Teny nampidirina farany

Vy
[admin]
: a.: Karaza-metaly mena-mena matroka ny volony, anisan'ny ilaina indrindra amin'ny metaly rehetra fa anaovana fiasana amam-pitaovana isan-karazany. Ahitsio
Vezovezoina
[admin]
: (vezovezo) mt. ih. (vezovezoy): Ilana ady: Miangavy anao aho, aza mba izaho no vezovezoinao eo fa hataoko mahita ahy ianao! Ahitsio
Vezovezo
[admin]
: a.: Filan-kisa, filambaniny, fifandirana hanimbana fihavanana. 1 t.if.: Vezovezoina, voavezovezo / mamezovezo, fainezovezo, mpamezovezo / ainezovezoana, famezovezoana / mivezovezo, fivezovezo, mpivezovezo / ivezovezoana, fivezovezoana/ mahavezovezo. Ahitsio
Vezo
[admin]
: a.: Zana-poko madinika sakalava, atsimo andrefana, malaza amin'ny fahaizana rano ka ny fanjonoana indrindra no antom-pivelomany. Ahitsio
Vezivezy
[admin]
: a.: Fandehanana etsy sy eroa; fiasana dia; firenirenena, firioriovana. - t.i.f.: Avezivezy, voavezivezy, tafavezivezy / mamezivezy, famezivezy, mpamezivezy / amezivezena, famezivezena /mivezivezy, fivezivezy, mpivezivezy 1 ivezivezena, fivezivezena f màhavezivezy. Ahitsio
Vezina
[admin]
: a.: Enti-milaza fihemorana na fihatahan-javatra kely izay miverina eo amin'ny toerany ihany indray. i t.Lf: Avezina, tafavezinaj mivezina, fivezina / ivezenana, fivezenana / vezimbezina / mamezimbezina I mivezimbezina. Ahitsio
Vezimbezina
[admin]
:(vezina) a.: Firondronana, fiverimberenana amin'ny toerany teo aloha indray. Ahitsio
Vezika
[admin]
: a.: Fandehanana etsy sy eroa ka miverimberina eo hatrany. - t.i.f.: Avezika, voavezika, tafavezika / mivezika, fivezika, mpivezika I ivezehana, fivezehana / mahavezika. Ahitsio
Vezavezaina
[admin]
: (vezaveza) mt.ih. (vezavezao):Atao tonga mangotanatana. Ahitsio
Vezatra
[admin]
: a.: Famahana na fanokafana zavatra an-keriny amin'ny fandroritana mafy ny vavany: Aza atao am-bezatra ny fanokafana io sobiky io sao dia vaky daholo ny atodim-borona ao anatiny. - t.i.f.: Vezarina, vezatina, avezatra, voavezatra / marnezatra, famezatra, mpamezatra / amezàrana, famezàrana / mivezatra, fivezatra I ivezarana, fivezarana. Ahitsio
Vezarina
[admin]
: na Vezatina (vezatra) mt. ih. (vezàro, vezato): Roritina mafy mba hisokatra na hivaha. Ahitsio
Vezabezatra
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra misokatra mangotanatana. Ahitsio
Vetsovetsoina
[admin]
: (vetsovetso) mt. ih. (vetsovetsdy): Tanisanisaina, hirahiraina: NY fahatsiarovana ny zanany no io vetsovetsoiny marain-tsy ha-riva io. Ahitsio
Vetsivetsy
[admin]
: na Vetsovetso a.: (ity faharoa no tena fampiasa) Tanisanisa lazain'ny vava na ao am-po tsy miloaka fotsiny ihany. • h.L: Hira kaloina malefaka dia malefaka. - t.i.f.: Vetsivetsena, vetsovetsoina, voavetsivetsy, voavetsovetso / mametsivetsy na mametsovetso, fametsivetsy na fametsovetso, mpametsivetsy na mpametsovetso / mivetsivetsy na mivetsovetso, fivetsivetsy na fivetsovetso, mpivetsovetso na mpivetsivetsy / ivetsivetsena na ivetsovetsoana, fivetsivetsena na fivetsovetsoana / mahavetsivetsy na mahavetsovetso. Ahitsio
Vetro
[admin]
: na Vetrovetro a.: Fampifangaroana zavatra andrahoina ka ny anana no atao betsaka fa sombiny kely ny hafa. - t.i.f: Mivetro na mivetrovetro, fivetro na fivetrovetro. Ahitsio
Vetrika
[admin]
: a.: Vatsavatsa; kamentsona. • Bedibedy foana tsy misy farany. - t.i.f.: Vetxehina, voavetrika/ mivetrika, fivetrika, mpivetrika / ivetrehana, fivetrehana j mahavetrika / vetribetrika. Ahitsio
Vetrehina
[admin]
: (vetrika) mt. ih. (vetreho): Vatsavatsaina, kamentsonina. • Bedibedena, bedibedesina. Ahitsio
Vetraka
[admin]
: na Tsivetraka a.: Ny faritra hatreo amin'ny valahana ka hatramin'ny tongotra. • Fipetrahana amin'ny tsihy ka mitsotra tsara ny tongotra roa. - t.i.f.: Avetraka, voavetraka / mivetraka, fivetraka, mpivetraka I ivetrahana, fivetrahana / mahavetraka I vetrabetraka 1 vetrany. - F.-p.: Milanja am-betraka: fomba filanjana olona, na biby, na zavatra tsy malntsy ilana olona roa, toy ny marary fonosina anaty lamba, ka ny iray amin'ny mpitondra avy eny amin'ny, lohanY, ny iray avy any amin'ny tongony. Ahitsio
Vetivety
[admin]
: na Vetivetika p. mt.: Tsy ela, haingana ihany: Hiverina vetivety aho ka aza miala eto foana ianao. Ahitsio
Vetaveta
[admin]
: (veta) p. t.: Mana na miteny zavatra tsy mendrlka; ratsy fiaina: Zaza vetaveta mihitsy ity zaza ity. •Maha-;nenatra, tsy mendrika, ma-loto: Aoka ianareo tsY hiteny vetaveta eto imasoko fa mahasosotra ahy. • Mandranitra ny filan'ny nofo: Aoka tsy hanao dihy vetaveta fa mamono ny fanahinareo izany. Ahitsio