Teny nampidirina farany

Sihanaka
[admin]
: a.: Foko kelikely manodidina ny farihin'Alaotra, izany hoe amin'ny tany voafaritry ny renirano Benrarivo ambony sy Tampoketsa atsimo (avaratra), ny renirano Mahajamba ambony (andrefana), ary ireo havoana bezanozano sy ny ala (atsinanana). Renivohiny: Ambatondrazaka. Ahitsio
Sihanaka
[admin]
: (Ski) a,: Kamory lalina tsy misy ahitra. Ahitsio
Sigara
[admin]
: (fr. cigare) a.: Ravimparaky voatorotoro mihorona ao anaty taratasy manify ka atao fifoka: Nahaiany si-gara telo pake isan'andro a-ho taloha. Ahitsio
Sifotra
[admin]
: a.: Halatralatra madinika atao amim-pahakingana, famitahana tsy mendrika. - t.i.f.: Siforina, voasifotra I misifotra, fisifotra, mpisifotra/ isiforana, fisiforanal mahasifotra I sifotsifotra. Ahitsio
Sifotra
[admin]
: a.: Biby misy akorany boribory ny vatany ary misy tandrony roa lava ny lohany: Misy karazany maro ny sifotra, fa ao ny sifomainty, ny sifotr'ala, ny sifotr'amboa. - F.-p.: Sifotr'omby: fandraisana ny tandrok'omby amim-pahakingana ka misavily ary mikainkona eny mova tsy ny akoran-tsifotra. / Misifotr'omby: misangy omby, izay raisina ny tandrony ka isavilianana. Ahitsio
Siforina
[admin]
: (sifotra) mt ih. (sifory): Angalarina amim-pahakingana. Ahitsio
Sifile
[admin]
: (fr, sifflet) a.: Fitaovana metaly tsofina ka mamoaka feo mafy mikarantsana; kirirloka, tsotsiika. Ahitsio
Sifaka
[admin]
: a.: Karazan-gidro fotsy fa mainty loha. Ahitsio
Sidira
[admin]
: (fr. cidre) a.: Zavapisotro atao amin'ny ranon'ny paoma avela hiketriketrika. Ahitsio
Sidiondiona
[admin]
: a.: Asa ataon'ny olona mivoivoy ats? sy ar? mba handositra adidy, handositra asa. - t.i.f.: Asidiondiona, tafasidiondiona / manasidiondiona, fanasidiondiona, mpanasidiondiona 1 anasidiondionana, fanasidiondionanal misidiondiona, fisidiondiona, mpisidiondiona 1 isidiondionana, fisidiondionana 1 mahasidiondiona. Ahitsio
Sidiona
[admin]
: a.: Karazan-damba. Ahitsio
Sidintsidina
[admin]
: a.: Karazam-borona mainty ny lamosiny, fotsy ny takibany ary ny volombodiny somary dimbana; mahatratra 16.18 sm ny halavany; ny sidihtsidina dia mivelona amin'ny bibikely ramriasanY amin'ny vavany eny atn-panidfnana. Ahitsio
Sidinina
[admin]
: (sidina) mt, pdr. (sidino): Torahana: Nosidininy saki ilay alika. Ahitsio
Sidiny
[admin]
: a.: Tanora: Sidin-dahy. Ahitsio
Sidindahy
[admin]
: a.: Tovolahy matanjaka be aina. Ahitsio
Sidina
[admin]
: ft.: Fiakarana amin'ny avo, fisondrotana ambony eny amin'ny habakabaka, fiaingaingana ambony. - t.i.f.: Sidinina, asidina, voasidina, tafasidina / manidina, fanidina, mpanidina / anidinana, fanidinana J misidina, fisidina, mpisidina 1 isidinana, fisidinana / mahasidina / sidintsidina. - F.-p.: Manindao sidina: tsy mahavoa, mivaona any amin' ny tsy izy, manadino hafatra. Ahitsio
Sidikina
[admin]
: Sidikinina (angl. God soue the king) a,: Hiram-pirenena. Ahitsio
Siantsiana
[admin]
: ft.: Fiviliana amin' izay tokony ho izy; fahadisoam-pandeha noho ny haitraitra (jer. Siasia). - t.i.f.: Misiantsiana, fisiantsiana, mpisiantsiana 1 fisiantsianana J mahasiantsiana. Ahitsio
Siansy
[admin]
: na Siansa (fr, sciences) a.: Fitambaran'ny fahaizana amam-pahalalan'ny olombelona momba ny toetran'ny zavaboary, ny hery ao aminy, ans... azo tamin'ny fandinihana ny toetrany sy ny fomba amam-pitsipika mifehy azy sy ny fanandram ana. Ahitsio
Siansa
[admin]
: Jer. Siansy. Ahitsio