Teny nampidirina farany

Tsatso
[admin]
: a.: Tsy fisian-tsiro ; toetran'ny zavatra tsy misy tsirony, matsaboka. - t.i.f.: Tsatsoina, atsatso, voatsatso 1 manatsatso, fanatsatso, mpanatsatso 1 anatsatsoana, fanatsatsoana 1 mitsatso J mahatsatso / mihatsatso / matsatso 1 hatsatso, hatsatsoana. Ahitsio
Tsatsimenitra
[admin]
: a.: Anaran'antoko-miaramila iray naorin'ny mpanjaka Ranavalona II. Ahitsio
Tsatsika
[admin]
: a.: Fitonoana hena eo ambony afo, ka atao amin' izao na amin'ny salazam-by. i t.i.f.: Atsatsika, voatsatsika, tafatsatsika 1 manatsatsika, fanatsatsika, mpanatsatsika 1 anatsatsihana, fanatsatsihana / mitsatsika, fitsatsika, mpitsatsika 1 itsatsihana, fitsatsihana J mahatsatsika. Ahitsio
Tsatsiaka
[admin]
: p. t.: Rovitra ka heno ny fitriarany. - t.i.f.: Tsatsiahina, atsatsiaka, voatsatsiaka, tafatsatsiaka / manatsatsiaka, fanatsatsiaka, mpanatsatsiaka 1 anatsatsiahana, fanatsatsiahana / mitsatsiaka, fitsatsiaka 1 itsatsiahana, fitsatsiahana 1 mahatsatsiaka 1 tsatsiatsiaka. Ahitsio
Tsatsiahina
[admin]
: (tsatsiaka) mt. ih. (tsatsiaho): Atao rovitra ka heno ny fitriarany. Ahitsio
Tsatselika
[admin]
: Mitovy amin'ny Tselika. Ahitsio
Tsatsefaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsefaka. Ahitsio
Tsatsatsatsa
[admin]
: a.: Ilazana ny fipitripitriky ny menaka mifangaro amin'ny rano ao anaty lapoaly; anambarana koa ny fitenenana haingana ataon' ny olona vavana toa miteniteny foana. - t.i.f.: Tafatsatsatsatsa J mitsatsatsatsa, fitsatsatsatsa, mpitsatsatsatsa 1 itsatsatsatsana, fitsatsatsatsana. Ahitsio
Tsatsakaotra
[admin]
: (tsatsaka, haotra) a.: Toa maradratra amin'ny nofo vokatry ny fihaotraorana lava sy mafy. Ahitsio
Tsatsàka
[admin]
: a.: Fanafotsiana tanteraka ny vary totoina. - t.i.f.: Tsatsàhina, voatsatsàka 1 manatsatsàka, fanatsatsàka, mpanatsatsàka 1 anatsatsàhana, fanatsatsàhana I mitsatsàka, fitsatsàka, mpitsatsàka 1 itsatsàhana, fitsatsàhana 1 mahatsatsàka. Ahitsio
Tsatsaingonina
[admin]
: (tsatsaingona) ih. (tsatsaingony): Tapahin-teny. Ahitsio
Tsatsaingoka
[admin]
: na Tsatsaingona a.: Fanembantsembanana olona miteny na fahamaikana hilaza alohan'ny rehetra ka mbola miteny ny hafa dia misosoka miteny koa. - t.i.f.: Tsatsaingonina, atsatsaingona, voatsatsaingona, tafatsatsaingona 1 mitsatsaingona, fitsatsaingona, mpitsatsaingona 1 itsatsaingonana, fitsatsaingonana I mahatsatsaingona I tsatsaingontsaingona. ¶ M.h.: Tsaraingona. Ahitsio
Tsatsahina
[admin]
: (tsatsàka) mt. ih. (tsatsàho): Fotsiana (enti-milaza ny vary totoina fanintelony mba ho fotsy tanteraka): Ny tsatsai-bary no tsatsahina mba ho fotsy tanteraka. Ahitsio
Tsatsà
[admin]
: ft: Fizarana mitovy. - t.i.f.: Voatsatsà / mitsatsà. Ahitsio
Tsatokaty
[admin]
: a.: Karazan-dovia lalina aty fasiana ro. ¶ M.h.: Tsangambava. Ahitsio
Tsatòka
[admin]
: a.: Tsato-kazo lehibe marani-doha atao hanohana tsato-kazo kely madfnika mba hisakanana ny rano na hiarovana ny fefiloha tsy ho vaky. ~ Fanekena handoa vo-la amboniny raha tsy voaloa amin'ny fotoanany ny vola tsy mafntsy haloa, na koa vo-la omena hatao antoka amin' ny vola tokony haloa, ka very maina io raha diso ny paik'andro tokony handoavana ilay vola. - F.-p,: Manao tsatdka: manatsatoka hazo marani-doha hiaro ny fefiloha tsy ho vaky; manaiky handoa antoka amin'ny vola tokony haloa ' izay very mains raha diso ny paik'andro tokony handoavana ilay vo1a. Ahitsio
Tsàtoka
[admin]
: o.: Fijoroana tsy mihetsika; fampijoroana sy fandentehana zavatra tsy hihetsiketsika. - t.i.f.: Tsatbhana, atsatoka, voatsatoka, tafatsatoka I manatsatoka, fanatsatoka, mpanatsatoka 1 anatsatohana, fanatsatohana 1 mitsatoka, fitsatoka, mpitsatoka / itsatohana, fitsatohana 1 mahatsatoka. - Tsatok'andro: ny andro nifanekena sy nifanarahana. / Tsatokaty (jer. tsangambava). / Tsato-kazo: hazo atohana ny voly. J Tsato-pe: karazam-pamelezana ampiasain'ny mpanao daka mikendry ny taolam-pe. / Tsato-piso: faminavinàna tsy mifototra amin'ny zavatra mety hisy fa amin'ny kisendrasendra rano fotsiny. / Tsato-tokana: indray marnely fotsiny ihany. Ahitsio
Tsatòka
[admin]
: a.: Vala kely hazo, misy varavarana mihantona mora milatsaka raha vao voatohina, ataon'ny olona ho famandriham-biby, toy ny lambo. Ahitsio
Tsatohana
[admin]
: (tsatoka) mt. pdr. (tsatohy): Asiana (zavatra) mijoro tsy mihetsika, lentehana, joroana: Notsatohana hazo lava iray teo afovoan'ny tokotany. • lao.: Asiana, anaovana (teny) han-titra sy maharary: Notsatohako teny kely ny anao lahy ka niondrika tsy nahateny. Ahitsio
Tsaroboka
[admin]
: Jer. Jaroboka. Ahitsio