Teny nampidirina farany

Samalama
[admin]
: a.: Anaram-bakana vonivony. Ahitsio
Samaka
[admin]
: m. t.: Tataka ka misaraka roa: Samaka ilay hazo nifandroritan'ny ankizy. - t.i.f.: Samahina, asamaka, voasamaka, tafasamaka / manasamaka, fanasamaka, mpanasamaka / anasamahana, fanasamahana / misamaka, fisamaka, mpisamaka / isamahana, fisamahana / mahasamaka / samatsamaka. Ahitsio
Samahina
[admin]
: (samaka) mt. ih. (samaho): Vakina, verahina hisaraka roa: Nosamahin'ny ankizy ny fen'ilay sahona. Ahitsio
Sama
[admin]
: a.: Karazam-borona sa-hala amin'ny vano. (Phoenicopterus antiquarum) Ahitsio
Sama
[admin]
: p. t.: Misokatra be, samaka, ary tsy fiteny afa-tsy amin'ny vava tokana ihany: Sama uava. Ahitsio
Salovanina
[admin]
: (salovana) ma ih. Malouany): Sembantsembanina amin'ny fankanesana eo anoloana: Aza salouaninao ny zokiolona. Ahitsio
Salovana
[admin]
: a.: Lamba atao arondoto eo anoloana. Ahitsio
Salovana
[admin]
: a.: Fankanesana eo anoloan'ny hafa ka manembantsembana azy. ? Fitenenana avy hatrany alohan'ny hafa ka tsy ahazoan'izato milaza ny heviny. ? Ny eo anoloana amin'ny tarehy:Salouan-taua. - t.i.f.: Salovanina, asalovana, voasalovana, tafasalovana /misalovana, fisalovana, mpisalovana / isalovanana, fisalovanana/ mahasalovana/ salovandovana. - F.-p.: An-tsalouana: eo anoloana manembantsembana ny hafa; mitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa. Ahitsio
Salotra
[admin]
: a.: Fomba firandran' ny renin-jaza amin'ny andro amorana ny zanany; r andram-b olo ataon'ny reny amin'ny fandidiam-poitra ny zanany. Ahitsio
Salotra
[admin]
: a.: Akanjo toy ny palitao fa fohy tena sy tsy misy tanana ary tsindriana ny palitao. ? ft.: Enti-milaza fomba fitafy lamba izay apetraka fotsiny eo ambony soroka roa. - t.i.f.: Salorana, asalotra, voasalotra, tafasalotra / manasalotra, fanasalotra, mpanasalotra / anasalorana, fanasalorana / misalotra, fisalotra, mpisalotra / isalorana, fisalorana / mahasalotra / salotsalotra. Ahitsio
Salosonina
[admin]
: p. t.: Ta handoa, misondrotsondrotra ny ambavafo (jer. Salebolebo). Ahitsio
Salosina
[admin]
: a.: Fahalalana, fisainana (tsy miasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe "marivo"): Mariuo salosina: kely fisainana, tsy ampy fiheverana sy fahalalana. Ahitsio
Salorana
[admin]
: (salotra) mt. ih. (salory): Anantonana (zavatra, toy ny lamba): Salory fehitenda ny uozonao raha mangatsiaka. Ahitsio
Salopy
[admin]
: (fr. chaloupe) a.: Lakandrafitra, botry, batrakely. Ahitsio
Salondo
[admin]
: na Salondona ft.: Toetran'ny lanitra feno rahona. * h.o.: Fisaronan-doha amin' ny lamba. * t.i.f.: Misalondona, fisalondona. Ahitsio
Salohy
[admin]
: (Btm) a.: Lefona. - F.-p.: Miala salohy fito: mihataka tora-defona' betsaka alefan'ny olona iray na alefan'ny olona marc). ? h.o.: Miala tsiny be dia be. Ahitsio
Salohy
[admin]
: a.: Tendrony ambony amin'ny zavamaniry sasantsasany toy ny vary, izay iraiketan'ny voa mirindrarindra amin'ny taho: Mahafinaritra amin'ny fetin'ny santabary ny mahita ankizy kely milanja salohim-bary lehibe aoka izany. - F.-p.: Salohim-bary, salohim-boaloboka. Ahitsio
Salobonina
[admin]
: (salobona) mt. ih. (salobony) :Saronana ao anaty lamba: Inona izao saloboninao izao? Ahitsio
Salobona
[admin]
: a.: Fanaronana amin' ny lamba, fisaronana ao anaty lamba, sakobona. * t.i.f.: Salobonina, asalobona, voasalobona, tafasalobona / manasalobona, fanasalobona, mpanasalobona / anasalobonana, fanasalobonana / misalobona, fisalobona, mpisalobona 1 isalobonana, fisalobonana / mahasalobona 1 salobondobona. Ahitsio
Salitika
[admin]
: Jer. Litika. Ahitsio