Teny nampidirina farany

Vaingo
[admin]
: p. t.: Miolana, miolaka. ? F.-p.: Miala vaingo: manao fe manao, manao mba ho hitan'ny olona fotsiny fa efa nanan, miala safay. Ahitsio
Vaingana
[admin]
: (vainga) mt. ih. (vaingao): Didiana: Vaingào kelY ity hena ity. Ahitsio
Vaingaina
[admin]
: (vainga) mt. ih. (vain-gon): Didiana, akana didiny iray. Ahitsio
Vainga
[admin]
: Vaingavainga na Vaingana a.: Vongan-javatra vaventy; didin-javatra makadiry: Lasan'ny saka ilay vaingan-kena teo ambony lovia. / Miempo ny vaingan-dranomandry raha vao tratran'ny hafanana. i t.if.: Vaingana, avainga, voavainga 1 mamaingavainga, famaingavainga, mpamaingavainga 1 amaingavaingana, famaingavaingana 1 fivaingavainga 1 mivaingana, fivaingana, 1 ivaingavaingana, fivaingavaingana. Ahitsio
Vaindoha
[admin]
: a.: Mpitarika, fototra, tonie: Izy mihitsy no te-na vaindohan-draharaha tamin'io. Ahitsio
Vaikavaika
[admin]
: a: Vozavoza, fidrahodraho, fitaraiky, i Mivaikavaika, fivaikavaika, mpivaikavaika I ivaikavaikana, fivaikavaikana 1 mitsivaikavaika. Ahitsio
Vaikaina
[admin]
: (vaika) mt. ih (vatkào): Atranina. Ahitsio
Vaika
[admin]
: a.: ilay vy kely entina hampiatrana ny fem-basy. 1 t.i.f.: Vaikaina, avaika, voavaika 1 mamaika, famaika, mpamaika 1 amaikana, famaikana 1 mivaika, fivaika 1 ivaikana, fivaikana / mahavaika. Ahitsio
Vaika
[admin]
: na Vaiky p. mt.: Saika na saiky. Ahitsio
Vay
[admin]
: a.: Fiangona-nana ao anaty nofo. * Ohab,: Manao vain-drahalahy tsy mba maharary: tsy miraharaha afa-tsy izay mahazo ny tena ihany, fa ny an'ny sasany heverina ho tsinontsinona. Ahitsio
Vahovaho
[admin]
: p. t.: Mangovingovitra; miambakambaka, adala vava. - t.i.f.: Mivahovaho, fivahovaho, mpivahovaho 1 ivahovahoana, fivahovahoana / mahavahovaho. Ahitsio
Vahotra
[admin]
: p. t.: Mionkina ny hozatra ka tsy mahahetsika, na noho ny hatsiaka na noho ny hatairana: Amin'izao fahalasanan'ny havana tampoka izao, vahotra ny lela. - t.i.f.: Vahorana, vahorina, voavahotra 1 mamahotra, famahotra, mpamahotra I amahorana, famahorana 1 mivahotra, fivahotra, mpivahotra j ivahorana, fivahorana 1 mahavahotra I vahobahotra 1 havahotra. Ahitsio
Vahorana
[admin]
: na Vahorina (vahotra) mt. th, (vahory): Azon' ny tahotra; ampitahorina. Ahitsio
Vahonolona
[admin]
: a.: Karazam-bahona maniry amin'ny tany be vato sokay; misondrotra avo noho ny karazam-bahona tsotra ny faniriny ka ny raviny amin'ny tapany ambany dia miala toy ny an'ny ravinala ka raha tazanin-davitra — indrindra amin'ny alina — dia mova tsy toy ny olona izao. Ahitsio
Vahona
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry mangidy izaitsizy ampiasain'ny olona ho fampivalanana (ny vonin'ny vahona atao hoe sahondra). Ahitsio
Vahoho
[admin]
: a.: Fiasana fihazonana mafy ny zavatra tefena na arafitra mba tsy hihetsiketsika. Ahitsio
Vahoaka
[admin]
: a.: Ny olom-pirenena amin'ny fanjakana iray: Nouorin'ny filoham-panjakana ny vahoakany. ? 01ona maro be: Vahoaka be mihitsy izay tao an-tsena izay aninaraina. - Ny sarambaben'ny olona, ny valalabemandry: Rahefa avy nikabary izy dia nifangaroharo tamin'ny vahoaka. i ki,f•: Mamahoaka, famahoaka, mpamahoaka 1 amahoahana, famahoahana. * Fiten.: Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka: raha misy tsy mahatamana amin'ny tany anankiray, tsy ny tany akory no anton'izany satria ny tany tsy fady na oviana na oviana, fa ny vavam-bahoaka raha toa ka ratsy ny atao. ¶ M.h.: Olona, ambanilanitra, valalabemandry, valalatsimandadiharona, sarambaben'ny kintana, vodiahitrarivo, bozaka aman'ahitra, ny miakandrefam-baravarana, ny velona rehetra, ny olo-miaina. Ahitsio
Vahindrorohany
[admin]
: a.: Iray amin' ireo zavatra tain miforona ho vavonin'ny omby, izay misy volovolo madinika. 'Vahiny a.: Olona avy any amin'ny tany hafa, tsy tompontany: Mahazo monina tsara eto ny vahiny raha tsy voatohintohina ny fiandrianom-pirenentsika. ~ Olona tonga mitsidika ao an-tokantrano ka raisina sy omentaakafo: Andeha hanokombary ho an'ny vahiny aho aloha 1 t.if.: Mivahiny, fivahiny, mpivahiny j ivahiniana, fivahiniana. - F.-p.: Amboa vahiny: mpangalatra an-kafetsena, mpirenireny. / Takariva mahatsara vahiny: ilay takariva mitarataratra somary mena-mena iny ka toa mahatonga ny salovan-tavan'ny vahiny hahafinaritra jerena. / Sakafo mandroa-bahiny: sakafo omanina ela loatra ka tsy andrin'ny vahiny ary dia toy ny manery azy handeha. * Ohab.: Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany: aza miantehitra na miandry valiny amin'izay olona mandala, / Nanasa vahiny tsy tonga: sady voky no afaka adidy: tsy mahafaty antoka akory ny manao ny adidy tokony hoefaina. Ahitsio
Vahindanitra
[admin]
: a.: Antokon-kintana tsy hita isa mifanakaiky ka toa mitankosina fotsy ary manaraka faritra lehibe lavalava ka mova tay toy ny vahy mandadina eo afovoan' ny habakabaka. Ahitsio
Vahimaty
[admin]
: a.: Bibikely mivelona any anaty rano. Ahitsio