Teny nampidirina farany

Dilo
[admin]
: ft. : Enti-milaza fangintsingintsinana amin'ny nify na ny sofina noho ny zavamarikivy nohanina na feonjavatra mikiaka sy mikarantsana henon'ny sofina. * : Madilo / mahadilo, mankadilo, mampahadilo. Ahitsio
Dilatra
[admin]
: a. : Vovo-tany maivana entin'ny rano amin'ny renirano ka mandry eny ho eny, manarona sy mahalonaka ny tany : Tany dilatra. Ahitsio
Dilatra
[admin]
: ft. : Enti-milaza fandalovan-javatra mahakasika kely. - t.i.f. : Mandilatra. Ahitsio
Dilanina
[admin]
: (dilana) mt.ih. (dilano) : Etena, fintinina eo afovoany. Ahitsio
Dilana
[admin]
: a. : Lempona na keoka eo afovoany ; faritra kely na manify noho ny eo akaikiny mifampitohy aminy. - t.i.f. : Dilanina, adilana / mandilana, fandilana, mpandilana / andilanana, fandilanana / madilana, andilana, hadilanana. - F,-p. : Mitsako dilana : manao fihetsehan'ny vava toa mitsako nefa tsy mihinana na inona na inona. Ahitsio
Di
[admin]
: la p. t. : Tafadify, takona ary nifandiso tsy nifankahita, tafahoatra, lasa : Dila ny amin' ny efatra, tsy hitanao eto intsony aho. Ahitsio
Dikitra
[admin]
: p.t. : Sosotra, tsy faly, tezitra. i ai f. : Mahadikitra. Ahitsio
Dikisionera
[admin]
: (fr. dictionnaire) a. : Boky ahitana ny teny rehetra ao amin'ny fiteny iray, voalahatra araka ny fisesin' ny abidy ka misy fanazavana azy ireo tsirairay avy, na ny dikany amin'ny fiteny hafa; rakibolana : Ramino no nanao dikisionera malagasymalagasy voalohany. / Dikisionera malagasy-frantsay. / Mijere dikisionera raha misy teny tsy fantatrao. Ahitsio
Diky
[admin]
: Dikidiky a. : Hasosorana. - t.i.f. : Madiky, mahadiky, mahadikidikY. Ahitsio
Diky
[admin]
: a. : Fivalanana, tay : Dikin-tsoaualy. Ahitsio
Dikatra
[admin]
: ft. : Enti-milaza fanaovana zavatra tsy ara-pilaharana fa mandingandingana etsY sy eroa. - t.i.f. : Mandikatra, fandikatra, mpandikatra / andikarana, fandikarana I midikatra, fidikatra. Ahitsio
Dikaina
[admin]
: (dika) mt.ih. (dikao) : Ihoarana avy eo ambony : Dia tsy ho hainao dikaina ve io tatatra io F ? Seranana na salovanana eo anoloana na eo ambony : Aza dikainao it? dadatoanao, anaka. ? Andalovana fotsiny, tsy raharahaina : Loza fa nodikainao ny lehibenao, hadinonao angaha ny hoe : aza manao rano dihain-jinga F ? Nodinganina, navela fa hadino : Andalana tala no nodikain'ny mpanoratra amin'ny milina. ? Tsy narahina : Nodikainao ny lalàna ha hofaizina ianao. Ahitsio
Dika
[admin]
: ft. : Enti-milaza fihoarana; tsy fanarahan-dalàna; fakàna tahaka soratra; fanovaria tenim-pirenena iray ho amin'ny teny hafa. - t.i.f. : Dikaina, adika / mandika, fandika, mpandika / andikana, fandikana / midika / mahadika. ? F.-p, : Dika soratra : Famerenana na fakana tahaka soratra ao anaty boky na eny amin'ny solaitrabe. / Di-ka teny : fandikan-teny : Sarotra ny manao dika teny. / Dikan-teny : teny namadihana teny hafa : Ataoko fa diso io dikan-teny io. / Manao dika uilana : mandika teny tsy araka ny tokony ho izy. / Tsy misy dikany : tsy misy antony, tsy misy fotony. Ahitsio
Dihizina
[admin]
: (dihy) rat. ih. (dihizo) : Ifaliana anaovana dihy : Vaouao mahafinaritra tahaka izany ha tsy hodihizina F Ahitsio
Dihindihina
[admin]
: a. : Fandeha sy fihetsika miandranandrana feno rehareha. - t.i.f. : Midihindihina, fidihindihina, mpidihindihina / idihindihinana, fidihindihinana. Ahitsio
Dihy
[admin]
: a. : Toetran'ny fanidin' ny vorona eny amin'ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany. Ahitsio
Dihy
[admin]
: a : Fampisehoam-pihetsehana ataon'ny tena manontolo : loha, tanna, tongotra, ary indraindraY koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana. - t.i.f. : Dihizina na dihizana / mandihy, fandihy, mpandihy I andihizana, fandihizana. - F.-p. : Dihy be : dihy miara-be. / Dihy uazaha : dihY nentin'ny Vazaha ary narnpianarinY, / Dihy gasy : dihY nentim-paharazana malagasy : mandeha irery samy ma-ka ho azy ny mPandihY ka mitsaikona na mamindra, manipy sandry, mandataidrantsana na manetsika ny soroka amim-pahaldngana. / Dihim-bavy : dihy izay ny tanana no manana anjara be indrindra aminy. / Dihin-dahy : dihy izay ny tongotra no manana anjara be indrindra aminy. / Dihim-bazaha : kilalao fanaon'ny ankizivavy : mitsambikina amin'ny tady izay ahoatra ny loha ary ampandalovina ambanin'ny tongotra. / Dihy mihoa-bonga : fanambatambazana izaitsizy, omban'ny hevitra hamitaka. / Dihy ualotra : dihy nampianarin'ny vazaha ka nalaza fahizay tao an-dRova, nisy karazany ma-ro, toy ny Vorombola, Toamasina, Manjakamiadana... ¶ M.h. : tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegY• Ahitsio
Difotra
[admin]
: p.t. : Sarona, rakotra : Difotry ny rano ny tanimbary. 1 H.o. : Rendrika ao anaty: Difotry ny alahelo i Neny tamin'ny nahalasanan'i zoky tany am-pita. ? Ihoarana, milentika ao anatY : Difotry ny mangahazo aho : loza izany raha hatsaran'izaY voly, - t.i.f• : Adifotra j mandifotra, fandifotsa. Ahitsio
Difiteria
[admin]
: (fr. diphtérie) a.: Aretin'ny ankizy indrindra, izay miseho amin'ny tenda maharary miaraka amin'ny tazo maivamaivana; vetivety dia misy zavatra fotsifotsY miforona ka mandrakotra ny aty tenda na ny orona; raha tsY voavonjy haingana, dia mety hanentsina ny fiainan'ny marary kamahafaty. Ahitsio
Difisesy
[admin]
: a. : Fomban-drandram-bolo izay misesy midi-na avy any ambony ary am-pian volo kely isaky ny ampifanolanina indray mandeha ka mifampidiPiditra mandady hatranY manaraka nY hodi-doha ary miraikitra sy mipetaka amin'ny loha fa tsy mba mikiraviravy na miefakefaka. (Mitovitovy amin'nY lambomiditra ihany ny difisesy, fa ny haventesan'ny sori-bolo no maha-samY hafa azy; ny difisesy dia atao koa hoe randrantarihina). Ahitsio