Teny nampidirina farany

Saliaka
[admin]
: p. t.: Talesaka kely aty, tsy lalina ny atiny. 6 t.i.f. : Misaliaka, fisaliaka. Ahitsio
Saliadiaka
[admin]
: p. t.: Liandiana, ma-'dry fatratra (mitovy amin' ny liaka). * t.i.f.: Misaliadiaka, fisaliadiaka, mpisaliadiaka. Ahitsio
Saly
[admin]
: (fr. châle) a.: Tapa-damba lehibebe, volonondry na lasoa, andrakofan'ny vehivavy ny sorony roa ka mihaona eo anoloana. Ahitsio
Saly
[admin]
: Salisaly a.: Fametrahana zavatra (hazandrano, ohatra) eo ambonin'ny fatana, hitonoana na hanamainana azy amin'ny alalan'ny setroka. - t.i.f.: Asaly, voasaly, tafasaly / manasaly, fanasaly, mpanasaly / anasaliana, fanasaliana 1 misaly, fisaly, mpisaly / isaliana, fisaliana / mahasaly. Ahitsio
Salesaka
[admin]
: p. t.: Vaky mitresaka eo amin'ny afovoany. - t.i.f. : Misalesaka, fisalesaka. Ahitsio
Salembo
[admin]
: Salembona, na Salemboana a.: Mitovy amin' ny salebona. Ahitsio
Salema
[admin]
: a.: Karazan-damba malemilemy volo. Ahitsio
Salelaka
[admin]
: p.t.: Talesaka, sady marivo aty: Vilia salelaka. * t.i.f.: Misalelaka. Ahitsio
Salehotra
[admin]
: a.: Fahamaikamaikana foana; fahasahisahiana; fiselontselonana amin'ny raharahan'ny sasany. * t.i.f.: Asalehotra, tafasalehotra / misalehotra, fisalehotra, mpisalehotra / isalehorana, fisalehorana. Ahitsio
Salebona
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny salebolebo. - t.i.f. : Misalebona. Ahitsio
Salebolebo
[admin]
: a.: Fisondrotry ny ambavafo ta handoa, loiloy. i t.i.f.: Misalebolebo. ¶ M. h.: Salebona. Ahitsio
Salazanina
[admin]
: (salazana) mt. ih. (salazano): Atsatsika eo ambony afo; hamainina eo ambony salazana. Ahitsio
Salazana
[admin]
: a.: Andrin-tsambo:Mirona miaraka amin'ny sambo ny salazan-tsambo. ? Soitrafo na havitra fitonoan-kena. ? Talantalana eo ambony fatana: Atao eo ambony salazana ny kitay mba ho maina rehefa fahavaratra. Ahitsio
Salavalava
[admin]
: (Tsm) p. t.: Lavalava boribory tahaka ny atody. Ahitsio
Salasalaina
[admin]
: (salasala) mt. ih. (salasalao): Atao am-piahotrahorana, am-pihambahambana. Ahitsio
Salasala
[admin]
: p.t.: Tsy kely tsy lehibe, antonontonony: Ento a-t? itsy famaky salasala itsy. ¶ M.h.: Sakany, atriatry. ? ft.: Enti-milaza olona miahotrahotra tsy tapa-kevitra amin'izay tokony hatao. - t.i.f. : Salasalaina, asalasala, tafasalasala/ manalasala, fanalasala, mpanalasala/ analasalana, fanalasalana / misalasala, fisalasala, mpisalasala / isalasalana, fisalasalana / mahasalasala / antsalasalany. Ahitsio
Salanitra
[admin]
: (angl. silence) t.p.: Teny nataon'ny olona mpitondra ny tenim-panjakana amin'ny vahoaka mba hangina fa hihaino ny kabary. Ahitsio
Salanisa
[admin]
: a.: Isa tokony ho an' ny olona na zavatra tsirairay raha, ohatra, ka zaraina amin' ny isan'izy ireo ny fitambaran'ny isa azony: ohatra, misy fianakâviana 8; mitontaly 60 ny isan'ny zanany: ny salanisan'ny zanak'izy ireo àry dia 7,5 (60:8). Ahitsio
Salangalanga
[admin]
: (Btl) p.t.: Entimilaza tandrok'omby mijoro mahitsy miakatra. Ahitsio
Salandy
[admin]
: na Borisalandy na Vorisalandy a.: Tandrok'omby malemy fonosana ka mikiraviravy eo aloha. Ahitsio