Teny nampidirina farany

Tresaka
[admin]
: p.t.: Vaky sady mivava, misokatra. - t.i.f.: Tresahina, atresaka, voatresaka, tafatresaka / manatresaka, fanatresaka, mpanatresaka / anatresahana, f anatresahana 1 mitresaka, fitresaka, mpitresaka / itresahana, fitresahana 1 mahatresaka I tresatresaka. Ahitsio
Tresahina
[admin]
: (tresaka) mt. ih. (tresaho): Vakina sady verahina. Ahitsio
Treronina
[admin]
: (trerona) mt. ih. (trerony): Anaovana feo mandrahona, mampitahotra: Notreronin-drainy mafy Ikoto ka raiki-tahotra, Ahitsio
Trerona
[admin]
: a.: Teny mandrahona. - t.i.f.: Treronina / mitrerona, fitrerona, mpitrerona / itreronana, fitreronana / mahatrerona / trerontrerona. Ahitsio
Treoka
[admin]
: sy Treotreoka a.: Ny tendabe. ? Feo migoboka feno fandrahonana. * F.-p.: Treo-dela: ny fotos dela. / Treotreok'orana: orana efa misamboaravoara. 1 t.i.f.: Mitreoka, mitreotreoka. Ahitsio
Trena
[admin]
: a.: Ny fiman'ny omby. 1 Ny feo mimamamàna na mifofofofon'ny riaka. 1 h.o.: Feo mampitahotra eo am-pahatezerana. 1 tif: Tafatrena / mitre-na, fitrena, mpitrena / mahatrena I trentrena. Ahitsio
Trama
[admin]
: p. t.: Ngeza, lehibe, indrindra eo amin'ny harena. Tremalahy: olona manankarem-be. ¶ M.h.: Tremalahy, mpanjatobe, komohina, mpanarivo, mpanalina, mpanefohefo, mpanontany ny ory, metroka, matevina, 'retro-ka, tovinjaka, feno tsoka, manam-be hovangoana, mianjady amin'ny fananany, milomano amin'ny harena, miravoravo manana, mihary zaka, mpangoron-karena, saingona, be fofon'aina. Ahitsio
Trehatreha
[admin]
: sy Trehantrehana a.: Firehaka, teny fireharehana amin'ny harena, hery na fahaizana. - t.i.f.:Tafatrehatreha 1 mitrehatreha, fitrehatreha, mpitrehatreha 1 itrehatrehana, fitrehatrehana 1 mahatrehatreha. Ahitsio
Trefotra
[admin]
: a: Tsefotra entimilaza ny feo miboana na mipoaka tampoka heno raha misy biby mangetotra. - t.i.f•: Treforana, atrefotra, voatrefotra J mitrefotra / itreforana, fitreforana. Ahitsio
Treforana
[admin]
: (trefotra) mt. ih. (trefory): Tseforana, andefasana feo miboana. Ahitsio
Trefona
[admin]
: sy Trifona a.: Fitronana, toy ny an'ny omby na soavaly. - t.i.f.: Mitrefona, fitrefona, mpitrefona / itrefonana, fitrefonana, itrifonana, fitri• fonana / mahatrefona / trefontrefona. Ahitsio
Trebotrebonamboa
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanao raokandro (Dicrocephala latifolia). Ahitsio
Trebotrebo
[admin]
: ft.: Hita amin'ny fitenenana hoe: Mamono olona an-trebotrebo: mamono olona tsy araka ny lalàna. Ahitsio
Trebonina
[admin]
: (trebona) mt. ih. (trebony): Tsatohana zavatra marani-doha. Ahitsio
Trebona
[admin]
: a.: Fitsimohan'ny zavamaniry. 1 Fanatsatohana zavatra marani-doha amin-javatra malemilemy. - t.i.f.: Trebonina, atrebona, voatrebona 1 manatrebona, fanatrebona, mpanatrebona / anatrebonana, fanatrebonana 1 mitrebona, fitrebona 1 itrebonana, fitrebonana/ mahatrebonal trebontrebona. Ahitsio
Trebika
[admin]
: a.: Fanindronana amin'ny zava-maranitra. - t.i.f.: Trebehina, atrebika, voatrebika, trinebika / manatrebika, fanatrebika, mpanatrebika / anatrebehana, fanatrebehana / mitrebika, fitrebika, mpitrebika 1 itrebehana, fitrebehana 1 mahatrebika 1 trebitrebika. Ahitsio
Trebehina
[admin]
: (trebika) mt. ih. (trebeho): Tsindronina, loahana. Ahitsio
Trea
[admin]
: (Br) a.: Enti-milaza karazan-tandrok'omby misabaka tanteraka ka mitovy fan-dry somary mahitsy lava amin'ny ila sofina roa. Ahitsio
Tratrevaina
[admin]
: (tratreva) mt. ih. (tratreoao): Hosena, potehina, montsanina. Ahitsio
Tratreva
[admin]
: a.: Vatravatra; fandeha mahery setra manimba izay sendra azy; fihetsika mivatravatra na amin'ny fandeha na amin'ny fiteny. - t.i.f.: Tratrevaina, atratreva, voatratreva / manatratreva, fanatratreva, mpanatratreva 1 anatratrevana, fanatratrevana / mitratreva, titratreva, mpitratreva 1 itratrevàna, fitratrevàna / mahatratreva 1 tratrevatreva. Ahitsio