Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misolanga: (solanga) mt. s.: Miainga dia milavo any aoriana: Tandroka misolanga. F• Somary mitraka na miakatra kely: Volo misolanga, Ahitsio
Misolantsolana: (solantsolana) mt. s.: Mamindra sy mande-ha feno anjona sy miandranandrana: Nahazo laharana ambon y i Soa ka misolantsolana er? eny amin'ny arabe. Ahitsio
Misolatra: (solatra) mt. s.: Misilaka, miempaka, mikipaka. Ahitsio
Misolelaka: (solelaka) mt. s. na p.t.: Mitalesaka mivelatra: Misolelaka ny tarehin'iny olona iny. 1 Marivo aty: Vilany misolelaka. 1 Mandokadoka sy manolikoly mba hahazoana zavatra: Misolela-dava io zazalahy io. Ahitsio
Misolifaka: (solifaka) mt. s.: Mibolisatra mivilana (toy ny tsihy voahitsaky ny tongotra, ohatra). Ahitsio
Misolifatra: (solifatra) mt. s.: Mibolisatra. Ahitsio
Misolika: (solika) mt. s. (misoliha): Mamitaka, manolikoly amin'ny fomba tsy mendrika, misolelaka. Ahitsio
Misolila: (solfia) mt. s.: Misobilaka: Nisolila loatra no nanaovan'ny mpandrafitra ity lela varavaraua ity! ? Misolampilampy: Misolila ity moron-dalana ity. Ahitsio
Misolitika: (solitika) mt. s.: Lia-na mafy ta hanao (mana zavatra iray); milihitra, mimatimaty amy... Ahitsio
Misolo: (solo) mt. s. (misoloa): Manao ny asan'ny... mitana ny toeran'ny...: Rakoto no nisolo ny mpitantsoratra nanavy. ? Manova: Mbola mi-solo akanjo izy. •Miova: Mi-solo matetika loatra ny dokotera eto amintsika, Ahitsio
Misolontsolona: na Misolantsolana (solantsolana) mt. s.: Misosososo miandranandrana amin-kasahiana tsy misy tahotra: Indro ny anao fa nisolantsolana irery terY aloha. Ahitsio
Misolotika: (solotika) mt, s.: Maloto mitsaporetika; misy tsikoko misotetika miaraka amin'ny menaka: Esory iny akanjonao iny fa efa misolotika aoka izany, Ahitsio
Misomadodoka: (somadodoka) mt. s.: Mihetsiketsika mampiseho fahamaikana izaitsizy: Nisomadodoka er? nandre an-drain y tonga ny ankizy. Ahitsio
Misomaka: (somaka) ?nt. soi Voadidy sompirana sy vilambilana, mivily didy. Ahitsio
Misomalantsiatra: (somalantsiatra) mt, s.: Mitriatriatra, mitsiatsiaka, vakivaky, mitsefatsefaka: Misomalantsiatra ny hoditra rehefa maina ka mandrivotra ny andro. Ahitsio
Misomambisamby: (somambisamby) mt. s. na p.t.: Manopy maizina: Efa misomambisamby no tonga izy.. Somary maizimaizina, mazava ratsy: Hazavana misomambisamby. Ahitsio
Misomaradimbana: (somara dimbana) mt, s.: Tailana;misy avo sy iva: Misomaradimbana no nanetezanao ity lam- Mis ba ity. Ahitsio
Misomaritaka: (somaritaka) mt. s.: Be raharaha manketsy mankeroa, miheninkenina, mipenimpenina be ihany:Misomaritaka ny ankizy fa ho tango avy any andafY ny rainy. Ahitsio
Misomarodoka: Misomarototra (somarodoka) mt. s.: Manao raharaha maimaika, miomana amim-pifaliana sy miheninkenina hanatrika fotoana: Misomarodoka ny mpianatra rehetra fa hiarahaba ny talen' ny sekoly tonga fety. Ahitsio
Misomatrotroka: (somatrotroka) p.t.: Mivotrovotro izaitsizy.l Maizimaizina. ' Ahitsio