Teny nampidirina farany

Valo
[admin]
: p.i.: Fito ampiana iray: Efatra ampiana efatrp valo. 1 t.Lf.: Valoina, voavalo / mivalo, fivalo / ivaloana, fivaloana / imbalo I manimbalo / fanimbalony / fahavalo, ampahavalo 1 tsivalovalo / havaloana. Ahitsio
Valizaitra
[admin]
: a.: Zaitra atao ao ambadika ho valin'ilay zaitra efa vita. Ahitsio
Valitafo
[admin]
: a.: Hazo na lalotra atao aty ambadika ambanin' ny tafo avy hatrany mba hahazoana mipetraka any ambony rihana ambony. Ahitsio
Valisoa
[admin]
: a.: Fankasitrahana no-ho ny zavatra iray vita, izay sarotra na manahhana. Ahitsio
Valindrihana
[admin]
: a.: Hazo na lalotra mandrakotra ny atin'ny tataro. Ahitsio
Valilahy
[admin]
: (fit.-p.) a: ZaodahY. Ahitsio
Valihavero
[admin]
: a.: Zavamaneno kilalaon'ny zatovo fahiny: tahom-bero vaventy maromaro no rarina toy ny zahatra, isokirana tadiny anankiray isaky ny tahony tsirairay; tahom-bero ihany no asisika eo amin'ny tendrony ambony sy tendrony ambany ho fanenjanana ny tadiny. Ahitsio
Valiha
[admin]
: a.: Ny malaza indrindra amin'ny zavamaneno nentim-paharazana malagasy. Vita amin'ny volo (volotsangana vaventy) ny valiha ary misy tady kitihina amin'ny ta-nana; ireo tadiny heo dia misy tohany daholo ka izany no ahazoana feo avo sy iva: folo eo ho eo tany am-boalohany ny isan'ireo tadimbaliha fa ankehitriny mahatratra efapolo na mihoatra aza. Ampiasaina manerana an'i Madagasikara ny valiha na dia sarny manana ny fomba fanaovany sy fampiasany azy aza ny tsirairay: Valiha bara: hazo mitovy habe amin' ny volo no sasahana roa, esorina ny atiny dia atambatra ary asiana tadiny; Valiha tsimihety: sampan-drofia roa no alaina, esorina ny atiny, atambatra hanjary boribory; ny hodiny•ihany no sokirina hanjary tadiny; Valiha tory tenany: ny tenany ihany no torina hanjary tadiny, ka irony volo mifanalavitra ny tonony no ampiasaina amin' izany (40-70 santimetatra); Valiha jihy vy: volo ihany ny vatany fa tariby kosa ny tadiny (jihim-baliha no flantsoan'ny Ntaolo ny tadiny amin'izay); Valiha mata (na marovany): haro na takelaby no rafetana hitovy bika amin'ny vela ka hatao tariby koa ny tadiny. - F.-p.: Dàmatim-baliha: ny feo iva na ambany indrindra amin'ny valiha. / Toham-baliha: ireo vakim-boatavo na poti-kazo na volotsangana kely manohana ny tadim-baliha. / Valiha tory folo: valiha misy tadiny folo. * Ohab.: Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: enti-milaza ny olona mijanona tsy fidiny amin'ny asa fanaony. Ahitsio
Valiana
[admin]
: (valy) mt ih. (valio): Omena vaiiny (taratasy na fanontaniana): Valio unie ity taratasy ity raha vao voarainao e! 1 Setrena: Tsy tokony ho novalianao ratsy ny soa nataoko anao. ~ Omena valin-teny tsy amim-panajana, toherina: Tezitra tokoa aho ka novaliako mafy izy. Ahitsio
Valy
[admin]
