Teny nampidirina farany

Tringa
[admin]
: a.: Fandringana, fandehanana mitongilana fa fohy ny tongotra ilany. - t.i.f.: Manatringa, fanatringa / anatringana, fanatringana 1 tringatringa 1 mitringatringa, fitringatringa, mpitringatringa / itringatringana, fitringatringana. Ahitsio
Trinebika
[admin]
: (trebika) mt. ih. misy tsofoka in: Voatrebika, trebehina, tsatohana, trobahana: Notrinebiny ny antsy ny kibon'ny omby. Ahitsio
Trinaingo
[admin]
: (traingo) mt. ih. misy tsofoka in: Voatraingo, traingoina, tapahina ny tongony (omby). Ahitsio
Trina
[admin]
: a.: Hazo kely maniry amin'ny vatan'ny hazo hafa, izay atao koa hoe "hazomiavona". Ahitsio
Trimoka
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsimoka. Ahitsio
Trimobe
[admin]
: a.: Bibiolona voalaza ao amin'ny angano ho makadiry sy lozabe ary mpihinana olona. Ahitsio
Trimo
[admin]
: a.: Anaran-kafa nilazana ny voay taloha. ? Olona vaventy be. Ahitsio
Trikitriky
[admin]
: a.: Jar. Trikatrika. Ahitsio
Trikatrika
[admin]
: sy Trikitriky a.: Hahiazana. ? Haraorao, harokoroko. •Kitoantoana. - t.i.f.: Mitrikatrika, fitxikatrika. Ahitsio
Trifona
[admin]
: Mitovy amin'ny Trefona. Ahitsio
Trifanina
[admin]
: (trifana) mt. ih. (trifano): Asaina mirifatra atsy mirifatra aroa. Ahitsio
Trifana
[admin]
: a.: Hamaimaizanahirifatra atsy hirifatra aroa. - t.i.f,: Trifanina, atrifana, voatrifana, tafatrifana I manatrifana, fanatrifana, mpanatrifana 1 anatrifanana, fanatrifanana / mitrifana, fitrifana, mpitrifana I itrifanana, fitrifanana 1 mahatrifana I trifantrifana / mikotrifantrifana, Ahitsio
Tribitribika
[admin]
: na Tribitriby a.: Fahamaroana be dia be, hahohaho, pitipitika, tripitripika. - t.i.f.: Mitribitribika na mitribitriby. Ahitsio
Triatra
[admin]
: p.t.: Rovitra, tataka: Triatra ny akanjoko. ? Vaky, tsefaka: Triatra ny rindrin' ity trano ity izany. - t.i.f,: Triarina, voatriatra / mandriatra, fandriatra, mpandriatra / andriarana, fandriarana I mitriatra, fitriatra 1 itriarana, fitriarana ( mahatriatra / triatriatra. Ahitsio
Triarina
[admin]
: (triatra) mt. ih. (tria-ro): Rovitina, tatahana. Ahitsio
Trevatreva
[admin]
: a.: Famindra na fandeha mivatravatra sy miriadriatra. - t.i.f.: Mitrevatreva, fitrevatreva, mpitrevatreva / itrevatrevana, fitrevatrevana. Ahitsio
Tretroka
[admin]
: a.: Ny saoka mivalombalona manao ambaratonga noho ny hatavezana; saoka roa. - t.i.f.: Mitretroka. Ahitsio
Tretrika
[admin]
: p, t.: Sambatra dia sambatra, finaritra sy man-dry feizay, tapi-paniriana. 1 t.i.f.: Mahatretrika / hatretrehana. Ahitsio
Tretraka
[admin]
: (Tsm) a.: Faritra hatreo amin'ny tenda ka hatreo amin'ny tratra;tratramborona. Ahitsio
Tretraka
[admin]
: a.: Ny nofo mikiraviravy eo ambany tendan' ny akoholahy: Tretrak'akoholahy. * F.-p.: Tretrak'akanjo: ilazana ny ilan'ny vozon'akanjo izay miforitra. * Ohab.: Mena ambanin'ny mena ohatra ny tretrak'akohoiahy: enti-milaza olona manam-pahefana, nefa mbola misy ambony noho izy. Ahitsio