Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misodika: (sodika) mt. p. (misodiha): Manala ny tsiratsiraka na ny hoza-dravin'ny rofia: Misodika rofia. 1 Manala ny fako kely madinika alohan'ny hitotoana vary: Misodika vary i Bozy. ~ Manesotra ny menaka na ny hero-dronono mitsinkafona: Nisy nisodika ny herotra tamin'ity ronono Mikendry zavatra eny am-panidinana manodidina ny tena (vorona). 1 Mijerijery taratra alohan 'ny hangalarana. ~ Misonenika izaitsizy eo am-pandihizana: Loza raha hisodika io tovovavy io rehefa mandihy. Ahitsio
Misodisody: (sodisody) mt. s. (misodisodia): Miverimberina manodidina zavatra na olona imbetsaka toa mizaha taratra, mihaodihaody; mandehandeha manodidina: Misy olona misodisody manodidina ny tranony, hono, isan' alina. Ahitsio
Misofina: (sofina) mt. s.: Ma-nana sofina mitovy. Ahitsio
Misohika: (sohika) mt. s.: Mararin'ny sohika. ~ Tsy avy miaina, semposempotra: Misohika izy rehefa miaka-piakarana. Ahitsio
Misohitika: (sohitika) mt, s.: Manan-toetra mavitrika, mailaka: Iaraha-mahalala ny fisohitiky ny sakan-jaza Ahitsio
Misointsoina: (sointsoina) mt s.: Mihataka menamenatra mangaihay: Lasa nisointsoina irery niverina izy. Ahitsio
Misoitra: (soitra) mt. s. (misoira): Misavasava ny lavenona, na ny vain'afo amin' ny hazo kely lavalava izay a-tao hoe soitrafo. 1 Maka voankazo amin'ny hazo lava marani-doha. ? (omby) Mandentika ny tandrony amin' ny tany. Ahitsio
Misoka: (soka) mt, s. (misokà): Milentika ao anaty rano: Nisoka tao anaty rano ilay Rangahy. • (volana) Milentika: Efa hisoka ny volana. ~ h.i.: Lasa, maty: Mbola zaza izy dia efa nisoka ny ray amandreniny. Ahitsio
Misokaka: (sokàka) mt. s. na p. t.: Tsy miady tsara fa misokatra ny zorony: Tsy mahay mandrafitra mihitsy izay nanao ity latabatra ity; jereo fa misokaka ny zorony rehetra. ? Mitanatana vava raha mahita zavatra mahavariana, kidaladala: Zazalahy misokaka lahy Ibalita kely ity. / Misokaka izy rehefa mahita fiarakodia goaibe. Ahitsio
Misokatra: (sokatra) mt. s. (misokafa): Afa-tsarona: Misokatra ny vata. 1 Mitanatana; mivelatra: Aza misoka-bava rehefa matory. / Misokatra ny bois y. ? Mivoha, mivoha voalohany: Tsy mbola nisokatra ny trano. / Mangazay vao nisokatra ity. ? Azo (a-tao, aleha, iasana, anjonoana...): Misokatra izao ny lalana mianatsimo. /Misokatra ny fanjonoana any Manjakatompo. 1 Mihataka ny vavany, ny sisiny: Misokatra ny uavaferY. ~ Heno mafy ary mazava: Efa nisokatra izany ny feonao farina teo iny. Ahitsio
Misokatrika: (sokatrika) mt. s. (misokatreha): Miharihary ho hita tsara eo anoloana, miatrikatrika tsara raha mipetraka. Ahitsio
Misoketraka: (soketraka) mt. s.: Mipetraka tsara milamina tsy mihetsiketsika. Ahitsio
Misokiky: (sokiky) mt. s.: Mi-f oritra na misitritaitrlka tsy hiseho noho ny tahotra na ny henatra. Ahitsio
Misokisoky: (sokisoky) mt. s. na p.t.: Matahotra, saro-kenatra. Ahitsio
Misokitra: (sokitra) mt. p. (misokira): Manao sarin-javatra sokirina: Mahay misokitra ny foko maromaro ao atsimo ao, 1 Voasa amin'ny fandraka: Iza no nanan ity sary misokitra ity? i Maka amin'ny fitaovana marani-doha: Misokitra voankazo. 1 Miangavy mafy, mangataka fatratra: Nisokitra ahy mafy Rakoto fa tsy nety namboraka ny tsiambarateloko aho. Ahitsio
Misoko: (soko) mt. s. (misokoa): Miditra, mitsofoka mangingina: Nisoko tao anatin'ny tamboho tao ny adala dia nangala-boankazo, 1 Mangalatra mangingina: Nisoko ny bokiko Ibalita 1 Ampiasaina eo alohan'ny matoanteny hafa iray ka manao mangingina ny asalazain'io matoanteny io no heviny amin'izany: Nisoko namangy ny reniny nanavy izy nandritra ny tsY nahatao an'ilay renikeliny. Ahitsio
Misola: (sola) mt. s.: Mitondra loha tsisy volo: Misola ny ankamaroan'ny Arabo. Ahitsio
Misolafaka: (solafaka) mt. s.: Mibolisatra, mikorisa fa ma-lama ny tany diavina: Nisolafaka ny tongony ka lavo izy. 1 Lavo na potraka noho ny halemena: Nisolafaka ilay tovovavy, ka voa van latsaka am-panenenana. Ahitsio
Misolampy: (solampy) mt, s. na p.t.: Tsy mitsatoka fa somary mandry ila, manary rano: Misolampy ny tokotaninay. Ahitsio
Misolanandrana: (solanandrana) p. t.: Milanjalanja loha, mianjonanjona. Ahitsio