Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manararaotra: (hararaotra) mt. s. sy mt, p. (manararaota): Mitombo mihalehibe, mihamafy: Hanararaotra io ferinao io ka tsaboy haingana. ? Mampiasa ny fahavoazan'ny sasany mba hanampiana trotraka izany: Aza manararaotra ny halemen'ny sasany mba hitarihana azy amin'ny ratsy. ? Mamonjy mitady tombony haingana raha misy zava-miseho sao tsy miverina intsony io zavatra io: Monararaota ny hatanorana, rankizy, mba hiasana betsaka fa rehefa antitra tsy afaka intson y. * F.-p,: Manararao-paty:manitatra izaitsizy noho ny fisiana faty. ¶ M.h.: Mively ny vy dieny mafana, manao kendry tohina, manao tsatoka, mandray vava latsaka Ahitsio
Manararo: (hararo) mt.p. (manararoa): Mitana, manamp ontsampona, manao izay hahatratra aoriana: Axa manararo ny zanako amin'ny kila- lao ialahy isany sao diso fidirana any am-pianarana izy. 1 Milalao, manadala: Nanararo ny mpandalo tamin'ny hatsikany teo i Rainimbahy. Ahitsio
Manarasara: Mitovy amin'ny Manasarasara. Ahitsio
Manarato: (harato) mt.p. (manaratoa): Maka hazandrano arnin'ny harato. Ahitsio
Manaratra: (haratra) mt. p. (manarata): Mikiky ny volondoha, ny volombava, ny volo amin'ny tena amin'ny hareza. Ahitsio
Manaratsaka: (haratsaka) m t.p.: Man apaka, manintsana amin' ny antsy ny romoromon-javatra; mandrantsana. Ahitsio
Manaratsaraka: Jer. Manasaratsaraka. Ahitsio
Manaratsy: (ratsy) mt.p. (manaratsia): Manao izay haharatsy: Aza manaratsy tarehy toy izao ianao. ~ Manao ho ratsy: Tsy mety ny manaratsy ny tsara fa izany no manao hala volo. 1 Manendrikendrika, man oso-potaka, manabanty, manao tsinontsinona, manaboka: Manaratsy ny namany foana Rabe.. ¶ M. h, : Manebaka, manama vo, mamasoka, manabanty, manazimba, manaboka, manafoka, maniny, manakiana, manakizaka, manizakiza, manambany, manatsizarizary, manao ambanin-javatra, manao tsinontsinona, manenitra, mamotsifotsy, maniratsira, manevateva, mamingavinga, manitsakitsaka, manosihosy. Ahitsio
Manarendrina: (harendrina) mt. s.: Enti-milaza ny molaly miraikitra amin'ny vody vilany ka mirehitra. Ahitsio
Manarina: (arina) mt.p. (manarena): Mametraka amin'ny toetra mahitsy izay nandry na lavo: Iza no nanarina ilay zazalahy lavo tao? ~ h.o.: Ny sakaizany no nanarina azy tamin'ilay fahavoazany tao dasa saika namoizany fo. ~ Mamerina amin'ny toetrany tsara teo aloha: Tsy mety kivy izy fa nanarina ny fanonany rava - F.-p.: Manarina ady: miverina miady mba hamaly faty. Ahitsio
Manariva: (hariva) mt. s, na mt. p.: Miasa, mijanona hatramin' ny hariva: Hanariva aho androany satria tsy vita ny tua. ~ Miandry ny hahariva: Sarotra ny manariva ny andro raha tsy manan-katao. ? Mahatonga ho tratra hariva, ho tratra aoriana: Tsy ta hanariva anao aho, fa 'ndeha aloha mody. * Fiten.: Ny andraso andraso manariva ny mody: ny hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). Ahitsio
Manaroka: (taroka) mt.s.: Mamoaka tsimoka vaventy. Ahitsio
Manarona: (sarona) mt p. (manar6na): Manafina: Misy rahona manarona ny masoandro. 1 Mandrakotra: Manarona harona ? h.o.: Manarona ny hadisoan'ny sakaizany izy. ~ Manodidina: Nanarona ny fahavalo ny miaramilantsika - F.-p.: Manaron-kenatra: manafina ny fananan 'ny maty tsy ho hitan'ny mpandova azy avokoa. / Manaron-kevitra: manarona ny trosa na ny zavatra hafa mba hanadisoana ny isam-bola tenamarina. / Manarona olona: mifetsy amim-p ah akin g an a. ¶ M.h.: Mandrakotra, manakona. Ahitsio
Manarotika: (rotika) mt.p. (manaroteha): Manasaritaka, manakorontana. Ahitsio
Manary: (ary) mt.p. (manaria): Manipy zavatra any amin'ny toerana tsy hahitana azy intsony: Manary fako. 1 Tsy miraharaha zavatra, hany ka verivery fotsiny ilay izy:Betsaka ny ankizy no manarinary ny bokiny eny rehetrarehetra eny. 1 Milaza ampahibemaso fa tsy ho isan-jaza mpandova intsony: Efa nanary azy ela be ny rainy. - F.-p.: Manary dia: manao izay tsy hifantohan'ny saina aman'eritreritra amin'ny zavatra iray. / Manary faty,: manipy faty ho verivery fotsiny fa tsy mandevina azy. / Manary kely: mahafoy zavatra kely mba hahazoana soa bebe. / Manary rano: 1) entimilaza toerana somary solampilampy atao koa hoe mandry soroka; 2) mivalandrano. / Manary andro:manao izay hahalasa ny andro amin'ny zavatra tsy dia misy antony firy. / Manary zaza: milaza ampahibemaso fa tsy handova ny tena ilay zaza. Ahitsio
Manasa: (asa) mt.p. (manasà): Mandranitra, mandrangitra, mampifilofilo: Ndeha mana-sa ity antsy ity ianao, ry Koto, fa dombo velona izy izany. - Manasa kibo: misotro fampivalanana. / Manasa lela: mifamaly mafy aminkatezerana. / Manasa nify: miomana amin'ny sakafo be, amin'ny fanasana. / Manasa uangy: miady mifampahay vava aoka izany. Ahitsio
Manasa: (sasa) mt. p. (manasà): Manala loto amin'ny rano: Lasa nanasa lamba er? amorona i zoky. ¶ M.h.: Manadio, manoza, manontsana, mifantsana, manakobana, manala loto, manala pentina, manala tseroka, mamotsy, manorana. Ahitsio
Manasa: (osa) mt.p. (manasà): Miantso hanatrika lanonana na hisakafo, miangavy ho tonga maneho fihavanana na fifanajana: Nanasa antsika ry zareo ato avaratra amin'ny mariazin-janany. Ahitsio
Manasabaka: (sabaka) mt.p. (manasabakà): Mampihataka ny tongotra roa. Ahitsio
Manasabilaka: (sabilaka) mt.p.: Mandroritra hatraiza hatraiza (mitovy amin'ny manasobilaka). Ahitsio