Teny nampidirina farany

Ramy
[admin]
: a.: Ditin-kazo fanembohana sady fampiasa koa hanosorana ny fandidian-dokanga; ilazana koa ny hazo mahitsY. Ahitsio
Ramy
[admin]
: a.: Hazo lehibe fahita amin'ny faritra atsinanana sy andrefan'ny Nosy, fanaovana lakana — noho izy mety ho be velarana — sy izay faritra tsy hita maso amin'ny fanaka (toy ny vatasarihana); fa ny tena ahafantaran'ny maro ny ramy dia ny ditiny anaovana emboka manitra. (Canarium Madagascariense). Ahitsio
Rameva
[admin]
: a.: Karazam-biby mandinika avy any Aria misy trafony anankiroa. (Ny rameva dia ataon'ny olona fitaingina, nefa fihinana tsara koa ny henany ary manome ronono koa aza izy; ankoatra izany, mbola azo arnpiasaina ny hodiny sy ny volony). Ahitsio
Ramena
[admin]
: (Ski) a.: Raikely, renikely. Ahitsio
Rambotsy
[admin]
: a.: Fehivozona volafotsy. Ahitsio
Rambondanitra
[admin]
: Rivotramifofofofo indray mandeha, dia toa mitsangana ary mihodinkodina an-toerana no sady mifindra toerana, ka izay voafaoka ao anatiny (vovoka, ravinkazo, poti-javatra madinika...) dia entiny misangodina miaraka aminy. Ahitsio
Rambondamba
[admin]
: a.: Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana, raha toa ka efa voalevina ny razana no tonga mamangy (efa voalevina mifono lamba ny maty, ka ny famangiana manaraka aty aoriana dia toy ny rambo manaraka ny lamba). (Jer. koa: Ranombary tsy masaka, solontsosoa, fao-dranomaso, kofehy, solon-kofehy, zara levenana). Ahitsio
Rambonana
[admin]
: na Rambosana (rambona, rambo) mt. ih. (rambony, rambosy): Samborina, sarihana amin'ny lamba na fitafiana mirefarefa eny amin'ilay olona. Ahitsio
Ramboana
[admin]
: (rambo) mt, pdr. (ramboy): Lamba na fitafiana asiana tovany mirefarefa na mitaritarika aoriana, asiana somotraviaviny. Ahitsio
Rambo
[admin]
: a.: Ilay sisa tavela ao amin'ny rary (tsihy na satroka) ka hetezana hiala. Ahitsio
Rambo
[admin]
: a.: Laniny lavalava mamarana ny vatan'ny ankabeazan'ny biby, izay azo verina ho tohin'ny hazondamosiny ihany raha jerena ny rafi-batany: Lava rambo ny omby. / Alika bory rambo. ? h.i,: Izay rehetra mirefarefa amin'ny fitafiana na mitaritarika aoriana. - t.i.f.: Ramboana, arambo, voarambo / mandrambo, fandrambo, mpandrambo / andramboana, fandramboana / mirambo, firambo / maharambo I ramborambo I aramborambo, tafaramborambo / miramborambo, firamborambo, mpiramborambo 1 iramboramboana, firamboramboana. Ahitsio
Rambo
[admin]
: na Rambona a.: Fisaritsarihana na fisampisampiana avy ao aoriana; fitazonana sy fsintonsintonana ao ivoho toy ny mitady hanaraka. - t.i.f : Rambonana, rambosana, voarambo, voarambona / mandrambona, fandrambona, mpandrambona 1 andrambonana, fandrambonana j andrambosana, fandrambosana I maharambo, maharambona I rambondrambona. Ahitsio
Rambilazo
[admin]
: a.: Anaran-kazo nampiasain'ny teo aloha ho fanafody mosavy. Ahitsio
Rambiazina
[admin]
: a: Anaran-javamaniry madinika izay manipofona ny raviny rehefa kosokosehina, fanao tambavy. Ahitsio
Ramby
[admin]
: a.: Fisamborana an-keriny ary tampoka amin'ny nify. - t.i.f.: Rambasana, voaramby I mandramby, fandramby, mpandramby 1 andrambasana, fandrambasana / maharamby I rambiramby. Ahitsio
Rambezina
[admin]
: fihasimban'ny hoe Rembezina (remby) mt ih. (rambezo): Hazaina. Ahitsio
Rambavy
[admin]
: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Rambatra
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Ramatra (kaikitra mafy amin'ny nify). Ahitsio
Rambasana
[admin]
: (ramby) mt. ih. (rambaso): Samborina tampoka ary an-keriny amin'ny nify: Norambasan'ny alika ny vody pataloan'Ibalita. Ahitsio
Rambaramba
[admin]
: a,: Karazan-kalesy tsy misy kodiarana fa taritina fotsiny amin'izao ary ampiasaina hitondrana vatom-pasana; indraindray koa anefa ny rambaramba dia hazo boribory fotsiny atao tsikaiana amin'ny zava-mavesatra tsy zaka bataina fa taritina ka mikodiadia ireo hazo ireo rehefa taritina na atosika. Ahitsio