Teny nampidirina farany

Ranendo
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika. (Lolanum aphananthum) Ahitsio
Ranemba
[admin]
: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Randriatra
[admin]
: a.: Anaran-kazo (Philippia) Ahitsio
Randriana
[admin]
: a.: Teny manaja fanao amin'ny lehilahy, toy ny hoe Andriamatoa, na Randriamatoa. Ahitsio
Randravonkalana
[admin]
: a.: Karazandrandrana vita vona tahaka ny halana. Ahitsio
Randrantsintongatonga
[admin]
: a.: Karazan-drandrana mandeha ambaratonga sahala amin'ny tohatohatra. Ahitsio
Randranketsa
[admin]
: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo miendrika ketsa maniry izay madinika dia madinika sady matetika dia matetika. Ahitsio
Randranina
[admin]
: (randrana) mt. ih. (randran): (volo na tady) A-tao misy ampehezany telo na maro izay ampidipidirina ho toy ny kofehy ka ireo indray ampifamatonna. Ahitsio
Randranampanga
[admin]
: a.: Karazandrandrana mifanahatahaka amin'ny ravin'ampanga ny fisehony rehefa vita. Ahitsio
Randrana tsotra
[admin]
: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo mitokantokana ary avona ao an-katoka. Ahitsio
Kiary
[admin]
: Kifetriposa, Kif ehaka, Kihohoka, Kilafitsotsy na Kilafahonofotsy, Kilavoahibary, Kipetaka, Kirazorazo, Kisabokisiny, Kisahondra, Kitelo, Kidimy, Kifito, Kifolo an'ila, Kitokandalana, Kivona, Randrana tsotra, Randranketsa, Rasaraka, Tadimpintana, Tototsongo, Valalamihoatra, Vombory, na Tsaramaha, Vonkavia, Volo misaona — Marina: Bango ankatoka, Difisesy, Kirozaroza, Lakolosy, Lambomiditra, Randramadinika, Tananivoho (der. tsirairay ireo teny ireo). Ahitsio
Randrana
[admin]
: a.: Fanamboarana-4' ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an'ila... na randranampanga, randravonkalana... - t.i.f : Randranina, arandrana, voarandrana / mandrandrana, fandrandrana, mpandrandrana / andrandranana, fandrandranana / mirandrana, firandrana, mpirandrana / irandranana, firandranana I maharandrana I randrandrandrana. - Randram-bao mahataitra: izay rehetra vao manaitra ny maso avokoa. / Manao randran-tarihina: manaraka ny efa fanao teo aloha ihany. / Mitomany randrana manendrika ny sasany: tsy mitsapa raha manendrika ny tena izay atao na tsia, fa ataon'ny hafa ka dia mba a-tao koa. Karazan-drandrana sy taovolo hita amin'ny foko sasantsasany: Antaimoro: Lafitriakondro, Ny telo an-kila, Tsitombotomboka, Vakimanasa — Betsileo: Bango, Ban-go anakova, Bango tsotra, Ahitsio
Randramadinika
[admin]
: a.: Fombandrandram-bolo atao toy izao: atao madinika ny fizarana ny son-bolo vao arandrana, ary ny sori-bolo voarandrana tsy atambatra raha tsy vita daholo izy rehetra amin'ny ila loha; avy eo a-tao tahaka ny bangoankatoka ihany. Ahitsio
Ranatra
[admin]
: (Ski) a.: Lefona roa samy kelikely, fitondramandeha. Ahitsio
Ranaotra
[admin]
: a.: Anarana ilazana na iantsoana ny zaodahy na ny zaobavin'ny tena, izany hoe ny iray tam-po amin'ny vady: Mitsako tsy re ka ken-da vao "dony aho, ranaotra" (Ohab. enti-milaza olona manao zavatra an-tsokosoko ka misy fahavoazana manjo vao miantso vonjy amin'ny hava-na na sakaiza). Ahitsio
Ranandria
[admin]
: (Ski) a.: Teny fanajana iantsoana ny olona izay itenenana, toy ny "Andriamatoa, Ramatoa: Mba omeo rano aho, Ranandria. Ahitsio
Ranakandriana
[admin]
: a.: Zavatra tsy hita vatana, ninoan'ny Ntaolo ho "mpamoaka ny fitahian' Andriamanitra, aloalon'ny tany sy ny lanitra", ka nanaovan'ny olona hataka sy vavaka ary hasim-bola, ka nanome, hono, raha hitany fa mahatsara ny olona mangataka ny zavatra angatahiny. Ahitsio
Ranadahy
[admin]
: a.: Anarana anajan' ny vehivavy ny lehilahy iray tain-po aminy: Miandry andranadahy eto aho fa ho avy hitsidika aty, hono, izy. ? h. i.: Iantsoana ny vadin'ny zaobavin'ny tena koa. Ahitsio
Ranabavy
[admin]
: a.: Anarana anajan' ny lehilahy ny vehivavy iray tam-po aminy: Aoka re, ranabavy, aza misahirana mahandro vary ho ahy amin' izao elanelam-potoana izao ianao. ? h.i.: Ilazana koa ny vadin'ny zaodahy. Ahitsio
Rana
[admin]
: a.: Omby vahiny tsy misy trafo. Ahitsio