Teny nampidirina farany

Dinta
[admin]
: a : Karazana kankana monina eny an-tanimbary sy eny amin'ny honahona ary mitsentsitra ny ra; mora mipetaka amin'ny tenan'ny olombelona ny dinta noho freo tandrony roa fanandrohany eo amin'ny lohany sy ny vodiny, izay indray mitsentsitra daholo; avy amin' izany no nahatonga ilay ohabolana hoe : Mihinan-droa tahaka ny dinta. Ahitsio
Dinitra
[admin]
: a. : Hatsembohana.1 t.i.f. : Dinirina. ? F,-p, : Mivoa-dinitra : mi-tete hatsembohana, teratsemboka, mivajijika. / Dinitr'ombalahy : hatsembohana mipotrapotraka be. Ahitsio
Diningana
[admin]
: (dingana) mt.ih, misy tsofoha in : Voadingana, dinganina, dikaina : Nodiningany ny rainy ka tsy faly. f• Ihoarana : Nodiningany ny hady. ? Avala, hadino : Nodininganao ireto andalana roa ireto. Ahitsio
Dinimby
[admin]
: (dimby) mt.ih. misy tsofoka in : Voadimby, dimbasana. Ahitsio
Dinika
[admin]
: (diha) mt.ih. misy tsofoka in : Voadika, nodikaina : Nodinikao ny lalàna ka ho voasazy ianao, Ahitsio
Dinika
[admin]
: a. : Fahakelezana, faharotsadrotsahana. - t.i.f. : Madinika, hadinika, dinidinika. Ahitsio
Dinika
[admin]
: a. : Fitsakoana fanindroany ataon'ny biby sasantsasany, toy ny omby, mba hanorotoroany izay nohaniny maimaika tany an-tsaha. - t.i.f. : Dinihina, voadinika / mandinika, fandinika,mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika. Ahitsio
Dinika
[admin]
: a. : Resaka momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha : Misy dinika hataon'ny vaomiera momba izany. ~ Famakafakana mba hahalalana zavatra iray araka izay tena toetrany, lanjany, hasoany : Miki dinika lalina izany toe-javatra aposakao izany. - t.i.f. : Dinihina, voadinika 1 mandinika, fandinika, mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika / dinidinika. Ahitsio
Dinihina
[admin]
: (dinika) mt.ih. (diniho) : Fakafakaina, alaina ambony alaina ambany : Tokony hodinihina tsara izany raharaha izany. Ahitsio
Dinidinika
[admin]
: a. : Resadresaka ifanaovana momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha. ¶ M.h. : Tapatapak'ahitra. - F,-p, : Dinidinika ambany tafontrano : resadresaka ifanaovan'ny mpianakavy na antokon'olona samy irery. Ahitsio
Dinidy
[admin]
: (didy) mt.ih. misy tsofoka in : Voadidy, didiana : Nodinidin 'ny Fanjakana vao haingana ny fanondranana akondro. / Nodinidinao firy ilay voasary ? Ahitsio
Dinginana
[admin]
: (dingina) mt. ih. (dingino) ; Ihoarana, songo- nana : Nodinginan'ny mpifaninana aminy rehetra izy. Ahitsio
Dingina
[admin]
: a. • Fijoron-javatra manondro lanitra; fihoarana, fanongonana. - t.i.f. : Dinginana, tafadingina / midingina, fidingina, mpidingina / idinginana, fidinginana / mahadingina. Ahitsio
Dingidingy
[admin]
: a, : Toerana avo. Ahitsio
Dinganina
[admin]
: (dingana) mt ih. (dingano) : Itana, vildnina : Dingano io tatatra io raha te ho tonga er9 atsimo er? ianao. ? Hadino, avala : Nodinganiny ny andininy fahatelo tamin'ilay hira. Ahitsio
Dingana
[admin]
: a. : Refin'ny elanelan'ny tongotra roa eo ampamindrana : Lava dingana ianao izany noho izaho. ? Halavan-drefy mitovy amin'ny tsaikona mahery kely na ny dia maika (telon-jehy sy hondry : 0,60 m). * t.i.f. : Dinganina, voadingana / mandingana, fandingana, mpandingana / andinganana, fandinganana / mahadingana. Ahitsio
Dingadingana
[admin]
: a. : Karazan-javamaniry (Psiadia dodonaefolia). Ahitsio
Dindo
[admin]
: a. : Tandindona, taratry ny tena; matoatoa. - F.-p. : Mamaia dindo : manao veloma ny fiainana, mamela fahatsiarovana. / Ma-mono dindo : mandroaka matoatoa. Ahitsio
Dindina
[admin]
: a. : Ny ateraky ny feo lavareny sady mikarantsana ka mbola re mangintsina ao anaty sofina na dia efa mijanona aza. * t.i.f. : Mandindina, fidindina / idindinana, fidindinana. Ahitsio
Dindilo
[admin]
: a. : Karazan'ahitra fanasana volo. Ahitsio