Teny nampidirina farany

Vokatra
[admin]
: a: Ny voan'ny zavamaniry na ny vodin'ny zavamaniry fihinana tonga amin' ny fahamasahany: Rehefa miakatra ny vokatra, somebiseby ny iray tanàna ~ Ny soa azo: Mivelona amin'ny uokatry ny asan-tanany izy. - p. t.: Be dia be, betsaka, sesehena: Vokatra ny paiso tamin'ity taona ity. ~ Lonaka: Vidio io saha io fa tsy hohita tany uokatra ohatra an'io ianao. - t.i.f.: Mamokatra, famokatra, mpamokatra / amokarana, famokarana 1 mahavokatra, fahavokatra, mpahavokatra / ahavokarana, fahavokarana. Ahitsio
Vokaka
[admin]
: a: Tany nalaina tamin'ny fasan'andriana hanaovana veiirano na fianianana. - F.-p.: Sotro vokaka: fisotroana ny rano sy ny tany nalaina tamin'ny fasan'andriana ampifangaroina, ho fianianana tsy hivadika. Ahitsio
Vokaiky
[admin]
: sy Vokaika p.t.: Hetry, fonetana, vokoka. 6 Avokaiky, tafavokaiky, tafavokaika 1 mamokaiky, famokaiky I amokehana, famokehana 1 mivokaiky, fivokaiky 1 ivokaikena, fivokaikena 1 ivokehana, fivokehana ! mahavokaiky 1 vokaikikaiky. Ahitsio
Vokabolary
[admin]
: sy Vokabolera (fr. vocabulaire) a: Ny teny rehetra amin'ny fiteny anankiray. ~ Voanteny navoambolana. Ahitsio
Voka
[admin]
: Fihasimban'ny Vohaka ara-panononana. Ahitsio
Voizina
[admin]
: (voy) mt. ih. (voizo): Enti-milaza ny lakana izay asosa amin'ny fikapohana ny rano miverina raha tiana handroso ny lakana, ary mandroso raha tiana hiverina ny lakana. Ahitsio
Voivoy
[admin]
: a: Vezivezy, fandehanana ats? ar?. - t.i.f.: Avoivoy, tafavoivoy 1 mamoivoy, famoivoy, mpamoivoy / amoivoizana, famoivoizana 1 mifamoivoy / mivoivoy, fivoivoy, mpivoivoy 1 ivoivoizana, fivoivoizana 1 mahavoivoy. Ahitsio
Voina
[admin]
: a.: Loza mihatra,antambo mby an-koditra. * F.-p.: Tra-boina: voan'ny loza, tra-doza. / Voin'ny azony: mitondra loza noho ny nataon'ny tenany ihany. J Voin-kava-mahatratra: izay fahavoazana mahazo ny havana mahazo ny tena koa. / Mamindra voina: mamindra loza. / Manao voin'ny azony: manary ny sasany amin'ny fahoriana mahazo azy. / Mi-solo voina: misolo loza, manolo-tena mba hiharan'ny 1oza eo amin'ny toeran'ny ha-fa. * Ohab.: Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe: enti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy. Ahitsio
Voy
[admin]
: a: Fanaovana izay hampisosa ny lakana amin'ny fikapohana ny rano. - t.i.f.: Voizina, avoy, voavoy 1 mivoy, fivoy, mpivoy 1 ivoizana, fivoizana 1 mahavoy 1 voivoy. Ahitsio
Vohoka
[admin]
: a.: Tranon-jaza. ? h. i.: Ny kibo (itoeran'ny zaza). * F,•p.; Am-bohoka: ao ankibo, oh.: Maty am•bohoka. / Bevohoka: enti-milaza ny vehivavy manana anaka ka hita ho lehibe ny kibony. / Miandry vohoka: miandry ny fotoana hahaterahana. ¶ M.h.: Tranonjaza, fananahana, Ahitsio
Voho
[admin]
: a.: Ny ao an-damosina, ny ao am-badika: Asehoy ny vohon-tananao. ? Ny lafy ratsy: Sarin'inona no ao amin' ny vohon'io meday io? - t.i.f : Ivoho / amboho / ambohoina 1 manamboho, fanamboho, mpanamboho 1 anambohoana, fanambohoana 1 miamboho, fiamboho, mpiamboho 1 iambohoana, fiambohoana / mifampivoho. - F.-p.: Manabe voho: mampitombo, mampandroso, manitatra. f Manome vohony: mamitaka. / Vohom-pafana: mivohitra. J Vohon-tany na kiborin-tany: tany malalaka somary tomandavana. Ahitsio
Vohivohy
[admin]
: ft.: Niavian'ny hoe "Mivohivohy": (kibo) misy rivotra, mizihitra, mivozihitra. Ahitsio
Vohitra
[admin]
: a.: Havoana. 1 Tanàna kely: "Mijojo mipatraka ny oram-baventy, /Mandena ny vohitra sy ny tanety". 6 Vohirina, avohitra, voavohitra / mambohitra, mamohitra, famohitra, mpamohitra / amohirana, famohixana / mivohitra, fivohitra 1 ivohirana, fivohirana / mikibohitra / mikobohitra. Ahitsio
Vohirina
[admin]
: (vohitra) mt. ih. (vohiro): Bontsinina. Ahitsio
Vohavohana
[admin]
: Vohavohaina (vohavoha) rnt. ih. (vohavohao): Saratsarahina alohan' ny hamolesana azy, veraveraina, tsikeraina (ilazana ny landy na ny landihazo). Ahitsio
Vohavoha
[admin]
: a.: Landihazo efa voasara.tsaraka. t' p, t.: Malemy, malambolambo raha tsapaina. - t.i.f.: Vohavohàna, vohavohaina, voavohavoha / mamohavoha, famohavoha, mpamohavoha I amohavohàna, famohavohàna J mahavohavoha. Ahitsio
Vohana
[admin]
: na Vohaina (voha) mt. ih. (vohay): Sokafana: Vohay ny uarauarankely. * A-nokafana varavarana: Vohay aho fa mangatsiaka. 1 Angatahan-dalana. Ahitsio
Voha
[admin]
: a.: Fisokafana, fanokafana; fangatahan-dalana. - t.i.f.: Vohana, vohaina, vosvoha / mamoha, famoha, mpamoha I amohana, famohana / mivoha, fivoha, mpivoha 1 ivohana, fivohana mahavôha 1 vohavoha. Ahitsio
Vofy
[admin]
: na Vaofy a: Fanalana ny hodi-javatra; fanazavana teny na lohateny iray. i tif: Voasana, voavofy / mamofy na mivofy, famofy na fivofy, mpamofy na mpivofy / amoasana, famoasana / ivoasana, fivoasana / mahavofy / vofivofy. Ahitsio
Vodivona
[admin]
: a: Rambon-tanety mandroso sy mitsopaka any anaty rano. ~ (taloha) Faritany nofehezin'andriana napetraky ny Mpanjaka tao, izay natao indrindra hoe "tompombodivona" na koa "tompomenakely". Ahitsio