Teny nampidirina farany

Sarivato
[admin]
: a.: Vilany na siny vita amin'ny rarivato. • Sikotra na sarisary natao tamin' ny vato. Ahitsio
Saritaka
[admin]
: a.: Fikorontanana sy fisafotofotoana, fikororoana. • Fifaningotsingoran-tady tsy hita laniny. • Firomborombon-kofehy na volo tsy mihogo sady tsy mirandrana. ? Ny tsaikan-dandy aorian'ny fanantsodiavana. - t.i.f.: Saritahina, asaritaka, voasaritaka, tafasaritaka 1 manasaritaka, fanasaritaka, mpanasaritaka / anasaritahana, fanasaritahana / mifanaritaka / misaritaka, fisaritaka, mpisaritaka / isaritahana, fisaritahana / mahasaritaka / saritadritaka. - F,-p.: Ketsa saritaka: ketsa ambolena tsy milahatra, toa mikorontandrotana, eo amin'ny tanimbary (mifanohitra: ketsa tora-tady). / Tohy saritaka: fomban-drafitra biriky tsy mifanitsy tonona. Ahitsio
Saritahina
[admin]
: (saritaka) mt. ih. (saritaho): Korontanina, a-tao ambony ambany: Nosaritahin'ny ankizy ny entana rehetra tato an-trano. • Fotofotoina tsy hita laniny: Nosaritahin'Ibalita ny kofehy. • Roridriritfna, ampijalina: Aza saritahinao toy izao izy. Ahitsio
Sarisarimbomanga
[admin]
: a.: Zavamaniry toy ny ravim-bomanga ny raviny ary misy voniny miloko mahafinaritra. Ahitsio
Sariraka
[admin]
: a.: Fisavoritahana, fisafotofotoana. - t.i.f.: Asariraka, sarirahina, voasariraka, tafasariraka / manasariraka, fanasariraka, mpanasariraka / anasarirahana, fanasarirahana / mahasariraka ( sariradriraka. Ahitsio
Sarirahina
[admin]
: (sariraka) mt. ih. (sariraho): Saritahina, fotofotoina. Ahitsio
Sariolona
[admin]
: a.: Sary vongana mampiseho bika sy tarehin' olona. Ahitsio
Sarintona
[admin]
: Jer. Rintona. Ahitsio
Sarinety
[admin]
: (fr. serinette) a.: Zavamaneno fahanana dia mamoaka feo-mozika rehefa mivaha ny fahany. Ahitsio
Sarindokotra
[admin]
: a.: Vorona zanaky ny dokotra sy ny ganagana; vaventy ary tsara hena ny sarindokotra. ¶ M.h.: Kirivorona. Ahitsio
Sarinady
[admin]
: a: Fanazaran-tena an3in'ny ady ataon'ny miaramila, izay mifanao an-kolafiny mody miady. Ahitsio
Sarina
[admin]
: (sary) mt, ih. (sario): Tsapaina, arahi-maso. • Jerena, vangivangiana (vovo). Ahitsio
Sarimpapango
[admin]
: a.: Taratasy voarary amin'ny hazo maivana izay rohizana amin'ny kofehy, ka sintonina mihazakazaka ilay kofehy, dia misondrotra tsikelikely ilay sarimpapango ary misononoka eny amin'ny rivotra eny. ¶ M.h.: Papangohazo. Ahitsio
Sarimorimo
[admin]
: Jer. Rimorimo. Ahitsio
Sarimbo
[admin]
: a.: Lamba tenom-betsileo vita amin'ny landy sy hafotra na amin'ny landihazo sy hafotra misy sorany mitsipitsipika — Akanjo toy ny sikina anaovan'ny vehivavy betsimisaraka. Ahitsio
Sarimbavy
[admin]
: a.: Lehilahy manao fihetsika amam-piteny toy ny vehivavy. Ahitsio
Sarikoina
[admin]
: (sariko) mt. ih. (sarikoy): Ozonina, na ompa= na ratsy. Ahitsio
Sariko
[admin]
: a.: Ozona na ompa ratsy. - t.i.f.: Sarikoina, voasariko / misariko, fisariko, mpisariko. Ahitsio
Sarika
[admin]
: a.: Karazan'akondro fakana tsiratsirany ny vatany, izay nanaovan'ny Ntaolo indrindra lamba fahiny; ny vatan'ny akondro sarika dia la-va, ne fa ny voany madinika. Ahitsio
Sarika
[admin]
: a.: Sintona, roritra. ? Kofehy madinika avy amin' ny vatan'akondro. - t.i.f.: Sarihana, asarika, voasarika / misarika, fisarika, mpisarika / isarihana, fisarihana / mahasarika / saritsarika. - Akondro sarika: karazan'akondro lava fa kely voany, izay fakana indrindra ny tsiratsirany hanaovana lamba. / Lamba sarika: lamba mavomavo tsara natao tarnin'ny sarika na kofehy madinika avy amin'ny vatan' akondro, izay nosarihana, dia notohizina natao lamba. * Ohab.: Lehibe miana-pototsarika, koa sahirana: entimilaza ny olona izay efa lehibe vao mianatra manenona (na manao asa iray) ka mananosarotra aoka izany. / Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy: enti-milaza zavatra izay tsy miankina amin'ny hafa fa amin'ny tena ihany (eto, ny endrik' ilay zazavavy na ny tsy fahaizany mitafy no maha-tsara na maha-ratsy azy; marihina fa toa manala ny rainy sy manadidy ny hafa eto ny ohabolana, ny antony angamba dia satria ny reniny no tokony ho efa nampianatra sy nanazatra an-janany hitafy lamba sarika hatry ny ela). Ahitsio