Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Araikiraiky: (raikiraiky) mi; at. (araikiraikeo): Adaladalaina: Naraikiraikiny ny zana-dRakoto ka lasa nanaraka azy , Ahitsio
Araikitra: (raikitra) mt. at. (araiketo): Apetaka mba tsy hiala, tsy hihetsiketsika: A-raiketo amin'ny rindrina it? sary it~. Araiketina ny varabarana fa hetsiketsehin'ny riuotra. 1 h. o. : Araiketo ao antsaina tsara izany anatra izany. 1 Tapahina, vitaina, faxa-nana: Aoka haraikitra amin' izay it? raharaha ity fa efa nitarozaka ela loatra. Ahitsio
Araingitra: (raingitra) mt. at. (araingeto): Asaina entina. Ahitsio
Araingy: (raingy) mt, fit. (araingeo): Ampiasaina mba hahazoana afo, Ahitsio
Arajaraja: (rajaraja) mt. at. (argiarajao): Atao avo, manerinerina. Ahitsio
Araka: ft.: milaza fiarahana, firaisan-kevitra, firindrana amin'izay atao, fitakiana zavatra sy fanaraha-maso, - t.i.f.: Arahina, voaraka, tafaraka j manaraka, fanaraka, mpanaraka/ anarahana, fanarahana 1 miaraka, fiaraka, mpiaraka ) iarahana, fiarahana. Ahitsio
Araka: ppk.: Enti-milaza fifanarahana, fifandraikana amin-javatra iray, fitovitoviana: Vonona hanao araka ny teninao aho, ry dada. Hovaliana araka ny nataontsika avy isika. ra F,-p: Araka afo; haingana dia haingana, miaraka amin' ny vava, miaraka amin'izay: Ataovy araka afo ny fitakiana ny trosanao fa tsy ho azonao intsony iny raha angatahanao andro; / Ara-kaizina, araka aloka: fomba fanaon' ny jiolahy hitadiavany ny maizimaizina lalandava hanafenany ny ratsy vitany; / A-ra-jaza: fanarahana zaza efa nofandrihana mialoha fa hobeazin'ny tena; / Ara-joky: arakaraka ny fizokiana; / A-ra-miritra: enti-milaza olona maty an-drano teo am-pamonjena olon-kafa maty andrano, na olona nirahina hanaraka iraka hafa tsy mbola niverina; / Ara-keviny: tsy a-tao maty paika fa araka ny vinavina tokony ho izy fotsiny: Tsy misy mizana fa ataovy ara-keviny fotsiny eo ny fizarana ny hena. / Arakevitra: atao mifanaraka amin'ny: Ara-kevitry ny andro niasana no hanomezana ny karama; / Ara-dova: ady fanarahana lova; / Ara-dreniny: ny fitambaram-peo-naoty maro atao amin'ny zavamaneno. Ahitsio
Arakarâka: (rakaraka) mt. at. (arakarakao): Ahaha ka atao toa misaritaka: Aza arakaraka toy izao ny volonao. Ahitsio
Arakaraka: ppk.: Mifanentana amin'ny: Tokony hatao arakaraka ny fidiran'ny vola ny fandaniana azy. a Arakaraka ny zaza maty ny lambamena na ny haren-kiala: Atao mifanentana amin'ny halehibe na hasarobidin'ny zavatra ny vola lanina amin'ny fikarakarana azy; / Arakara-tarehy voa-javatra: matetika ny endrika aman-tarehin'ny zavatra et$ ivelany mifanentana amin'ny nanamboarana azy, fa tsy misy zavatra ratsy voatra akory nefa tsara tarehy. Ahitsio
Arakorako: (rakorako) mt. at. (arakorakoY ): 07010) Mao mirakorako, tsy hogoina na bangoina na randranina. Ahitsio
Arakotra: (rakotra) mt. fit (arakofy): Entina mandrakotra: Bodofotsy roa arakotra azy fa manavy mihararetra izy. Ahitsio
Arambo: (rambo) mt. at. (aramboy): Izay atao tovana mirefarefa na somotraviaviny: Inona no harambo ity akanjolava it?? Ahitsio
Arampandrotra: a Zavamaniry ampiasaina ho fanalefahana sy fampitoniana ny maharary. (Cynodon dactylon). Ahitsio
Arana: ft,: milaza fanaovana izay tiana, i t. i f : Aranina, aranana, voarana ) manarana, fanarana, mpanarana ( anaranana, fanaranana f miarana, fiarana, mpiarana 1 iaranana, fiaranana. Ahitsio
Aranana: na Aranina (arana) mt ih. (arano): Enti-milaza olona avala ho afa-po na afadiana amin'izay tiany, avala hanao izay sitrapony: Aza aranina toy izao ny zanakao. Ahitsio
Arandrana: (randrana) mt, fit. (arandrano): Entina mandrandrana na manamboatra ny volo toy ny vita rary. Ahitsio
Aranga: (ranga) mt, at. (arangao): Aingaina, ampakarina ambony (tanana, sofina, maso, fiadiana....): Basy atifikavana ka arangaranga ihany (ohab.). Ahitsio
Arangitra: (rangitra) mt. fit. (arangito): Entina mandrangitra, mandranitra. Ahitsio
Arangoaika: (Tan) a: Karazankazo madinidinika famonoana bibikely, toy ny parasy, moka, sns...(Mundulea grandidieri). Ahitsio
Arangotra: (rangotra) mt, fit. (arangoty): Entina mandrangotra, mandratra na manakiaka amin'ny hoho. Ahitsio