: a: Setry: Valin'ny fiakarana ny fidinana. ~ Setrin'ny taratasy nalefa na ny fanontaniana natao: Nandefa taratasy tany amin-dRakoto aho nefa tsy naharay voiiny hatramin'izao. / Ataovy mazava tsara ny valin-teninao. 1 Tody: Mbola hisy valiny izao fampijalianao zanak'olona izao. ~ Zavatra atao ao ambadiky ny zavatra hafa iray: Misy valy tafo ny tranonay. 4 Valiana, avaly, voavaly, vinaly 1 marner, famaly, mpamaly I amaliana, f amaliana / mifamaly I mivaly, fivaly, mpivaly I ivaliana, fivaliana 1 mahavaly I vaiivaly 1 mamalivaly. - F,-p,: Valim-babena: fankasitrahana àtaon'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny no-ho ireo soa be nataony taminy. / Valim-bonoana: famonoana (fikapohana) ny hafa ho setrin'ny namonoany ny tena. / Vulim-pahaizana: fankasitrahana noho ny fahombiazana tamin'ny fanadinana na ny fianarana ankapobe. / Valin'ady: fanarenana ny faharesena an'ady. / Valin-kasasarana: karama. / Valin-tanana: fomba fifanampiana fahiny tamin'ny aga teo amin'ny fokonolona: nfàsâ ho an'ny olona iray ny olona rehetra ary dia nifandimbiasana niasana toy izany tsirairay avy ny olona tao an-tanàna ka ilay niasana androany dia namaly niasa ho an'ny hala kosa ny ampitso. / Valy bontana: setrin'ny soa nataon'ny hafa tamin'ny tena / Valindrihana, ualisoa, valitafo, valizaitra (jer. amin' ny laharany ireo teny ireo). / Valy boraingona: valin-teny toa manao didiko fe lehibe fotsiny izao, valin-teny jadona. / Vaiy faty: setrin'ny namelezan'olona iray, na nahafaty izy na tsia. / Valy vilana: valin-teny atao amim-pahakingana, nefa tsy mifanaraka akory amin'izay tokony ho izy. ¶ M. h.: Setry, tsimbalivaly, valim-bonoana, valy faty, valin'ady, famerenana Ahitsio
Valavalana
[admin]
: (valavala) mt. ih. (valaualao): Kipilizana valavala: Valavalao ireny vorona miara-dia ireny. •Vangovangoina: Vao novalavalana fotsiny io sary io. Ahitsio
Valavalaina
[admin]
: (valavala) mt, ih. (valavalao): Lazaina mba hanaovana kivazivazy vosobosotra: Aza fady raha nahasosotra anao ilay tans' tao inY fa teny novalavaiaiko fotsiny ante iny e! Ahitsio
Valavala
[admin]
: a: Tapa-kazo lavalava fitorahana vorona; kipikipy. ~ p. t.: Sahisahy miteny, be vazivazy sady mampihomehy no mahasosotra: Valavala loatra to zazalahy io ka tsy azoazoko. a t.Lf.: Valavalana, valavalaina, avalavaia, voavalavala 1 mamalavala, famalavala, mpamalavala / amalavalana, famalavalana / mivalavala, fivalavala 1 mahavalavala. Ahitsio
Valatendro
[admin]
: Ahitra maniry any anaty rano (Potamogeton paruifolius). Ahitsio
Valanorano
[admin]
: a: Ny taolana itsatohan'ny nify ambany. Ahitsio
Valanirana
[admin]
: a.: Karazan-kazo mafy fanaovan-trano (Nuxia capitala). Mahatsara ny lalandra ny raviny ka azo tanehi- valanorano na ampiasalna amin ny fana- ambony fodin'ny tosidra. Ahitsio
Valangitriky
[admin]
: (Tsm) a.: Andry omby an-kalamanjana mandritra ny alina. Ahitsio
Valangidina
[admin]
: ft.: Fikodiavana amin'ny tany, fianjerana amin'ny tany; faharavan-karena. i t.Lf.: Avalangidina 1 mivalangidina, fivalangidina. Ahitsio
Valandresaka
[admin]
: a.: Lahateny feno famelabelarana atao amin' olona tafavory, izay mifandahatra rehefa avy eo, samy milaza ny heviny avy. Ahitsio
Valandotra
[admin]
: a.: Ny filazana hoe ampahafirin'ny refin-javatra iray ny sary entina milaza azy. Oh.: misy trano 12 m. ny lavany, ary ny sary milaza io halavany io 4 sm; ny valandotra nampiasaina dia 1/300, izany hoe: 1 sm amin'ny sary dia 1 sm x 300 = 3 m amin'ny tena izy; mari-drefy. Ahitsio