Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aranina: (arana) mt. ih. (ara-no): Atao izay sitra-pony sy izay tiany: Aranin'ny ray aman-dreniny loatra io zaza io ka ho simba rahatrizay. Ahitsio
Aranirany: (ranirany) mt. at. (araniranio): Aseho ho hita tsara. Ahitsio
Arantiranty: (rantirantY) mt. at. (arantirantio): Aseho ho hita tsara, miharihary. 1 A-tao amin'ny toerana avo ho hita tsara tsy misy miafina. Ahitsio
Araoka: (raoka) mt, fit. (araofy): Entina mandraoka, manangona: Ity harona ity araoka ireo tsaramaso raraka ireo. Ahitsio
Araotra: (raotra) mt. fit. (araoty): Entina miraotra, miraoka ahitra, na manongotra, manorotra. Ahitsio
Arapaka: (rapaka) mt, at. (arapaho): Hanina avy hatrany dia any am-bava: Tsy tratra, narapak'ilay alika ilay vaingan-kena be. ? Raisina tsy an-kanavaka: Anisan'ny nahavoa ny firenena tanora raha natobaky ny firenena zokiny teo aminy ireo zava-mahaliana nandraviravezany azy, dia izy tsy nifidy harapaka. Ahitsio
Araparapa: (raparapa) mt. at. (araparapao): Asaina mamindra na mandeha tsy mahita izay hodiavina fa mitsapatsapa: Naraparapan'ny haizina aho ka voapoka ny lohako, voadona ny soroko. 1 A-sains mizotra fotsiny amimpahamaikana tsy mihevitra izay hQ vokatr'izany: Araparapan'ny fahoriana Ramatoa ir? ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ahitsio
Arara: a.: Laingalainga somary atao vazivazy mampihomehy hanambakana na hifetsena. ΒΆ M.h.: Hatsikana. Ahitsio
Araraka: (raraka) mt. at. (araraho): Alatsaka, akorotsaka, aely, ariana: Nararany teo antokonana ny rano tao an-tsinibe. ~ h.o,: Aza araraka an-tany ny anatra omen'i Dada sy Neny, Ahitsio
Arasa: (rasa) mt, fit. (arasao): Entina mandrasa, mandidy na mitetika (hena...): It? ve ny antsy narasanao ny hena tao? Ahitsio
Aratra: a: Anaran-kafa iantsoana ny elektrlsite. Ahitsio
Aravaka: (ravaka) mt. fit. (aravaho): Entina mandravaka: Raozy sy lisy aravaka ny latabatra hisakafoan'ny mpanambady. Ahitsio
Araviravy: (raviravy) mt. at. (araviravbzo): Ahantona eo ambony, akirazorazo: Aza araviravy eo ireo lamba ireo. Ahitsio
Aravona: (ravona) mt, at. (aravony): Atao mitovy tantana: Tokony haravona ny tany alohan'ny hanorenana trano. ~ h.o.: Ampitovina; zaraina mba hitovy tsy hisy kely sy lehibe: Tokony haravona daholo hono ny haren'ny olona rehetra, hoy ireo mpandinika sasany momba ny fitantanan-karenam-bahoaka Ahitsio
Aravoravo: (ravoravo) mt. fit. (aravoravoy): Entina marnalifaly, mandoka. Ahitsio
Arazorazo: (razorazo) mt. at. (arazorazoy): Ahantona, akiraviravy mova tsy ho latsaka. Ahitsio
Arebaka: (rebaka) mt. fit.: Enti-milaza ny akanjo entina mirebaka, na mihaingo. Ahitsio
Arebaka: (rebaka) mt, fit.: Enti-milaza izay mahatonga ho rebaka, ho reraka. Ahitsio
Arebareba: (rebareba) mt. cit.; (arebarebao): Atao mirebareba, mitaritarika ila hikasika ny tany. Ahitsio
Arebireby: (rebireby) mt, at. (arebirebeo): Avezika atsy avezika aroa: Narebirebin-d-Rakoto ny zanany. ~ Adalaina, fitahina: Tsy azonao arebireby aho. Ahitsio