Teny nampidirina farany

Sambosy
[admin]
: a.: Karazan-tsakitsaky izay toy izao no famboatra azy: alaina ny hena voatoto masaka, afangaro amin' ny tongolo, persily..., dia fonosina takelaka lafarina manify dia manify, ary dia endasina. Ahitsio
Samboritra
[admin]
: ft.: Enti-milaza fisikinana amin'ny lamba; na fisikinana amin'ny lamba efa rovitra na tonta ka zara raha mitafy ilay olona. - t.i.f.: Asamboritra, voasamboritra, tafasamboritra / manasamboritra, fanasamboritra, mpanasamboritra / anasamboritana, fanasamboritana / misamboritra, fisamboritra, mpisamboritra / mahasamboritra / samborimboritra. Ahitsio
Samborina
[admin]
: (sambotra) mt. ih. (sambory): Enjehina: Nosamboriko ilay uorona fa tsy azoko. ? Raisina: Nosamborin'ny Polisy ilay mpangalatra. ? Indramina (raha vola no tenenina, izany hoe mbola honerana): Ariary zato no nosamboriny tat9 amiko omaly. Ahitsio
Sambomandry
[admin]
: a.: Ny hazo manaraka ny tafontrano izay amantsihana ny lohatrano. Ahitsio
Sambobelona
[admin]
: a.: Olona azo babo tany an'ady. Ahitsio
Samboara
[admin]
: na Samboaravoara a.: Fihetsehana mahery mitambolimbolina, fitroarana toy ny hita amin'ny rano manonja noho ny herin'ny rivotra. ? h.o.: Fahatezerana lehibe. - t.i.f.: Asamboaravoara, tafasamboaravoara / manasamboaravoara, fanasamboaravoara, mpanasamboaravoara / anasamboaravoarana, fanasamboaravoarana / misamboaravoara, fisamboaravoara, mpisamboaravoara / isamboaravoarana, fisamboaravoarana / mahasamboaravoara. Ahitsio
Samboadiana
[admin]
: (samboady) mt. Asaina manao samboady. Ahitsio
Samboady
[admin]
: a.: Tapa-damba lavalava apetraka amin'ny soroka iray ka asadika any ambany helika mifanohitra amin'ilay io. - t.i.f.: Samboadiana, asamboady, voasamboady, tafasamboady / manasamboady, fanasamboady, mpanasamboady / anasamboadiana, fanasamboadiana / misamboady, fisamboady, mpisamboady / isamboadiana, fisamboadiana / mahasamboady / samboadimboady. - F.-p.: Manao samboady zavatra: mametraka io zavatra io eo ambonin'ny soroka iray, dia manasadika azy ao ambany helika mifanohitra amin' io. Ahitsio
Sambo
[admin]
: a.: Karazana lakana makadiry ohatra ny trano, natao hamakivakiana ny ranomasim-be. Karazan-tsambo: sambo lay, sambo mpiady, sambo setroka na sambo sitimo. Ahitsio
Samby
[admin]
: (fit.-p.) p.ml.: Samy. Sambitsara (fit.-p.) a.: Veloma. Ahitsio
Samby
[admin]
: Jar. Samy. Ahitsio
Samby
[admin]
: (Ski) a.: Anaram-borondranomasina misitrika rehefa misambotra hazandrano. Ahitsio
Sambatra
[admin]
: a.: Fahandro katsaka amin'ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava. Ahitsio
Sambatra
[admin]
: (Ats) a.: Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazatahy rehetra teraka ao anatin'ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io. Ahitsio
Sambatra
[admin]
: p.t.: Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy. ? Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany. ? Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry. - t.i.f.: Hasambarana, fahasambarana. Ahitsio
Sambasambaina
[admin]
: (sambasamba) mt. ih. (sambasambao): Irariana ny fitahian'Andriamanitra: Nosambasambain'i Dadabe izahay rehetra. Ahitsio
Sambasamba
[admin]
: a.: Teny atao ho fisaorana an'Andriamanitra, raha misantatra zavatra na mihinana sakafo tsy mbola nohanina. ? Fanandramana voalohany. ? Teny firariana raha tratran'ny taona vaovao; tenim-pirariana sy firavoana amin'ny fandroana: Sambasamba Andriamanitra Andriananahary. * t.i.f.: Sambasambaina, asambasamba, voasambasamba / misambasamba / isambasambana, fisambasambana / mahasambasamba. Ahitsio
Sambany
[admin]
: p.mt.: Enti-milaza fanaovan-javatra vao indray mandeha monja: Sambany nividy karatra tombola aho dia nahazo. Ahitsio
Sambalahivilana
[admin]
: a.: Jer. Sombalahivilana. Ahitsio
Samamena
[admin]
: a.: Anaran-karatra filalaovana misy sarina fo. Ahitsio