Teny nampidirina farany

Siaka
[admin]
: a.: Feo mikiririoka ataon'ny molotra, sioka: Ny siakan'ny manina. ? Feo entina miantso. i t, i.f.: Siahina, asiaka, voasiaka, siniaka, tafasiakal misiaka, fisiaka, mpisiaka / isiahana, fisiahana 1 mahasiaka / siatsiaka. Ahitsio
Siaka
[admin]
: ft.: Halozana, faharatsiam-panahy. ~ Tsiron-javatra manaikitra ny lela, toy ny sakay. - t.i.f.: Ankasiahina J mankasiaka, fankasiaka, mpankasiaka / ankasiahana, fankasiahana / mahasiaka 1 masiaka / hasiaka, fahasiaka, hasiahana, fahasiahana / masiatsiaka. Ahitsio
Siahina
[admin]
: (siaka) mt. ih. (siaho): Hiraina amin'ny alalan'ny siaka: Siaho kely hoe, ry ise, ilay hira fanaontsika tany am-pianarana. 1 Antsoina amin'ny sioka: Nosiahiny ilay zazalahy ka niherika. Ahitsio
Sia
[admin]
: na Siasia a,: Fahadisoandalana, fiviliana, fibirioka. ~ Haitraitra, sitrapo: Olona be sisia. ~ Fandehanana foana atsp sy ar?. - t.i.f.: Tafasiasia 1 mania, fania, mpania / maniasia, faniasia, mpaniasia J aniasiavana, faniasiavana J misiasia / mahasiasia, * Ohab.: Amalona an-drano ny olombelona, ka be siasia: tsy maharitra ary miovaova ny olombelona, toy ny amalona ao anaty rano mitsoriaka atsy mitsoriaka aroa. Ahitsio
Si
[admin]
: (na Ti amin'ny solfa) a,: Ny feo fahafito amin'ireo ambaratongam-peo valo amin'ny gama, izany hoe izy no farany, alohan'ny do ambony. Ahitsio
Sy
[admin]
: ppt.: Entina mampitohy teny roa (anarana, mpamaritoetra, matoanteny): Ny sa-ka sy ny alika, / Tsara sy ratsy. / Mihinana sy misotro. Ahitsio
Seza
[admin]
: (fr. chaise) a.: Fanaka fitoerana misy tongony sy fiankinana: Mipetraha eo ambony seza, tompoko, - F.-p.: Seza be: seza makadiry ary mihaja. J Seza bory: seza iva sady kely ary tsy misy fiankinana. J Seza lamba: seza izay lamba no natao tampony, ara( mahazo miforitra. J Sezaiava: karazan-tseza lava mahazo miforitra, azo itsorana. Ahitsio
Sevosevoina
[admin]
: Sevohina, Sevotsevohina (sevosevo) mt. ih. (sevosevoy, sevohy, seuotseuohy): Atao amim-pirotorotoana. Ahitsio
Sevosevo
[admin]
: Sevoka sy Sevotsevoka p. t.: Maimay hanao zavatra, nefa malaky mijanona; maimaika amin'izay atao fa mora kivy na leony, - t.i.f : Sevosevoina, sevohina, sy sevotsevohina, voasevosevo, sinevosevo, tafasevosevo / misevosevo, na misevotsevoka, fisevosevo, na fisevotsevoka, mpisevosevo, na mpisevotsevoka J isevotsevohana, fisevotsevohana / isevosevoana, fisevosevoana / mahasevosevo, mahasevotsevoka. Ahitsio
Seva
[admin]
: a.: Anarana hafa ilazana ny toaka. Ahitsio
Seva
[admin]
: a.: Anaran-kazo madinika izay nampiasain'ny olona ho toy ny savony hanasandamba ny raviny taloha ary mbola ampiasain'ny olona eny ambanivohitra ho fanasam-bilia ankehitriny: Ravintseva, Ahitsio
Setroka
[admin]
: a.: Fifangaroana gazy sy enton-drano avy amin'ny zavatra mirehitra ka miseho amin'ny endrika fotsifotsy midonaka: Vohay ny varavarankely fa manempotra izany setroka izany. 1 p.t.: Voan'ny setroka: Setroky ny kitay aho fa vonoy izao afo izao. - t.i.f.: Setrohana, na setrohine, asetroka, voasetroira, sinetroka / manetroka, fanetroka, mpanetroka / anetrohana, fanetrohana J mahasetroka / setrotsetroka. * Ohab.: Setroky ny kitay nalainy: voan'ny nataony ihany. ¶ M.h.: Mandrora mitsilany, mpivaro-drano tratr' orana, vivy nanitrika. Ahitsio
Setrohana
[admin]
: na Setrohina (setroka) m,t ih. (setrohy): Donafana setroka: Aza setrohanareo izahay, rankizy, fa vonoy izao afo izao. Ahitsio
Setry
[admin]
: a.: Famaliana, valin-teny: Ny holazaiko ho setrin' izany dia izao... - t.i.f.: Setrena, asetry, voasetry, sinetry / manetry, fanetry, mpanetry / anetrena, fanetrena J misetry, fisetry, mpisetry 1 isetrena, fisetrena. ? F.-p.: Setrim-bola: fainerin'ny vola nanalana ny vidin-javatra. / Setrin-teny: valin-teny na fanoherana amin' ny baiko amena. Ahitsio
Setrena
[admin]
: (setry) mt. fh, (setreo): Omena valiny, valiana: Setreo kely izany fitenenana iiany, razoky. Ahitsio
Setrasetra
[admin]
: a.: Hetraketraka feno avona. ¶ M. h. : Setaseta, sotasota. Ahitsio
Setraina
[admin]
: (setra) mt. ih. (setrao): Toherina, tsenaina, tohanana: Nosetrain'ny miaramila ny fnmelezan'ny fahavalo. Ahitsio
Setra
[admin]
: a.: Fanoherana, fitsenana, fanohanana: Mahery setra ity zaza ity. - t.i.f.: Setraina, asetra, voasetra, sinetra, tafasetra / manetra, fanetra, mpanetra 1 anetiana, fanetrana J mahasetra / setrasetra / misetrasetra. • F.-p.: Mahery setra: mampiseho hasiahana, hetraketraka sy her?. Ahitsio
Setaseta
[admin]
: a.: Hetraketraka sy anjonanjona tafahoatra. 1 Asetaseta, tafasetaseta 1 misetaseta, fisetaseta, mpisetaseta J mahasetaseta. Ahitsio
Sesitany
[admin]
: a.: Fandroahana honina any ivelan'ny tanindrazana: Natao sesitany tanna maro ireo tia tanindrazana rfiâiagasy. Ahitsio