Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Apololotra: (pololotra) mt at. (apololory): Atao mipololotra, avala hivoaka be dia be: Napololotrany ny setro-tsigarany ka niala tsirairay ireo nipetraka teo akaikiny. Ahitsio
Apondipondy: (pondipondy) mt, fit. (apondipondeo): Enti-mamoriporitra. Ahitsio
Aporaretra: (poraretra) mt. at. (aporareto): Atao mandre maharary. Ahitsio
Aporetaka: (poretaka) mt. at. (aporetaho): Avaroraka. Ahitsio
Aporetika: (poretika) mt. at. (aporeteho): Afangaro atao misafotofoto. Ahitsio
Aporetsika: (poretsika) mt. at. (aporetseho): (fotaka) Atao marihitra, atao potsipotsika. Ahitsio
Aporiatra: (poriatra) mt, at. (aporiato): Asaina mandeha haingana, asaina mandositra: Efa folo metatra sisa tsy ho tonga vao naporiatmny ny soavaly ka diso aoriana loatra. Ahitsio
Aporitika: (poritika) mt. at. (aporitiho): Afantsitsitra, apitika. Ahitsio
Aporitra: (poritra) mt. fit. (aporeto): Entina mamoritra. Ahitsio
Aporitsaka: (poritsaka) mt. at. (aporitsaho): Avala maniera. hikorotsaka: Iny nisy vola ariary zato naporitsany auy tany anaty lambany. • Avala handositra. Ahitsio
Aporoatra: (poroatra) mt at. (aporoaty): Atao feno mihoa-pefy. Ahitsio
Aporofo: (porofo) mt. fit. (aporofoy): Entina manaporofo, manamarina: Tsy misy zavatra azonao aporofo fa izy no namono ilay olona. Ahitsio
Apororoatra: (pororoatra) mt. at. (apororoaty): Fenoina a-tao misy mihoatra • Asaina mandeha rodobe. Ahitsio
Aporotsaka: (porotsaka) mt. at. (aporotsahy): Alefa midi-na, atambotsotra: Aza aporotsaka tahaka izao ao an-damosinao ny zazakely. • Arotsaka: Aporotsaho ny vola fa aza mody maty eo. Ahitsio
Aposaka: (posaka) mt, at. (aposaho): Aseho rahefa avy nafenina tsy ho hitan'ny be sy ny maro: Naposany ilay porofo ka gaga daholo ny olona rehetra. • Ambara: A-posaho ny heuitrao fa mihaino izahay. Ahitsio
Apostà: (fr. apostat) a.: Tolly enti-milaza ny katolika vita batemy izay nanary tanteraka ny flnoany. Ahitsio
Apostoly: (lat. apostolus) a.: I-reo mpianatry ny Tompo roa ambin'ny folo. Ahitsio
Apotikana: (potikana) mt. at. (apotikano): Asaina mipatikana, mihataka tsisy mahita. Ahitsio
Apotraka: (potraka) mt. at. (apotrahy na apotraho): Azera, aongana. Ahitsio
Apotsaka: (potsaka) mt. at. (apotsahy na apotsaho): Alana, esorina hiala amin'ny toerany: Apotsaka ny maso mba hitsaboana azy. • Aroso mivoaka: Napotsany ny molony dia lasa izy. Ahitsio