Somba [admin] | : | Fihasimban'ny Simba. Ahitsio |
Somazotsazoka [admin] | : | p.t.: Mavozovozo, malazolazo. Ahitsio |
Somazoka [admin] | : | p.t.: Marisarisa; farofirofy. - t.i.f.: Somazotsazoka. Ahitsio |
Somavosavo [admin] | : | p. t.: Manjavozavo ka tsy tazana tsara; (toetr' andro) manjombona ary tsy mihiratra loatra. ¶ M,h,: Somafosafo. Ahitsio |
Somatrotroka [admin] | : | p. t.: Misy votrovotro betsaka amin'ny hoditra, indrindra fa eny amin' ny endrika: Asa na nokekerin'ny biby ny tarehiny fa somatrotroka tampoka. 1 Mitatao rahona, na entina hilazana volon'andro izany, na hilazana ny toetran'ny andro aorian'ny fiavian'ny orana, nefa ny rahona mbola manamaizimaizina ny lanitra. - t.i.f•: Misomatrotroka, fisomatrotroka. Ahitsio |
Somatroka [admin] | : | p.t.: Vasobasoka, somary mavomavo. Ahitsio |
Somary [admin] | : | p. mt.: Mody, tsy dia tena: Somary nisafosafo saoka izy tamin'izay. ? Manopy: Somary vony. • Saika... kely: Somary adala izay ny rainy. - F,-p,: Atsimo somary atsinanana: atsimo lasa miantsinanana kely. Ahitsio |
Somarodoka [admin] | : | sy Somarototra p, t.: Maimaika manao raharaha, somadodoka, mikorobobo. - t.i.f.: Misomarodoka, misomarototra / fisomarodoka, fisomarototra. Ahitsio |
Somaritaka [admin] | : | p.t.: Mifanjevo maimaika noho ny raharaha mifanosontsosona sy maro; miparitaka tampoka noho ny hatairana: Somaritaka daholo ny mpianatra fa hoe misy mpangala-jaza miafina endrika, hono. - t.i.f.: Misomaritaka. Ahitsio |
Somarisary [admin] | : | p. t.: Maizimaizina, somambisamby. Ahitsio |
Somariaka [admin] | : | p.t.: Faly, ravo, mirana: Somariaka er? ry Bozy fa tonga rainy. Ahitsio |
Somararetra [admin] | : | p.t.: Osaosa, tsy afaka hanao zavatra haingankaingana noho izy reradreraka. Ahitsio |
Somaranantsody [admin] | : | p, t.: Mahia hatsatra. ¶ M,h.: Maranantsody. Ahitsio |
Somaranafo [admin] | : | p.t.: (lamba) Nolelafin'ny afo ka saika may, efa voakasiky ny afo nefa tsy tena may akory. Ahitsio |
Somarambato [admin] | : | p.t.: (lamba) E-fa ho rovitra ka makarakara, ohatra ny maimay kely (jar. Marambato). Ahitsio |
Somaradimbana [admin] | : | p.t.: Tsy mitovy tantana fa avo sy iva, dembademba be ihany. - t.i.f : Misomaradimbana. Ahitsio |
Somangy [admin] | : | a.: Hazo madinidinika mamody, fanao ody tomboka na fery ny vodiny. Ahitsio |
Somangana [admin] | : | a.: Anaran-kazo izay ampiasaina amin'ny fanorana ny hodiny. Ahitsio |
Somampira [admin] | : | p.t.: Iangonan'ny ra ka mitera-mena: Somampira ny masony noho ny hatezerana. Ahitsio |
Somambisamby [admin] | : | a.: Ny takariva efa manopy maizina. • p. t.: Tsy tena mazava fa somary maizimaizina, mazava ratsy:- Hazavana somambisamby. - t.i.f.: Misomambisamby, fisomambisamby, Ahitsio |