Teny nampidirina farany

Din'asa
[admin]
: a. : Fifaneken'ny olona fahiny isam-bohitra fa hifarimbona amin'ny asa na taozavatra na amin'ny fanenjehana olon-dratsy mba tsy ho resin'ny vohitra hafa ; matetika koa anefa, ny din'asa dia fifaneken'ny vatan-dehilahy amin'ny vohitra iray fa hifaninana amin'ny asa na taozavatra, ka izay mahavita tsara sy haingana no mahazo ny loka. (Ny olona mifanaiky handray anjara amin' ny din'asa toy izany dia na-tao hoe manao dina; izay nahalavorary ny anjarany, na-tao hoe velon-dina na mahomby dina; izay tsy nahefa ny anjarany kosa, maty dina, ary ny ray aman-dreny manasazy izay tsy nahatontosa ny anjarany no nantsoina hoe mamono dina). Ahitsio
Dinamita
[admin]
: (fr. dynamite) a, . Vanja fanapoahana vato, na zavatra tiana hazera toy ny trano, tetezana... Ahitsio
Dinaka
[admin]
: a. : Vely, daboka, famonoana amin'ny kapoka. • t.i.f. : Dinahina, voadinaka / mandinaka, fandinaka, mpandinaka / andinahana, fandinahana. Ahitsio
Dinahina
[admin]
: (dinaka) mt.ih. (dinaho) : Velezina, dabohana, kapohina tsy ananana antra. Ahitsio
Dinadina
[admin]
: p.t. : Fano; enti-milaza ny kibo mibontsina no-ho ny fahavokisana. ¶ M.h. : Dibadiba. + t. if. : Midinadina, fidinadina / idinadinana, fidinadinana. Ahitsio
Dina
[admin]
: a. : Fanekena nifanarahana, teny nifanekena : Manao d{na fa tsy hivadika. - F,-p, : Dinam-pitiavana : lokaloka fa ho tia mandrakizay. / Dinam-pokonolona : lalàna amam-pitsipika nifaneken'ny fokonolona fa harahina. (Natao am-bava fotsiny taloha fa nampiarahina tamin'ny fianianana na velirano ny dinam-pokonolona; taty aoriana vao natao an-tsoratra ireo lalàna ireo ka no-mena anarana hoe fanekempokonolona izy tamin'izay. / Din'asa: (jar. io). Ahitsio
Dimpoana
[admin]
: p.t. : Misalebona na misalebolebo, maloiloy. Ahitsio
Dimiventisivoamena
[admin]
: a. : Anaram-bola madinika fahiny izaY dimy amby telopolo ampaharoapolo amby fitoniaton'ny ariary. Ahitsio
Diminambatry
[admin]
: a. : Anaram-bola madinika fahiny izay dimy ampaharoa amby fitopolon' ny ariary, mitovitovy lanjambidy amin'ny lasiray sY varifitoventy. Ahitsio
Dimina
[admin]
: (dimy) mt.ih. (dimio) : Zaraina dimy : Nodimina ny louanay. Ahitsio
Dimy
[admin]
: p.i. : Efatra ampiana iray : Dimy ny rantsan'ny ta-nana anila. - t.i.f. : Dimina / manadimy, fanadimy, mpanadimy / anadimiana, fanadimiana / m?dimy, fidimy, mpidimy / idimiana, fidimiana 1 fahadimy / indimy, tsidimidimy / manindimy / fanindimy / ampahadimy / hadimiàpa / sasapahadimy. Ahitsio
Dimbinantsy
[admin]
: a. : Ahitra na a-nana izay maniry eo amin'ny tahony efa nakana na nanapahana. (Matetika no tapahina amin'ny antsy ny anamamy toy izany ka izany no nahatonga ny anaran'io karazan'anamamy io hoe : anamamy dimbin'antsy). Ahitsio
Dimby
[admin]
: a. : Olona mitana ny toerana ary manohy ny asan' ny teo aloha sy mamelo-maso azy : Ny zanany lahy no dimbin-dRakoto. ? Solo : Tsy ho tsara fanahy ohatra azy akory ny dimbin'io mpampiasa io. - t.i.f. : Dimbasana na diasana, adimbY / mandimby, fandimby, mpandimby / andimbasana, fandimbasana / mahadimby 1 mifandimby. Ahitsio
Dimbasana
[admin]
: na Diasana (dimbY) mt.ih (dimbaso na diaso) : Soloana toerana : Sarotra dimbasana ny olona tahaka an'ireny. Ahitsio
Dimbana
[admin]
: p.t. : Tsy mitovy tantana, tsy milahatra mahitsy ka misy avo sy iva; ilazana ny tandroka izay ny iray miakatra, ny iray midina : Dimbana ny tandrok'it9 omby it?. ? Misy banga ka tsy mitovy tantana, misy nifinifiny : Dimbana ny lelan'iny antsy iny ha tsy mahadidy tsara. - t.i.f. : Voadimbana / mandimbana, fandimbana, mpandimbana / andimbanana, fandimbanana / mahadimbana. Ahitsio
Dimba
[admin]
: (Ski) p.t. : Enti-milaza ny tandrok'omby, raha tsy mitovy fandry izy roa. Ahitsio
Dimatika
[admin]
: a. : Bibikely iray tarika amin'ny dilata, izay hita any an'ala, eny amin'ny hazo na eny amin'ny ahitra, ary manao fandehan'ny olimpanjehy ; dintanala. Ahitsio
Dilotra
[admin]
: a. : Feo re avy amin' ny fifampikasohan'ny zavatra roa samy mafy; feo midridroka, na mikarantsana noho ny fikasohana. * t.i.f. : Dilorina, adilotra, voadilotra / mandilotra, fandilotra, mpandilotra / andilorana, fandilorana / midilotra, fidilotra, mpidilotra / idilorana, fidilorana. Ahitsio
Dilorina
[admin]
: (dilotra) mt.ih. (dilory) : Kosehina, kitrohina, ampifampikasohina : Rehefa manasa io tavy io ianao, di-tory tsara mba ho afaka ny loto. Ahitsio
Diloilo
[admin]
: (fr. de l'huile) a. : Menaka avy amin'ny zavamaniry : Ny mena-boanio dia a-tao koa hoe diloilo coco. Ahitsio