Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Apotsiatra: (potsiatra) mt. at. (apotsiaro): Avoaka atao mifantsitstra:Nitso-drano anay i Dadabe ka toy izao no nataony: nasiany rano tao ambauany dia napotsiatrany teny aminay. Ahitsio
Apotsitra: (potsitra) mt. fit. (apotsiro): Entina mamotsitra, mamaky (na vay izanY, ohatra, na zavatra afenina). Ahitsio
Apy: (py) mt. at. (apizo); apipy (apipizo): Akimpikimpy: Aza apipy ohatra izao ny masonao, Ahitsio
Arabaka: (rabaka) mt. at. (arabaho): Atsofotsofoka aminkasahiana. Ahitsio
Arabaraba: (rabaraba) mt. at. (arabarabao): Asaina manao tsy am-piheverana. Ahitsio
Arabe: a.: Lalana lehibe. - F,-p:Manaraka ny arabe: Enti-milaza asa be dia be. Ahitsio
Arabo: (fr. Arabe) a,: Ny firenena monina amin'ny tanin' i Arabia (Arabia Saodita, Yemenina, Omanina, Koeity, ny nosy Barenina ary Katara): Hatramin'ny fahagolantany no efa nifandrafy ny A-rabo sy ny Israelianina. • p.t.: Mikasika an'i Arabia, an'i Arabia na avy any Arabia: Misimisy ihany ny teny arabo tafiditra amin'ny teny malagasy. Ahitsio
Aradarada: (radarada) mt. at. (aradaradao): Asaina miradarada, avala hiradarada, hirediredy. Ahitsio
Arado: (rado) mt. fit. (aradoy): Enti-milaza ny rado entina mampihaingo, ampanaovina ny olona: Ilay vakana lafo vidy no naradon-dreniny azy. Ahitsio
Aradraradraina: (radraradra) mt, at. (aradraradrao): Antsointsoina, lelalelaina: Aradraradraina hatraiza hatraiza ankehitriny ny fahadiovana. Ahitsio
Arafana: a: Fisotro karazan'ny betsabetsa. Ahitsio
Arafandrafana: (rafandrafana) mt. at. (arafandrafano): Taitairina, atao mivadi-po. Ahitsio
Arafitra: (rafitra) mt. at. (arafeto): Araikitra, ampiadina, apetaka. Ahitsio
Arafy: a.: Zavamaniry mampanolatra fery ny hodiny rehefa avy tenehina (Commiphora arafy)• Ahitsio
Arahaba: a.: Fomba anehoana ny fanajana olona raha vao mifankahita aminy voalohany: Raha vao vita ny arahaba dia nitarika ny resaka ingahy Rabetrena ? Teny enti-milaza fiderana olona iray noho ny soa azony na zava-dehibe vitany: Nitomandauana nanaraka ny arabe ny olona nanolotra ny arahaba an'ilay vao nahazo ny fahaleovan-tena ho an'ny Nosy. - t.i.f.: Arahabaina, voarahaba ( miarahaba, fiarahaba, mpiarahaba j iarahabana, fiarahabana / maharahaba, mifampiarahaba. - F. -p: Ireto avy ny teny fiarahabana teo amin'ny Ntaolo: Raha misy teraka: Arahaba nomen'Andriamanitra ny Tara; raha misy mampaka-bady: Arahaba nahazo tokantrano; raha narary ka sitrana soa aman-tsara: Arahaba sitran'ny teritery nanjô; raha nisy tonga avy lavitra: Arahaba tonga soa; raha tojo ny taom-baovao: Arahaba tratran'ny taona na Arahaba ho arivo tratran'ny taona; raha nisy saika niharan-doza ka voavonjy soa aman-tsara: A-rahaba tsy maty fo aman'aina na Arahaba nieren'ny loza amin'antambo; raha nisy vehivavy afa-jaza: Arahaba tsy nanao takalo kely; raha nisy naharesy an'ady amin'ny fitsarana: Arahaba nahazo ny rariny; raha nisy fisondrotam-boninahitra: Arahaba nahazo uoninahitra; raha nisy olona nampinomina ka velona soa aman-tsara: Araha ba nomen'Andriamanitra ny hitsiny; raha nisy hasoavanjaza, ny olona rehetra dia tsy nifanao akory fa nosoloana hoe: Arahaba ririnina 2! Ahitsio
Arahabaina: (arahaba) mt. ih. arahabao): Tolorana arahaba: Arahabao ny olon-dehibe fantatrareo, rankizy. ~ Deraina: Noarahabain'ny namany izy tamin'ny izy nahazo voalohany. ~ Omena fixarian-tsoa: Raha vao nivoaka ny eglizy, dia noarahabain' ny havany ireo mpivady vao. Ahitsio
Arahana: (rahana) mt. at. (arahano): Atao mangotraka, mandevy, miketrika. Ahitsio
Arahina: (araka) mt, ih. (ara-ho): Iarahana mandeha avy eo aoriana, zohina: Narahin' ilay alika kely hatrany ambavahady izy. ~ Atao, tanterahina: Araho izay torohevitra homeny anao. 1 Alaina tahaka: Mahagaga ity zaza i• t? fa arahiny izay rehetra ataon-drainy. • Tandremana: Tsy narahinao ny lalàna ka hosazina ianao. 1 Takina: Ny lova tamin'i Dadanay ihany no arahinay fa tsy inona akory, Ahitsio
Arahona: (rahona) mt. fit. (arahony): Entina mandrahona. Ahitsio
Araika: (raika) mt, at. (araikeo, na areho): Arona, atongilana, atao mihilana fa tsy mijoro mahitsy: Aza araika miankavia ny lohanao. Ahitsio