Teny nampidirina farany

Trompetra
[admin]
: (fr, trompette) a,: Zavamaneno misy fitsofana manokana, na maintipiso, sy pisit6, ary mihoronkorona indroa ny vatany. Ahitsio
Tromba
[admin]
: (Tsm) a.: Fanahy na avelon'ny mpanjaka na ny taranany, na avelon'olona nanan-daza teo amin'ny mpiara-belona taminy fahizay ka mitoetra miaraka aminy. — (fahazoan'ny maro azy) Aretina heverina ho avy amina fanahy manindry ka mampienjika sy mampanao fihetsehana hafahafa isan-karazany. ¶ M. h. : Aretinandriananahary, menabe, bilo. Ahitsio
Troka
[admin]
: (t. tr.) a.: Kibo. Ahitsio
Troka
[admin]
: a.: Fisintonana ranonjavatra amin'ny orona na va-va ka rivotra no isintonana azy. - t.i.f.: Trohina, trofina, atroka, voatroka I mitroka, fitroka, mpitroka 1 itrohana, fitrohana, fitrofana 1 mahatroka I trotroka. Ahitsio
Trohina
[admin]
: (troka) mt. ih. (trohy): Sintonina amin'ny orona na vava, amin'ny alalan' ny rivotra: Trohy ny tsoka amin'ity taolana ity fa tsara. Ahitsio
Trobona
[admin]
: Jer. Trebona. Ahitsio
Trobaka
[admin]
: a.: Loaka: Misy trobaka ny rindrin-dry zareo ao atsimo. ? p.t.: Loaka tanteraka, gorobaka: Trobaka ny takibany tamin'ilay lefona tsy hita fiaoiana. - t.i.f, : Trobahana, trobarana I atrobaka, voatrobaka, tafatrobaka f manatrobaka, fanatrobaka, mpanatrobaka / anatrobahana, fanatrobahana, fanatrobarana / mitrobaka, fitrobaka / itrobahana, fitrobahana, fitrobarana I mahatrobaka 1 trobatrobaka. Ahitsio
Trobahana
[admin]
: (trobaka) mt, ih. (trobahy): Gorobahana amin'ny zava-maranitra: Notrobahany tamin'ny lefona ny laniuoany. Ahitsio
Troatra
[admin]
: a.: Fialana tampoka amin'izay misy ny tena no-ho ny hatairana na fandrenesana maharary mafy. • Fahatairan'ny biby tampoka ka mahatonga azy handrifatra. - t.i.f•: Troarana, atroatra, voatroatra, tafatroatra / manatroatra, fanatroatra, mpanatroatra / anatroarana, fanatroarana f mitroatra, fitroatra, mpitroatra / itroarana, fitroarana 1 mahatroatra 1 troatroatra. Ahitsio
Troarana
[admin]
: (troatra) mt. ih. (troaro): Atao izay hitroarany. Ahitsio
Troaka
[admin]
: a.: Fandrenesana maharary eo amin'ny takiba mahatonga ho sempotra tsy avy miaina, tevika. ? Feo re avy amin'ny tongotra miala avy ao anaty fotaka. - t.i.f.: Mitroaka, fitroaka / itroahana, fitroahana / troatroaka. Ahitsio
Tritry
[admin]
: a,: Ny taolana mifampitohitohy amin'ny hazondamosin'ny olona na ny biby. - t.i.f.: Mitritritritry, fitritritritry. Ahitsio
Tritratritra
[admin]
: a.: Hamaivanan-doha mahatonga hipelipelika sy hitsambikimbikina manakotaba ny sasany. - t.i.f.: Atritratritra, tafatritratritra I manatritratritra, fanatritratritra 1 anatritratritrana, fanatritratritrana / mitritratritra, fitritratritra, mpitritratritra / itritratritrana, fitritratritrana / mahatxitratritra. Ahitsio
Tritra
[admin]
: a.: Fitseforana, fipoahana tatavia mibontsina izay miboana. - t.i.f.: Mitritra / itrirana, fitrirana. Ahitsio
Tripitripika
[admin]
: Mitovy amin'ny Tribitribika. Ahitsio
Tripanozaoma
[admin]
: (fr. tripanozome) a.: Karazana mikraoby bibikely mivelona ao anaty ran'ny lalitra atao hoe tsetse, izay mahatonga aretin-torimaso, fa matory be tsy maharay tena izay voakaikitr' io lalitra io. Ahitsio
Triotrio
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny fandiafasika. Ahitsio
Trinotro
[admin]
: (trotro) mt. ih. misy tsofoka in: Trotroina, voatrotro: Zaza mbola trinotrondreniny io. Ahitsio
Trinitriny
[admin]
: a.: Jar. Tringitringy. Ahitsio
Tringitringy
[admin]
: sy Trinitriny a.: Tendron-tendrombohitra marani-doha. - t.i.f.: Atringitringy, voatringitringy, tafatringitringy I manatringitringy, fanatringitringy I anatringitringiana, fanatringitringiana 1 mitringitringy, fitringitringy / itringitringiana, fitringitringiana I mahatringitringy, Ahitsio