Teny nampidirina farany

Tsangambato
[admin]
: a.: Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an'ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony: Vorodamba efa tontan'ny ela no misarona ilay tsangambato. (A. Rajon) ? Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro Inhibe na malaza tsy hohadinoina: Ny boky no tsangambato auelan'ny mpanoratra ho an'ny taranaka. Ahitsio
Tsanaka
[admin]
: sy Tsananàka p.t.: Enti-milaza ny menaka manorika avy amin'ny hena matavy. - t.i.f.: Atsananàka, voatsananàka, tafatsananàka / mitsananàka, fitsananàka, mpitsananàka / itsananahana, fitsananahana / mahatsananàka. Ahitsio
Tsamontsamonina
[admin]
: (tsamontsamona) mt. ih, (tsamontsamby): Hanina ka hatao mitsefotsefotra ny molotra. Ahitsio
Tsamontsamona
[admin]
: a.: Fitsakoana aharenesana ny fitsefotsefotry ny molotra. - t.i.f.: Tsamontsamonina, atsamontsamona, tafatsamontsamona / mitsamontsamona, fitsamontsamona, mpitsamontsamona / itsamontsamonana, fitsamontsamonana 1 mahatsamontsamona. Ahitsio
Tsambikina
[admin]
: a.: Fihoaran'ny tongotra iray na ny tongotra roa indray miaraka mafy, na misy fefy ihoarana na tsia. - t.i.f.: Atsambikina, tafatsambikina 1 mitsambikina, fitsambikina, mpitsambikina / itsambikinana, fitsambikinana / mahatsambikina. Ahitsio
Tsambikimbola
[admin]
: a: Fitsambikinana fanaon'ny ankizy ka mitakoko ny tenany amin' izany, ary miforitra ny ranjony. Ahitsio
Tsamaka
[admin]
: p. t.: Maranitra. Ahitsio
Tsakoina
[admin]
: (tsako) mt. ih. (tsakoy): Potipotehina amin'ny nify ao am-bava: Tsakoy tsara ny zavatra haninao mba tsy hamizana ny vavoninao. Ahitsio
Tsakoaka
[admin]
: a.: Feo re raha misy zavatra Inhibe mianjera ao ahaty rano, na raha sintonina hiala avy ao anaty fotaka ny tongotra. Ahitsio
Tsakoahina
[admin]
: a.: Fikainkon'ny hendratrendrany mampisaraka ny tratra sy ny kibo tainpoka ka mahatonga feo hafahafa vokatry ny rivotra mandalo eo amin'ny vavalalan-drivotra: Saiky matetika vokatry ny hatsiaka no mahatonga ny tsakoahina. • p. t.: Voan'ny tsakoahina: Tsa koahina Ibalita kely. Ahitsio
Tsako
[admin]
: (fit.-p.) a.: Katsaka. Ahitsio
Tsako
[admin]
: a.: Fanapotipotehan'ny nify ny sakafo ao am-bava: Manao tsakon'ondry, - t.i.f.: Tsakoina, atsako, voatsako, tsinako j mitsako, fitsako, mpitsako / itsakoana, fitsakoana I mahatsako / tsakotsako / manakotsako / mitsakotsako. - F,-p.: Tsako dilana: ny fihetsiketsiky ny vava ohatra ny mitsako zavatra, nefa tsy misy na inona na inona tsakoiny akory. / Tsako moka: fitsakoana zavatra tsy misoka-bava. Ahitsio
Tsakitsaky
[admin]
: a: (taloha) Entimilaza ny vary nomena an' ireo "velona", izany hoe ireo afaka soa aman-tsara tamin'ny fampinomana na fampisotroana tangena. ? (ankehitriny) -1) Sombin-kanina kely indraim-bava hanin'ireo mpisotro zava-pisotro mahery. -2) Sakafo fanampiny, haninkanina. Ahitsio
Tsakike
[admin]
: (Ski) a.: Aretin-tenda malaky mahafaty. ¶ M. h.: Sokondre. Ahitsio
Tsakatsaka
[admin]
: a.: Fandehanana miditra any anaty lobolobo izay heverina ho misy lolo na vazimba; fivezivezena amin' ny toerana tsy fantatra; firioriovana etsy sy eroa. - t.i.f.: Tafatsakatsaka / mitsakatsaka, fitsakatsaka, mpitsakatsaka 1 itsakatsakana, fitsakatsakana / mahatsakatsaka. Ahitsio
Tsaka
[admin]
: ft.: Fakana rano eny andoharano. - t.i.f.: Antsakaina ( mantsaka, fantsaka, mpantsaka ( antsakana, fantsakana / mahantsaka. Ahitsio
Tsaka
[admin]
: ft.: Fitana rano amin' ny firobohana ao anaty rano. I t.i.f.: Mitsaka, fitsaka, mpitsaka / itsakana, fitsakana ) mahatsaka. Ahitsio
Tsaka
[admin]
: ft.: Feo re amin'ny fandidiana zavatra rasaina na lamba tapahina amin'ny antsy maranitra, na amin'ny fanatrabahana tany amin'ny angady maranitra. Atsaka, voatsaka, tafatsaka / manatsaka, fanatsaka, mpanatsaka ( anatsakana, fanatsakana I mitsaka, fitsaka, mpitsaka / mahatsaka. Ahitsio
Tsaitsainy
[admin]
: na Tsaitsaim-bary a.: Enti-milaza ny vary 'mby eo amin'ny ambaratonga faharoa amin'ny fitotoana azy, izany hoe efa nototoina fanindroany ary mbola hototoina indray mandeha farany vao tena ho fotsy tsars (jer. Aivoka, Fotsy). Ahitsio
Tsaingoka
[admin]
: a.: Fanaikerana mitomboka, atao amim-pahakingana dia mihataka, toy ny fanaon'ny vavan' akoho. - t.i.f.: Tsaingohina, atsaingoka, voatsaingoka, tsinaingoka I manaingoka, fanaingoka, mpanaingoka ( anaingohana, fanaingohana ! mitsaingoka, fitsaingoka, mpitsaingoka ( itsaingohana, fitsaingohana / mahatsaingoka ( tsaingotsaingoka. Ahitsio