Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manafika: (tafika) mt. p. (manafiha): Manatona mamely, mibosesika maka: Nanafika tany Ejip ta i Napoléon. Ahitsio
Manafina: (afina) mt.p. (mana-fana): Mametraka zavatra amin'ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vo-la. • Mampiery: Miray tetika amin 'ny olon-dratsy izay manafina azy. • Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivauy io. ? Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay! • Mandevina (mpanjaka): Tamin'ny alina no nanafenana ny masina. - F.-p.: An-kanafina: azo a-tao ny manafina. 1 An-kinafinafina: an-tsokosoko. (Manafin-kibo: enti-milaza ny vehivavy bevohoka nefa mahay manamboatra ny fitafiany tsy hamantaran'ny olona azy ho izany. / Manafin-tauy: enti-milaza ny biby ompiana izay tsy dia hita ho matavy ety ivelany, fa rehefa rasaina vao hita. / Manao saka manafin-koho: mihatsaravelatsihy. * Ohab.: Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola: ny olona hikarakara ny tena no tokony h amp ahalalana voalohany ny momba ny tena Ahitsio
Manafintohina: (tafintohina) mt. p.: Manao izay mahatezitra: Manafintohina mihitsy io zaza io. • Manao toetra tsy mendrika ka mitarika ny hafa hanao toy izany: Loza ho an'izay manafintohina ny zaza madinika Ahitsio
Manafitafy: (tafitafy) mt, p, (manafitafia):'Mamoha sasaka: Manafitafy varavarana. Ahitsio
Manafito: (fito) mt.p. (manafitoa): Mizara fito. Ahitsio
Manafo: (tafo) mt.p. (manafoa): Mametraka na manisy tafo: Iza no nanafo ny tranonareo? Ahitsio
Manafo: (Atm) a.: Zatovo. Ahitsio
Manafohy: (fohy) mt.p. (manafoheza): Manao izay hahafohy: Iza indray no nanafohy ity akanjonao, Ramasaka, hoy ny uadiny taminy? Ahitsio
Manafompotra: (fompotra) mt p.: Mandany indray mifaoka. Ahitsio
Manafotra: (safotra) mt p. (manafora): Manototra: Nanafokenatra azy ny namany. • Manosotra: Nanafotra sokay ny rindrina izy. •Manenjina, mahafanina mahatonga ho safotra: Angamba ny hainandro no nanafotra it? rasa i-t?• Ahitsio
Manafy: (tafy) mt.p. (manafia): Manome akanjo: Manafy mahantra maro izy. Ahitsio
Managaboka: (gaboka) mt p. (managaboha): Manavosa, manavovona, manao antontany, mampifanongoa: Iza no nanagaboka ireto vato kely ireto teto an-tokotany? Ahitsio
Managadra: (gadra) mt.p. (managadrà): Mamatotra amin' ny gadra, mampiditra an-tranomaizina. Ahitsio
Managaigy: (gaigy) mt.p.: Manao izay haharomotra, hahatezitra. Ahitsio
Managaina: (gaina) mt.p.: Mandiso fanantenana, mahasanganehana, mahavery hevitra: Nanagaina ahy ny teny na-taon y. Ahitsio
Managareboka: (gareboka) mt p. (managareboha): Mitelina mandrebodreboka, mandrapadrapaka. Ahitsio
Managedragedra: (gedra, gedragedra) mt.p. (managedragedrà): Manaketraka, managoragora fatorana. Ahitsio
Managenagena: na Mangenagena (gena) mt.p. (mangenagenà): Mitondra moramora sy am-pitandremana amin'ny tanana: Managenagena atody. Ahitsio
Managidrogidro: (gidro) mt. P.: Manadridridridry. Ahitsio
Managigigigy: (gigigigy) mt p. (managigigigia): Mamatotra mafy tsy hahafahana mihetsika. Ahitsio