Teny nampidirina farany

Tsapa
[admin]
: a.: Fikasihana zavatra amin'ny tanana mba hamantarana azy: Tsapa sokin-dRanona ka ny azo ihany no avadibadika (Ohab.). * Fanaovana izay hahafantarana ny maha-izy ny zavatra iray, fizahana toetra. * Famangiana fahoriana. • mt. ih.: Hita, voamarika: Tsapako fa misy lanjany ny teny malagasy. - t.i.f.: Tsapaina, voatsapa 1 mitsapa, fitsapa, mpitsapa 1 itsapana, fitsapana 1 mahatsapa 1 tsapatsapa. Ahitsio
Tsaotsao
[admin]
: ft.: Niavian'ny matsaotsao, mitsaotsao. Ahitsio
Tsaontsaona
[admin]
: a.: Fitriatriaran' ny vava manao teny tsy voahevitra; teny tafahoatra tsy amim-piheverana. - t.i.f.: Tafatsaontsaona 1 mitsaontsaona, fitsaontsaona, mpitsaontsaona / itsaontsaonana, fitsaontsaonana 1 mahatsaontsaona. - F,-p,: Tsaontsaom-bava: tsy mahatam-bava, be haimbava. ¶ M.h.: Vatsavatsa, karijo, kamentsona, pentsompentsona. Ahitsio
Tsaoka
[admin]
: a.: Fiondrehan'ny loha sy fanantazan-tanana ho mari-panajana, 1 Fanehoampanajana fanao am in' Andriamanitra. - t.i.f.: Tsaohina, voatsaoka / mitsaoka, fitsaoka, mpitsaoka / itsaohana, fitsaohana / mahatsaoka. Ahitsio
Tsaoka
[admin]
: (angl. chalk) a,: Sombin-tany fotsy toy ny ravoravo voavoatra ho fanoratana amin'ny solaitrabe. Ahitsio
Tsaohina
[admin]
: (tsaoka) mt ih, (tsaohy): Hajaina fatratra; anehoam-panajana fatratra amin'ny maha-Andriamanitra azy. Ahitsio
Tsantsona
[admin]
: a.: Jer. Tsantsana. Ahitsio
Tsantselatra
[admin]
: a.: Tara-pahazavana mihelatra ohatra ny an' ny fiadiana ampandihizina ka manjelatra. - t.i.f.: Tafatsantselatra / mitsantselatra, fitsantselatra j tsantselatselatra. Ahitsio
Tsantsana
[admin]
: a.: Feo mikiakiaka. • Hamailaham-bava izay sady mikarantsana no mampiseho hasiahana koa. - t.i.f.: Tsafatsantsana 1 mitsantsana, fitsantsana, mpitsantsana 1 itsantsanana, fitsantsanana / mahatsantsana. Ahitsio
Tsantsambaitra
[admin]
: a.: Anaran'ahitra (Helichrysum). Ahitsio
Tsanta
[admin]
: a.: Karazan-kiram-piangonana fanao amin'ny salamo, izay somary lavareny, fa amin'ny vaninteny roa na te-Io alohan'ny farany vao misy fiangolana. • h.i.: Hira malahelohelo: "Ao ny tsantan'ny andro taloha / sy ny hiran'ny fahazazako / no milevina ka tsy mifoha / na miuerina mba hitondra ako", (J.J. Rabearivelo) Ahitsio
Tsangilihily
[admin]
: (Ski) a.: Biby andranomasina tahaka ny hatrotro. Ahitsio
Tsangy
[admin]
: a.: Fitondrana ny anaran-dray; fanarenana ny harena aman-draharahan'ny fianakaviana; fanomezana voninahitra ny razana sy ny ray aman-dreny. - t.i.f : Mahatsangy. Ahitsio
Tsangy
[admin]
: a.: Enti-milaza ny vary totoina efa tsaitsainy na efamadivaho fotsy. Ahitsio
Tsangantandroka
[admin]
: Jer. Kalanga. Ahitsio
Tsanganolona
[admin]
: a.: Anaram-bola farantsa volafotsy izay misy sarin'olona telo mitsangana. Ahitsio
Tsanganana
[admin]
: a.: Bika. • h. i: Bikan'olona mijoro lava. ? p. t, : Bikana. Ahitsio
Tsangan-tanana
[admin]
: fifidianana tay atao amin'ny latsa-bato fa amin'ny fananganan-tana- na fotsiny. Ahitsio
Tsangana
[admin]
: a.: Fijoroana; ny bika eo am-pijoroana; haavo; halava hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha. - t.i.f.: Atsangana, voatsangana, tafatsangana / manangana, fanangana, mpanangana I anangànana, fanangànana 1 mitsangana, fitsangana, mpitsangana / itsanganana, fitsanganana 1 mahatsangana / tsanganana, tsangantsangana. - Tsangambato: vato najoro ho fahatsiarovana ny maty an'ady na izay tsy tonga ao am-pasan-drazana na very faty. / Tsangambava: lovia kely lalina aty fasiana rony, atao koa hoe: tsatokaty. / Tsangam-boasary: lalao natao hilokàna taloha ka izay mahavoa ny zavatra napetraka, toy ny voasary, vo-la, akoho... no mahazo. / Tsangan'afo: marika atao amin'ny tanàna iray mba hamantaran'ny tanànamanodidina fa misy loza mahazo. / Tsangan-kevitra: foto-kevitra ijoroana. / Tsangan'olona: 1) anaram-bola farantsa volafotsy izay misy sarin'olona telo mitsangana; 2) olona ajoro fotsiny ho solon'ny hafa fa tsy manam-pahefana na tompon'andraikitra. / Ahitsio
Tsangambava
[admin]
: a.: Lovia kely lalina aty fasiana rony, atao koa hoe tsatokaty. Ahitsio