Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Areparepa: (reparepa) mt. atr (areparepao): Arefarefa atao mitaritarika. Ahitsio
Arepirepy: (repirepy) mt. at. (arepirepeo): Avembena, arondrona. • Aapanapana: Arepirepin'ny fahoriana izy na mitotototo atsy, mitotototo aroa. Ahitsio
Arepoka: (repoka) mt, at. (arepohy): Atao mipiapiaka, mikepokepoka. Ahitsio
Arerarera: (rererera) mt, at. (arerarerao): Arefarefa, abarera: Voan'ny hala ilay vorona ka nampalahelo ny nijery azy fa narerarerany ny elany. Aza arerarera ity lambanao. Ahitsio
Aresaresa: (resaresa) mt. at. (aresaresao): Atao mirefarefa, mitaritarika. Ahitsio
Aretaka: (retaka) mt. at. (aretaho): Atao miretaka, miboretaka, tsy mahajoro: Naretaky ny taon sy ny orana ilay tafo. Ahitsio
Aretareta: (retareta) mt, at. (aretaretao): Atao tonga mitavozavoza. Ahitsio
Aretidretika: (retidretika) mt. at. (aretidreteho): Asafotofoto. Ahitsio
Aretina: a.: Zava-mahazo mampangirifiry ny vatana. - F.-p.: Aretim-bflany: Anarana somary hatsikana ilazana ny hanoanana. / Areti-mifindra: aretina mety ho azon'izay mifanerasera na mifampikasoka amin'ilay marary. / Aretin'ny olona: aretina mamely ny ankabeazan'ny olona. ¶ M.h.: Aretina: rofy, sembana, tohatoha. /Areti-mifindra:aretin'ny olona, po-tany, safo-tany, tsy mampandry angady. * Rarazan'aretina: aretin'andoha, aretin-tenda, aretintratra, aretin'avokavoka, aretim-po, aretin-kozatra, aretin-kibo, aretim-bavafo, aretim-bavony, aretin'aty, aretin-tsinay, aretin-tsofina, areti-maso, aretin-koditra, aretin-tsaina. Ahitsio
Aretse: (Ski)) a.: Mangahazo na ovimanga tsy niaraka nohadina tamin'ny namany fa avala ho amin'ny taona manaraka. Ahitsio
Aretsidretsika: (retsidretsika) mt. at. (aretsidretaeho): A-tao mandre volivoly. ¶ M.h.: retsidretsehina. Ahitsio
Arevaka: (revaka) mt. fit. (arevaho); Entina mandrevaka, mampihaingo: Inona no harevaka ny tranontsika, rankizy? Ahitsio
Arevo: (revo) mt. at. (arevoy): Alentika ao anaty raharaha, fahasahiranana. Ahitsio
Arezareza: (rezareza) mt, at. (arezarezao): Ampandehanina miadana dia miadana; ampijoroana, asaina mijoro. Ahitsio
Arezatra: (rezatra) mt. at. (arezato): Avoaka amin'ny rezatra. • h.o.: (teny) Avoaka, aalefa, atao noho ny hatezerana. Ahitsio
Ariana: (ary) mt, ih (ario), mpan (mpanary): Tsy tiana ka avela, atsipy na tsy heverina intsony: Hariako io boky ratsy io. • Vary (raha milaza ny lasa ihany anefa): Narian'Isambilo ny solomasondrainy. ary, ario, manary, mpanary, fanariana. Ario ny fako. Manary fako ny ankizy. Manary fako no asany. Tandremo, tsy fanariam-pako eto. Ahitsio
Ariandro: a: Zavamaniry anaovana evoka manamora fiterahana. (Pterocaulon decurrens). Ahitsio
Ariaria: (riaria) mt, at. (ariariavo): Ahetsiketsika ao anaty rano. Ahitsio
Ariary: a.: Anaran'ny vola izay nataon'ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4, 80 frs tany aloha ary 5, O0frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1 /6: venty ; ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin'ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin'ny hoe: ariary zato, ariary folo... * ohab.: Voamena maniho ariary: Zavatra kely mahavery ny be; / Manao ariary zato am-pandriana: Manao tetika be an'eritreritra, izay mazàna tsy mifanaraka amin' ny zavatra mety hisy akory. Ahitsio
Ariatra: (riatra) mt. ot. (ariato); Alefa handositra, avala hiriatra. Ahitsio