Teny nampidirina farany

Vazizo
[admin]
: a.: Resaka tsy misy laniny na fiafarany ka mankaleo. • Fitampesonana na tomany lavareny ka mahasosotra ny mihaino azy. 1 tif: Mivazizo, fivazizo, mpivazizo / ivazizoana, fivazizoana / mahavazizo. Ahitsio
Vazivazina
[admin]
: (vazivazy) mt. ih. (uazivazio): Anaovana vazivazy, vosobosotra: Novazivaziko teo izy dia tezitra. • Esoina, harabina: Tandremoi tsy azonao uazivazina aho. Ahitsio
Vazivazy
[admin]
: a.: Zavatra atao mba hihomehezana, hanaovana sangisangy; vosobosotra: Ra-koto iny koa mba be vazivazy erg. • Fanesoana, fanarabiana: Tsy lefitro intsony ny vazivazin'ise, ry Koto, ka otsaharo hatramin'ny masonandro androany. / t.if.: Vazivazina, avazivazy, voavazivazy / mamazivazy, famazivazy, mpamazivazy / amazivaziana, famazivaziana / mivazivazy, fivazivazy, mpivazivazy / ivazivaziana, fivazivaziana / mahavazivazy. ¶ M.h.: Kivazivazy, somon ga, vosobosotra, sangisangy, kihanihany, kilalao, tsihanihany, safary, ala hamohamo, hatsikana, haikaika. — Voso-dratsy, sangisangy zary tenany, sangy mihoatra ny loha, fanory. — Mpanao kiuazivazy, kivalavala, hatsikana, katsikana, akisakisabe, hotsohotso, mpananihany, mpiaingiaingy, ariralahy, ariravavy, kapotsaka, mpiangano. Ahitsio
Vazina
[admin]
: p. t.: Fano vovoka, ma-loto, komavoka, be fotaka: Vazina aoka izany Ikoto niarina avy tao anaty fotaka. • Vasoka, vasobasoka, matromatroka toa maloto. • Tsy misy hajany, revo amin' ny zavatra iray ka tsy mahatandro ny voninahiny, - t.i.f.: Manavazina / mivazina, fivazina, mpivazina / ivazinana, fivazinana ! mahavazina / vazimbazina. Ahitsio
Vazimbaina
[admin]
: (vazimba) mt. ih. (uazimbao): Tsiratsiraina, zimbazimbaina, atao tsinontsinona. Ahitsio
Vazimba
[admin]
: a.: Olona fohy sady kely, nonina tamin'ny tanin' ny Marina fahizay ary nivavahan'ny olona sasany sy nohajainy ny fasany taty aoriana. • h.L: Olona na zavatra kely loha sady fisaka: Fantsika loham-bazimba. t,if.: Vazimbaina. Ahitsio
Vazy
[admin]
: (fr, vase) a.: Fitoeramboninkazo, tavim-bonkrkazo. Ahitsio
Vazavazaina
[admin]
: (vazavaza) mt. ih. (uazavazao): Antsolna kiakiahana mafy. Ahitsio
Vazavaza
[admin]
: a.: Antsoantso mafy; hirahira mafy tsy misy laniny ary tsy hita izay mahatsara azy. - t.i.f.: Vazavazaina, voavazavaza/ mivazavaza, fivazavaza, mpivazavaza / ivazavazàna, fivazavazàna / mahavazavaza. Ahitsio
Vazanana
[admin]
: (uazana) mt. ih. (vazàno): Kekerina mafy: Nouazanan'ny alika ny feny ka naratra ary lasa haingana any amin'ny Dokotera izy. ~ Terena mba hanoka-bava sy nify: Tsy maintsy vazanana i Koto rehefa ampisotroina fanafody. Ahitsio
Vazana
[admin]
: a: Ireo nify vaventy fara laharana indrindra ary fanaikerana ny zavatra mafy: Maniry fara vazana 1 Zoro na lafiny efatra ambony amin'ny trano: Vazantrano. 1 h.i.: Lafiny efatra amin'ny tany: Eran'ny vazan-tany. i t.Lf.: Vazànana, avazana, voavazana / mamazana, famazana, mpamazana ) amazànana, famazànana 1 mifamazana 1 mahavazana 1 vazambazana. - F,-p.: Vazan'aina: ilany kely amin'ny aina, sombimpahatsiahivana. / Tsy hitan' ny Uazan'aina akory: entimilaza zavatra hanina bitika kely ka zara raha tsaroan' ny aina. Ahitsio
Vazakakio
[admin]
: na Kakio a: Karazam-boloky madinika toy ny sarivazo, saingy mainty. Ahitsio
Vazahazaha
[admin]
: p.t.: Manana fomba manahatahaka ny an'ny Vazaha. Ahitsio
Vazahaina
[admin]
: (uazaha) p.t.: Atao araka ny fomban'ny Vazaha. Ahitsio
Vazaha
[admin]
: a.: Ireo olona fotsY hoditra, mena sofina avy any Eoraopa: Tamin'ny tao-na 1.500, hono, no nahiton' ny Vazaha voalohany an'i Madagasikara 1 h.i: Rehefa mety ho vahiny avy any ampitan-dranomasina na avy an-tany hafa. - t.i.f.: Vazahaina / mahavazaha / vazahazaha. Ahitsio
Vavorona
[admin]
: a.: Ireo lavak'orona roa hita amin'ny olombelona sy ny biby sasantsasany toy ny omby, soavaly, alika, sa-ka sns..., mba hidiran'ny rivotra iainana ary koa hivoahan'ny rivotra izay vao avy niainana. Ahitsio
Vavony
[admin]
: a: Kitapo mahalany eo amin'ny 1,5 1 (ho an'ny olombelona), izay mihetsiketsika mandritra ny ora vitsivitsy aorian'ny sakafo ka manakobana sy manapotipotika ny sakafo; tsy izany ihany fa mbola manova ny toetrany simika koa izy amin'ny alalan'ny fiharombavony izay ao anaty rindrim-bavony. Ahitsio
Vavoninkena
[admin]
: a: Kitapo fahefatra amin'ny vavonin'ny biby mpandinika (toy ny omby na ondry). Ahitsio
Vavomby
[admin]
: na Vavombiny a.: Ny ambaviny ifampitanan' ny rindrina roa amin'ny trano hazo. Ahitsio
Vavolombelona
[admin]
: a.: Olona nanatri-maso na nandre zavatra iray ka afaka hiantoka ny fahamarinany, Ilana uauolombelona roa ny fisoratampanambadiana. 1 Zavatra entina manaporofo, manamarina: Vouo?ombelon'ny fahakamoana, dia izao laharana farany misy anao izao. * Ohab.: 'Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga: enti-milaza fa ny asa no fanamarinana ny fahazotoan'ny mpiasa. Ahitsio