Teny nampidirina farany

Tana
[admin]
: a. sady mt. ih.: Tazona, fihina, geja amin'ny tanana. • t.i.f.: Tanana, atana, voatana / mitana, fitana, mpitana/ itanana, fitanana/ mahatàna 1 tantàna 1 tantanana, atanana, voatanana / mitantana, fitantana, mpitantana. Ahitsio
Tamponana
[admin]
: (tampona) mt. ih. (tampony): Asiana eny antampony; jerena avy eny antampony. Ahitsio
Tampona
[admin]
: a.: Ny faritra avo indrindra amin'ny zavatra iray: Ny tampon'ny tendrombohitr'Ankaratra no atao hoe: Tsiafajavona h. o.: Ny fara tampony ambony, ny fanaperana: Tonga amin'ny tampon'ny voninahitra izy. - t.i.f.: Tamponana, atampona, voatampona, tinampona / manampona, fanampona, mpanampona 1 anamponana, fanamponana 1 mahatampona. Ahitsio
Tampoka
[admin]
: p. mt.: Tsy nampoizina: Tonga tampoka Rakoto. ? Vetivety foana: Tampoka foana tao, avy ny orana, ka kotsa izahay rehetra. * t.i.f.: Tampohina, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mahatampoka. Ahitsio
Tampoka
[admin]
: a.: Fanampiana rano mangatsiaka ny rano mafana mba hampangatsiatsiaka azy, na hanatsatsoana fisotro mahery amin'ny fanampiana rano azy. * t.i.f.: Tampohana, atampoka, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mitampoka, fitampoka, mpitampoka / itampohana, fitampohana. Ahitsio
Tampohina
[admin]
: (tampoka) mt. ih. (tampohy): Tratrarina tampoka, sovohina: Notampohin' ny fahaua?o ny tao an-tandna. Ahitsio
Tampohana
[admin]
: (tampoka) mt. pdr. (tampohy): Ampiana rano: Nahoana no notampohanao rano ity ronono ity? Ahitsio
Tampodina
[admin]
: (tampody) mt. th. (tampodio): Zairinamandroso sy miverina. Ahitsio
Tampody
[admin]
: a.: Teny ilazana ny fiverenana amin'ny toerana nialana ny androtr'inY ihany. ? Fomba fanjairana mandroso sy miverina toy izao: atsofoka eo aorian'ny nivoahany ny fanjaitra, dia avoaka indray kosa eo alohan'ny nivoahany, ary dia toy izany hatrany. * t.i.f.: Tampodina, atampody, voatampody, tafatampody 1 manatampody, fanatampody, mpanatampody / anatampodiana, fanatampodiana / mitampody, fitampody, mpitampody 1 itampodiana, fitampodiana / mahatampody. Ahitsio
Tampisaka
[admin]
: a.: Fifitsahana hiafina; firaiketana amin-javatra iray ka toa mipetaka na mifetaka amin'io mihitsy. ? h.o.: Hataka efa dia misolelaka en>. - t.i.f.: Tampisahina, atampisaka, tafatampisaka 1 manatampisaka, fanatampisaka, mpanatamplsaka 1 anatampisahana, fanatampisahana / mitampisaka, fitampisaka, mpitampisaka 1 itampisahaaa, fitampisahana 1 mitampisaka, fitampisaka, mpitampisaka / itampisahana, fitampisahana 1 mahatampisaka. Ahitsio
Tampisahina
[admin]
: (tampisaka) mt. ih. (tampisaho): Aankina, araikitra, apetaka, afetaka. Ahitsio
Tampinarany
[admin]
: a.: Ilay nofo toa kambo lavalava eo an-tendron'ny lalan-drivotra mankany amin'ny havokaVoka. ? h. i. : Lam bam-baravarankely amin'ny tapany ambany. Ahitsio
Tampina
[admin]
: p. t.: Voasarona, mikombona, voakombona: Ela ny ela ka tampina ilay vaua fery. ? Voatsentsina ka manjary feno ny loaka na ny lavaka: Tampina haingana ilay loaka tamin'ny lakana ka tsy niditra firy ny rano. ? MisY zavatra misakana, ka tsy afamandeha na mivoaka ny rano na ny rivotra, fempina: Tampina ny lakandrano. Ahitsio
Tampina
[admin]
: a.: Zavatra entina manentsina ny hirika, ny loaka: Niala ilay tampina natao tamin'ny varavarankely tsisy fitaratra. / Asio tampina ity akanjo ity fa loaka. • tif: Tampenana, atampina, voatampina, tinampina 1 manampina, fanampina, mpanampina f anampenana, fanampenana / mitampina, fitampina, mpitampina / itampenana, fitampenana / mahatampina. Ahitsio
Tampify
[admin]
: a.: Fierena anilan' ny zavatra; fiankinana amin' ny hafa noho ny tahotra na tsy fahampiana; toetran'ny zavatra miankina na mipetraka mifanoroka amin'ny ha-fa. * t.i.f.: Atampify, voatampify, tafatampify/ manatampif y, fanatampify, mpanatampif y / anatampifiana, fanatampifiana / mitampif y, fitampify, mpitampify / itampifiana, fitampifiana / mahatampify. Ahitsio
Tampesonina
[admin]
: (tampesona) mt. ih. (tampesony): Sosorina amin'ny fangatahana sesilany, amin'ny fitambezoana. Ahitsio
Tampesona
[admin]
: a.: Fangatahana sesilany, fitambezoana tsy miato ka manao hata-piso. * t.i.f.: Tampesonina, atampesona, tafatampesona / mitampesona, fitampesona, mpitampesona / itampesonana, fitampesonana / mahatampesona. Ahitsio
Tampenana
[admin]
: (tampina) mt. ih. (tampeno): Asiana sarona, asaina akombona, terena hikombona: Tampeno ny vauan'io zaza io raha vao mitomany. / Tsy azonao tampenana tsy hahita ny marina ny masoko. ? Enti-milaza ny lamba misy loaka asiana tapa-damba kely mizaitra mba hanarona ny loaka: Tampa-no kely ity pataloako ity fa loaka. ? Asiana tsentsina ka tsy afa-mivoaka na miditra intsony (ny rano na ny rivotra): Tampeno io hirika io fa avy eo no miditra ny rance, ? Asiana sakana tsy hahafahana mampiasa ilay zavatra: Notampenan-dry zareo ato atsimo ilay lalankely mandalo eo an-tokotaniny. Ahitsio
Tamotamo
[admin]
: a.: Zavamaniry misy vodiny mavomavo ary fakana loko vony (Curcuma lo nga). —( Ahitsio
Tamoraina
[admin]
: (tamora) mt. ih. (tamorao): Vita moramora noho ny: Notamorain'ny famaky ny fikapana ny hazo. ? Atao moramora foana, tsy isahiranana, alaina na heverina ho mora: Tamorainao loatra ny fianaran'ny zanakao. ? Entina an-kamorana: Tamorainao ny mpianatrao. ? Ahem-bidy, aletsy: Raha tamoraina ny vidim-bary, ho maty antoka ny mpamboly. Ahitsio