fofo-manitra miavaka. Ahitsio
Sarendry
[admin]
: a.: Fanaovana rafitra ngorodona na fandaharana talla atao mifampidipiditra. Ahitsio
Sarebaka
[admin]
: a.: Toetran'ny fitafiana na ny akanjo lava, malalaka sy mirefarefa amin'ny tany. - t.i.f.: Asarebaka, voasarebaka, tafasarebaka 1 manasarebaka, fanasarebaka, mpanasarebaka / anasarebahana, fanasarebahana / misarebaka, fisarebaka, mpisarebaka 1 isarebahana, fisarebahana 1 mahasarebaka 1 sarebadrebaka. Ahitsio
Sarasara
[admin]
: a.: Teny nentina niarahaba ny mpanjaka fahiny, ka natokana ho azy irery ihany: Sarasara tsy ambaka, tompoko e! -- Sarasara! (enga anie ka tsy ho azon'ny aretina ambakaina ianao, tompoko, — Enga allie!). Ahitsio
Sarangotra
[admin]
: a.: Famikirana amin'izay azo amaharana raha misy mahazo na raha mitady hianjera. 1 t. if.: Sarangotina, asarangotra, voasarangotra, tafasarangotra 1 manasarangotra, fanasarangotra, mpanasarangotra / anasarangotana, fanasarangotana 1 misarangotra, fisarangotra, mpisarangotra I isarangotana, fisarangotana / mahasarangotra. Ahitsio
Sarangotina
[admin]
: (sarangotra) mt. ih. (sarangoty): Tanana mafy hamikirana raha misy mahazo ny tena: Iza moa no hosarangotiko at? an-tany la-vitra at? raha tsy ianao? Ahitsio
Sarangaranga
[admin]
: a.: Aretin-kibon' ny vehivavy efa madiva hiteraka. - t.i.f.: Misarangaranga, fisarangaranga, mpisarangaranga. Ahitsio