Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misomebiseby: (somebiseby) mt s.: Falifaly miheninkenina etsy sy eroa. ¶ M.h.: Misahirankirana, sehotra, somehoka, mikeninkenina, mikenonkenona, mihebikebika, misomeditse di-ka, misomadodoka, misahodahoda, miserintserina. Ahitsio
Misomedika: (somedika) mt. s.: Maniry ny handeha na hanao, nefa tsy manao an'izany. Ahitsio
Misomidika: (somidika) mt. s.: Mitsinkafona: Misy menaka misomidika ny ro atao hoe ro be maso. Ahitsio
Misomokotra: (somokotra) mt. s.: Miezaka mafy, misahirana fatratra. Ahitsio
Misomonga: (somonga) mt. s.: Manao kivazivazy, mamazivazy, mananihany. Ahitsio
Misomoratsoratra: (somoratsoratra) mt. s.: Tonga nisy loto na pentina. Ahitsio
Misomotaka: (somotaka) mt, s.: Minono na mihinana mamosibosika erS'; mifotafota eo am-pihinanana ka ifotetahan'ny loto avy amin'ny sakafo hanina ny tarehy. Ahitsio
Misompatra: (sompatra) mt. p. (misompara): Manao izay hahavoa ny sasany: Misompatra namana Ibalita ka tsy misy tia azy ny namany. / Manimba zavatr'olona noho ny haratsian-toetra fotsiny izao: Tsy tsara ny misompatra volin'olona. Ahitsio
Misompirana: (sompirana) mt. s. (misompiràna): Tsy mahi- 72, tsy tsara ny toerany na ny fipetrany: Ahitsio ity tsihy ity fa misompirana. ? Mitsivalana, mivilana: Nodidiany misompirana ny akanjoko ka simba. ¶ M.h.: Tailana, mibirioka, mivaona, mivilana. 1 Miolaka, tsy mandeha mahitsy rehefa manao zavatra: Mahay misompirana izy rehefa sendra zava-tsarotra. ? Tsy mivantana: Reko misompirana fa hisy Minisitra hosoloana hono. Ahitsio
Misonàka: (sonàka) mt. s.: Miesona mafy misanasana va-va. Ahitsio
Misonanaka: (sonanaka) mt. s.: Mipetraka misonanina tsara. Ahitsio
Misonanina: (sonanina) mt. s. (misonanina): Mipetraka mi-lamina ary mianjonanjona. Ahitsio
Misonasona: (sonasona) mt. s: (vavorona) Misokasoka be. Ahitsio
Misondaina: (sondaina) p.t.: Be handrina: Tovolahy misondaina. Ahitsio
Misondenda: (sondenda) p. t.: Baka tandroka, somary mankany an-katoka. ? Be tarehy sady petaka. Ahitsio
Misondretaka: (sondretaka) mt. s. (misondretaha): Mipetraka miboretaka, mitsivetraka. Ahitsio
Misondrotra: (sondrotra) mt. s. (misondrota): Mitombo, mihalava, mihalehibe: Misondrotra haingana ity zanakazo ity izany. / Nisondrotra ny rano tamin'ny fahavaratra farany tao. • Mitombo vidy, mihalafo: Misondrotra ny vidin-kena. • Miakatra ambony, misavoana: Nisondrotra teny amin'ny habakabaka tlay sarim-papango. / Nisondrotra teny ambonin'ny tafontrano ny lelafo. 1 h.o.: Miakatra voninahitra, lasa ambony:Nisondrotra ho tale, hono, Rakoto. / Nisondrotra noho ny fianarana ny zanakao. Ahitsio
Misondrovaka: (sondrouaka) mt. s.: Enti-milaza zavatra voatelina tsy manaraka ny lalan-kanina fa nivoaka any an' orona: Nisondrovaka ilay voam-bary ka tany an'orona no niuoaka. • Mivily amin' ny lala-mahitsy; lasa tampoka entin-katezerana mankany amin'ny olona iray: Nisondrouaka tat9 Rasoa nitantara ny namelezan'i Naiu0 ny zanany. Ahitsio
Misonenika: (sonenika) mt. s. (misoneneha): Mandihy misosa moramora, tsy mikoropadropaka, milamina sy aradalàna tsara. Ahitsio
Misonga: Misongasonga (songa) mt. s.: Misokatra kely somary miainga ila; miainga kely ny ilany: Misongasonga ny lamban'ny zazakely fa amboary tsara. Ahitsio