Teny nampidirina farany

Velomina
[admin]
: (velona) mt. ih. (oelomy): Avala ho velona, noesorina tamin'ny fahafatesana ka naverina amin'ny fahavelomana indray: Efa nohelohin'ny fitsarana ho faty io olo-meloka io fa novelomin' ny Filohan'ny Nosy. 1 Karakaraina, ahina, omena sakafo: Tsy zakany velomina intsony, hono, ny zanany. 1 Ampanenoina, velezina: Velomy amin'izay ny lakolosy fa efa amin'ny valo maraina izao. ? Tsofina mba hirehitra: Novelominy indray ny a-fo nony Lasa ny fahaualo. • h,o.: Velomy isan'andro ny finoanao. Ahitsio
Veloma
[admin]
: p.t. (velona amin'ny fomba mandidy): Teny ifanaovana raha mifandao ka firarlana mba sarny mbola ho velona soa aman-tsara. - F.-p,: Veloma mandra-pihaona: veloma ifanaovana rehefa hisaraka handeha ka manantena mbola hihaona tsy ho eia / Veloma mifoha: teny ifanaovana rehefa hisaraka fa samy handeha hatory, mitovy amin'ny hoe: "tafandria mandry". * Fiten.: Veloma madinidinika, marina fantimpantenana: tomba fanaovam-beloman'ny mpifankatia miangolangola fiteny. Ahitsio
Velively
[admin]
: p. mt.: Teny tsy fampiasa raha tay miaraka amin' ny "tsy", ka entina manamafy ny fandavana: Tsy fantatro velively izany olona izany. Ahitsio
Vely
[admin]
: a.: Fikapohana, famonoana amin'ny zavatra (hazo, kanonta) eny an-tanana: Vely kanonta — Vely uary, i t.Lf.: Velezina, avely, ainely, voavely, vinely / mamely, famely, mpamely / amelezana, famelezana / mifamely / mively, fively, mpively / ivelezana, fivelezana 1 mahavely / velively. - F.-p.: Vely rano na velirano: fianianana. Ahitsio
Velezina
[admin]
: (vely) mt. ih. (velezo): Kapohina mafy: Noveleziny tamin'ny kibay ilay kely ka saika torana. • Kapohina mba hihintsanan'ny voambary : Eo amin'ny famoloana no uelezina ny vary. • Ampanenoina: Velezo amin'izay àry ny lakolosy. / Any ambanivohitra dia ny amponga no velezina raha hamory ny fokonolona. * Fiten.: Velezo ny vy dieny mafana: hararaoty ny fotoana tsara hanaovan-javatra. Ahitsio
Velatry
[admin]
: (Ats) a.: Vavaka atao amin'Andriananahary sy ny Razana. Ahitsio
Velatra
[admin]
: a.: Fandaharana; fampisehoana hiharihary; fandaharana sy fandaminana ny zavatra hamidy ho hitan'ny olona rehetra. 1 t.Lf.: Velarina, velarana, voavelatra, tafavelatra 1 mamelatra, famelatra, mpamelatra / amelàrana, famelàrana I mivelatra, fivelatra / ivelàrana, fivelàrana / mahavelatra / velabelatra. Ahitsio
Velatanana
[admin]
: a.: Dihim-behivavy ka ny felatanana no avadibadika. Ahitsio
Velarina
[admin]
: (velatra) mt,ih. (vela-ro): Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan'ny olona! ? Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin'ny takila fahatelo amby roapolo, • Aseho hatao milamina sy milahatra tsars mba hanaltra ny mason'ny olona: Nouelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra. • Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy. • Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala. Ahitsio
Velarana
[admin]
: (velatra) rat. pdr. (ve-Iaro): Enti-mllaza ny olona izay anaovana ny asa voalaza ao anatin'io matoanteny io: Velarana tsihy ny uahiny, Ahitsio
Vela
[admin]
: a.: Trosa alan'izay resy amin'ny lalao fanorona. 1 I-lazana koa ny vato telo sisa amin'ny fanoron-dimy, na ny vato dimy amin'ny fanoron-tsivy. * Matim-bela: enti-milaza ny resy amin'ny fanorona. / Mihinam-bila na homam-bela: enti-mllaza izay resy manao valin'ady ka avy hatrany dia haniny ny vela. / Tsy afa-bela: ilazana faharesena tanteraka na fahavoazana mitohitohy. / Velamaivoho: fomba iray filalaovampanorona: esorin'ilay naharesy ny laharana iray amin' ny vatony. / Tsontsam-paika ka matim-bela: enti-milaza fahavoazana na fahafaham-baraka satria nanao hadisoana. Ahitsio
Vela
[admin]
: a.: Fanalanonana; fainetrahana, famoizana; fanomezan-dalana, famindram-po amin'ny hadisoana vita. i t.Lf.: Avala, ambela, voavela, tafavela / mamela, famela,mpamela / amelàna, famelàna / mifamela / mivela, fivela, mpivela / ivelàna, fivelàna / mahavela / velavela. Ahitsio
Vehivavy
[admin]
: a.: Ny olombelona vavy natao hiteraka, izany hoe manana ny toe-batana mifanohitra amin'ny an'ny lehilahy: Tsy misy tsy natera-behivavy. * F.-p.: Vehivaviny: enti-milaza ny vazo na sakaiza ratsy na tokantranomason'ny lehilahy iray. Ahitsio
Vehana
[admin]
: a.: Halavan-drefy ha-tao amin'ny tendron'ny fanondro ka hatramin'ny tendron'ny ankibe (vodivoampelatanana miverina indroa, na voatondro Polo, na zehy latsaka tondro). * F,-p,: Tsy miala vehana: tsy manaiky ny hihemotra na kely aza. Ahitsio
Ve
[admin]
: Kianteny kely enti-manontany, ka tsy manomboka fehezanteny no ampiasana azy fa eo aorian'ny teny fototry ny fanontaniana: Handeha ue ianao amin'ny Alakamisy? — Amin'ny Alakamisy ve ianao no handeha? Indraindray, azo amplasaina miaraka amin'ny moa ny ve ka atao manarakaraka azy: Moa ve hijanona ianaof Ahitsio
Vazomboana
[admin]
: a.: Aretin'andoha manelonelo sy dontodonton'ny hamamoana ny omalin' iny. - F,-p.: Miala uazomboana: misotro toaka kely indray mba hanala ny fahadontodontoana sy fahalemilemena tamin'ny fahamamoana ny omalin'iny. Ahitsio
Vazoina
[admin]
: (vazo) mt. ih. (vazoy): Hiraina, kaloina: Nouazoin' nyAvana ny hanin-kavana. • Anaovana vazo na kalompitiavana: Imiangaly no nouazo i n' And riana mpo inimerina. Ahitsio
Vazo
[admin]
: a.: Kalom-pitiavana ahatsiarovana olon-tiana; kalon' olo-manina. i t,if.: Vazoina J mivazo, fivazo, mpivazo / ivazoana, fivazoana / mahavazo / vazovazo. Ahitsio
Vazo
[admin]
: a.: Vehivavy sakaizan' ny lehilahy iray ivelan'ny tokantranony. — Indraindray anefa, na ny lehilahy sakaizam-behivavy koa aza dia a-tao hoe vazo araka ilay fitenenana hoe: "Tsy manam-bazo afa-tsy Rainisambainy". Ahitsio
Vazizotra
[admin]
: a.: Jar. Vazizo. Ahitsio