Teny nampidirina farany

Tandapa
[admin]
: a.: Ny olona manotrona ny Mpanjaka, na ireo miasa na mipetraka ao an-dapa mandrakariva. Ahitsio
Tandalerina
[admin]
: a.: fihas?mban'ny hoe: Taindalerina p.t.: Misy na rakotra pentimpentina kely toy ny tain-dalitra. Ahitsio
Tandahatra
[admin]
: a.: Jar. Lahatra. Ahitsio
Tanavo
[admin]
: a,: Teny misy fanambaniana kely, enti-milaza ny tambanivohitra: Itony koa tanauo vao niakatra mihitsy. Ahitsio
Tanavavy
[admin]
: a.: Ny vavy amin'ny biby atao hoe tans. (jer. Kamaitso, Kamora, Kamorabe, S oam arandrana). Ahitsio
Tanatanaina
[admin]
: (tanatana) mt. ih. (tanatanao): Sokafana tanteraka: Notanatanainy ny varauarana fa nisy fofona hafahafa tao an-trano. Ahitsio
Tanatana
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra misokatra tanteraka, toy ny varavarana izany, ny va-va, ny fery... - t.i.f.: Tanatanaina, atanatana, voatanatana / manatanatana, fanatanatana, mpanatanatana / anatanatanana, fanatanatanana 1 mitanatana, fitanatana, mpitanatana / itanatanana, fitanatanana 1 mahatanatana. Ahitsio
Tanantsotro
[admin]
: a.: Haron-kely fasiana ny sotro, izay mazàna ahantona eo amin'ny an-dry afovoan-trano tsy lavitra ny fatana, na eo ambonin' ny fatana mihitsy. * Ohab.: Tsy maty raha tsy ianjeran'ny tanantsotro: enti-milaza olona faran'izay kanosa ka zavatra bitika kely dia heveriny hahafaty azy. Ahitsio
Tanantanana
[admin]
: a.: Zavamaniry ahazoana menaka ny voany, izay misy karazana roa: tanantanamanga sy tanantanampotsy. Ahitsio
Tanantanamanga
[admin]
: a.: Hazo maniry be ravina, mirantsana ohatra ny felatanana, mena taho; tenehina hahazoana fanafody fampivalanana ny voany (Ricinus communis). Ahitsio
Tananivoho
[admin]
: a.: Fomban-drandram-bolo fanaon'ny vehivavy any anivon-tany andavanandro; toy izao no fanaovana azy: zaraina amin'ny soritra afovoany ny volo ka mizara roa, dia atambatra amin' ny randran-telo ny laniny roa avy, ary dia ireo randrana ireo no atambatra ao ivoho. Ahitsio
Tanana
[admin]
: (tana) mt. ih. (tano): Gejaina amin'ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao. ? Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita. ? Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa. ? Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo. Ahitsio
Tanan'akanjo
[admin]
: faritry ny akanjo manarona ny sandry. / Tanan-daua: zavatra ifanoloran'ny olona mitandahatra maromaro an-kamindrafïndra. / Tanan-kodia na tanankodiarana: ireo hazo misandrahaka avy eo amin'ny foiben-kodiarana. / Tanan'iuoho: taovolom-liehivavy izay ataony toy izao: bangoiny misaraka roa ny volony dia alaminy any an-katoka. / Tanan-tohatra: ny zana-tohatra. / Tanan-tsotro: fitoerantsotro mihantona. * Ohab.: Maro foana toa tanam-poza: betsaka nefa tsy i-laina satria tsy hita izay asa ataony avy. Ahitsio
Tanana
[admin]
: a.: Rantsam-batana hatreo amin'ny hatotanana ka hatramin'ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan'ny hisakafo. - F.-p.: Lava tanana: fangalarina. / Mafana tanana: enti-milaza olona izay mety ha-nimba ny fikasihany tanana. / Mafy tanana: kahidy. / Manasa tanana amin'izany aho: tsy mandray anjara amin'izany aho ka miala amin'izay mety ho vokany. / Mandray tanana, fandraisantanana: manolotra vola kely ho fiarahabana olona vao tonga. / Masin-tanana: mahomby rehefa manasitrana, na mikasi-tanana izany, na manome fanafody. / Mitondra tanam-polo: mody maina fa tsy nahazo. / Tanam-bokovoko: sari-na tsipika roa mifanapaka, na mandry izany (X) na mijoro ( + ). / Ahitsio
Tanàna
[admin]
: a.: Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra arapomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isankarazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy et? ambanivohitra. ? F.-p.: Tanàna masina: toerana nonenan'ny razan'Andriana fahiny ka nohajain' ny Ntaolo fatratra, manana ny fadiny, nangalana rano amin'ny Fandroana nihasinan'ny mpanjaka. Ahitsio
Tanalahinala
[admin]
: a.: Karazana ta-na lehibe rakotra votsy ary misy sanga toa mandondona ny lohany. Ahitsio
Tanala
[admin]
: a.: Foko lehibebe, mitoetra amin'ny tany misy ny havoanan'Ikongo rakotr'ala izay manapaka azy hatrany avaratra ka hatrany atsimo, ary voafaritry ny tanin'ny Betsileo, andrefana; ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka, sy ny Antaimoro ary ny Antaifasy, atsinanana, ary ny ony Manampatrana, atsimo; mivelona amin'ny vokatry ny ala ny Tanala; tanàn-dehibe: Ambohimanga atsimo, Ivohibe, Ifanadiana. Ahitsio
Tanàka
[admin]
: p. t.: Gaga, zendana, ilazana olona mahita zavatra mahavariana ka mivanaka, mitanatana ny vava. - t.i.f.: Atanaka, voatanaka, tafatanaka / mitanaka, fitanaka, mpitanaka / mitananaka. Ahitsio
Tanahina
[admin]
: na Tananahina na Tanarahina (tanaka: tsy fampiasa) mt. ih. (tanaho, tananaho, tanaraho): Zohina sy enjehina tsy an-kijanona: Tanarahin 'n y tompon-trosa foana Rangahy io ka mita ho uoa ny lohany. Ahitsio
Tana
[admin]
: a.: Biby mandady, irainjehy na 20 sm eo ho eo ny halavany, manan-toetra manokana fa afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin'ny manodidina — Ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy, izay mbola manana anarana maso arakaraka ny maha-tanora na zokinjokiny azy: Soamarandrana, Kamora, Kamaitso, Kam arabe. * Ohab.: Manao dian-tana: jerena ny aloha, todihina ny aoriana: entina hilazana ny olona malina, fatra-pitandrina amin'izay rehetra ataony. Ahitsio